« Ambeno », Mamitiana Randrianarison (Mcm-Tanà).

 

AMBENO…

 

ao ambonimbony ao
misy tsy mazavazava
mody ireo mipalitao
sy malamalama vava
Nefa tsy hita be ihany

ao am-pisoronana ao
rakotra mpangala-pihinana
maro ambara izao sy izao
nefa raha izay fahamarinana
dia tsy hainy porofoina

ao mitondra antsika ao
ireo jiolahy manam-pahaizana
ary tia mizahozaho
ka indrisy manamaivana
ny manjò ireo vahoaka

ao ananonanona ao
misy afera mahatsiravina
efa mifamahofaho
tian-dreo aravondravona
nefa kolikoly maro…

ao an-tampontampony ao
tevana kisilasila
ka fingana no kilalao
ambony seza mihilahila
tsy hahatomoetra koa ny hitsiny

ao ambonimbony ao
feno halatra bevava…
ataon’ny « fery vaovao »
mihamamotika, mandrava
an’ny Madagasikara

ireo ambonimbony ireo
mbola hirefotra ny farany
ry « koto manga » sisa eo
Irina hahazo koa ny anjarany
AZA AVELA HISY HITSOAKA

NARY. Mamitiana Randrianarison

15/04/2017.

.

malagasy-flag10

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s