Tany Andohatapenaka. Tiko Agri no tompony, nobodoin’ny Fanjakana sy Total.

Andohatapenaka : Nametraka kely ny frantsay (Total), dia nomena ny tanin-dRavalomanana. MCM.

.

.

Arp Helisoa. 20/04/2017.

Tsy nahazo alalana tamin’ny kaominina Antananarivo renivohitra ny fanorenana gare routiere ataon’ny orin’asa TOTAL eo Andohatapenaka izay lazaina fa tetik’asan’ny filohampirenena fa vaovao lainga no namparitaka tamin’ny haino amanjery.

.

“Gare routière” Andohatapenaka Aorina eo ambony romoromo

20/04/2017

Napetraka omaly ny vato fototry ny toeram-piantsonan’ny fiara eny Andohatapenaka izay hivelatra amina velaran-tany 8ha, ka namonoan’ny mpitondra omby mba hanaovana joro mihitsy teny an-toerana.

Haharitra 9 volana ny asa, ka ny orinasa Total no hamatsy vola, ary hanangana toby mpaninjara solika goavana eo an-toerana ity orinasa frantsay ity. Ho an’ny vahoaka Malagasy fa tsy ho an’Antananarivo ihany izy io, hoy ny minisi-panjakana misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena. Ny hita sy tsikaritra anefa dia kopaka hisahahan’ny fanjakana HVM sy ny orinasa Total no misy satria ity orinasa ity no mahazo ampahany betsaka amin’ny tany, ary io no anisan’ny mahatezitra ireo mpitatitra satria mitady ho fetsy sy hanao tohatra fiakarana ny mpitatitra ny fanjakana sy ny orinasa Total.

Marihina ihany koa fa tanin’ny orinasa Tiko ity nobodoina ity ary didin’ny be sandry no ataon’ny fanjakana satria tsy mbola voalamina ny fifanolanana eo amin’ny fanjakana sy ny Tiko tompon’ny tany, ka tokony hiandry ny fanapahan-kevitry ny fitsarana mahefa. Efa fanjakan’ny fandikan-dalàna moa no misy eto koa akory atao. Fibodoana tanin’olona izao atao izao ary tsy nisy velively ny fahazoan-dalana avy amin’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra. Tsy niteny aloha hatreto i Marc Ravalomanana saingy efa re ihany fa tsy hanaiky mora foana ny barofo ataon’ny HVM. Mivoaka ihany koa anefa ny resaka fa paikady entina hanodinana ny saina aman’eritreritry ny olona tsy hifantoka na hanadino mihitsy ny afera Claudine Razaimamonjy no anton’izao fihetsiketsehana tampoka izao, indrindra fa mijoro sy tsy hanaiky mora izay didin’ny be sandry izao i Marc Ravalomanana.

Toky R. TiaTanindrazana.

Narson Rafidimanana à Andohatapenaka : « L’intérêt général doit primer sur la politique »

Kaominina Antananarivo Renivohitra Tsy nanome alalana fanorenana eny Andohatapenaka

21/04/2017

Nandiso ny filazan’ny minisi-panjakana misahana ny tetikasan’ny filohan’ny Repoblika Narson Rafidimanana ny lefitra voalohan’ny Ben’ny tanàna Antananarivo Renivohitra Julien Andriamorasata omaly teny Analakely.

Tsy nanome alalana na fahazoan-dalana fanorenana fotodrafitrasa eny amin’ny tany malalaka Andohatapenaka ny fiadidiana ny kaominina renivohitr’i Madagasikara. Tsy azo atao ny manome alalana fananganana fotodrafitrasa amin’ny tany misy titra na manan-tompo izay voafaritra mazava ao anatin’ny lalàna momba ny tanàn-dehibe, araka ny fanamarihan’ity tompon’andraikitra ity. Efa namoaka didim-pitondrana fampahafantarana izany ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny volana desambra 2016. Nohamafisina tamin’ny taratasy nalefa tany amin’ny prefektiora izany ny 17 martsa 2017. Nohamarinin’ity farany kosa ny maha ara-dalàna io taratasy io ny 21 martsa 2017. Andrasana moa ankehitriny ny didim-pitsarana fampiakarana ny raharaha eny amin’ny tribonaly mitsara ny ady amin’ny fanjakana nataon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany izay namoaka didy ny 10 janoary 2016 ny tsy fahafahana manototra na manorina fotodrafitrasa eny Andohatapenaka raha tsy tontosa ny fankatoavan’ny filankevitra monisipaly ny programa momba ny tanàn-dehibe sy ny fampandrosoana.

Ramano F. TiaTanindrazana.

Gare routière d’Andohatapenaka : « Je n’ai pas délivré une autorisation de construire », dixit Lalao Ravalomanana

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s