CUA-Antananarivo, 19/04/2017. Ben’ny Tanana Lalao Ravalomanana, Fivoriana androany. Arp Helisoa, GValosoa, Mcm-Tanà.

L Ravalomanana 5

.

Arp Helisoa. 19/04/2017.

Misokatra ny fivoriana arapotonan’ny mpanolotsaina eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra mandritra ny 10 andro . Nanokatra ny fivoriana tamin’izany ny ben’ny tanana Lalao Ravalomanana sy ny mpiaramiasa aminy.

« Mahasoa hitondra fahombiazana ho an’ny vahoaka no ataontsika » hoy ny ben’ny tanana Lalao Ravalomanana . « Aza izaho Lalao Ravalomanana no jerena fa ireo vahoaka eto amin’ny renivohitra ary ny fampandrosoana ny tanana no banjinina ».

CUA serasera

FIVORIANA ARA-POTOANANA VOALOHAN’NY MPANOLONTSAINA MONISIPALY
Nisokatra androany 19 aprily 2017 ny fivoriana ara-potoanan’ny Mpanolotsaina Monisipaly eto Antananarivo Renivohitra . Haharitra folo andro izany ary hifarana ny 28 april izao. Nanokatra ny fotoana tao amin’ny Lapan’ny Tanana Analakely ny filohan’ny mpanolontsaina syny birao miaraka aminy Faustin Andriambahoaka . Nanatrika ny fanokafana ofisialy ny fivoriana ara-potoana voalohany ny Ben’ny tanana Lalao Ravalomanana sy ny mpiara-miasa aminy , izay nitondràny teny fiharabàna sy firariantsoa ho an’ny mpanolotsaina rehetra.

Teo ihany koa ny nilazan’ny Ben’ny tanana fa ny mahasoa ny mponina aloha no mila banjinina fa avela ny adilahy , ny fampandrosoana ny Renivohitra no tokony himasoana. Maro ny lahadinika hakàna fanapahan-kevitra mandritra ny fivoriana,ka ny andro voalohany diany Sekretera Jeneraly,Heriniaina Razafimahefa no nanao ny tatitry ny asa vitan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra nandritra ny taona 2016.Marihina fa mifanaraka amin’ny vinan’ny Ben’ny tanana Lalao Ravalomananahatrany izany, ka nohazavaina tamin’ireo mpanolotsaina ny asa vitan’ny « direction » 15 sy boriborintany 6 eto amin’ny kaominina Antananarivo,ka an’isan’izany :

-Fanamafisana ny fandriam-pahalemana izay tena natao laharam-pahamehana amin’ny fiarahana amin’ny polisy Nasionaly sy Monisipaly.
-Fiaraha-miasa amin’ny Fokontany sy Kaominina izay nahitana ezaka be
-Fiarovana sy fisorohana ny voina voajanahary
-Fanadiovana ny lalan-kely sy ny tsena ary famonoana ireo bibikely
-Fiaraha-miasa amin’ny SAMVA sy ny APIPA izay nahitana ezaka goavana ny fanalana ny fako teto an-drenivohitra
-Fanatsarana ny zaridaina maro sy ny foto-drafitr’asa
-Fantsarana ny « batiment » ny Kaominina, ny tsena,EPP(fanamboarana dabilio….)
-Fanatsarana ny « système Informatique »
-Fananganana PCO Anosipatrana
-Fiforonan’ny Face Book CUA serasera ary famelomana ny Radio ny tsena
-Guichet Unique:niezaka tamin’ny fanafainganana ny asa rehetra
-Fiaraha-miasa amin’ny Orin’asa AMETIS amin’ny fiadiana ny hosoka
-Fiaraha-miasa amin’ny COLAS, FJKM,EDAOI,WUSP,UNICEF,JICA,Projet IARIVO,TATOM,AFD,metéo
-Fiaraha-miasa amin’ny fikambanan’ny Ben’ny Tanana ary ny AVCOI,AIMF
-Fiaraha-miasa amin’ny EASY PARK amin’ny resaka parking
-Fanavaozana ny site ny mpamonjy voina Anosivavaka

.

CUA Mitatitra5

CUA Mitatitra6

L Ravalomanana 2

L Ravalomanana 3

L Ravalomanana 4

L Ravalomanana 1

.

Mitatitra ny zavabitan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra nandritra ny taona ny sekretera jeneralin’ny CUA Razafimahefa Heriniaina araka ny vinan’ny ben’ny tanana Lalao Ravalomanana

CUA Mitatitra1

CUA Mitatitra2

CUA Mitatitra3

.

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s