Antsirabe, 25/04/2017. Fiangonana Katolika, Fiombonam-bavaka lehibe . Frera Jiva Lucien, Pretra.

.

Aina Mirado Tsiferana Andriana à KRISTIANA MIFANAMPY

24/04/2017.

 

FIANGONANA KATOLIKA :

Rahampitso Talata 25 Avril 2017 dia hanatanteraka Fiombonam-bavaka lehibe hitondrana am-bavaka ny tsy fandriampahalemana sy ny herisetra isankarazany mihatra amin’ny ECAR [ EGLISE CATHOLIQUE ETO MADAGASIKARA ] manerana ny Nosy ary indrindra ny zava-doza niseho tao Antsirabe tobin’ny Masera sy ny famonoana Pretra tany Antsohihy, ny herisetra sy fijaliana mianjady amin’ny Firenena manontolo.
Tsy miasa araka izany ny Mpiasa Catholiques, tsy mianatra ny Mpianatra Catholiques eto amin’ny ECAR Diosezy Antsirabe Manontolo ka manentana antsika mba hifanotrona sy hifampitondra am-bavaka ho fanavotana ny firenena.

.

Lionnel Lambosoa

11h00 – DIOCESE D’ANTSIRABE : Les croyants catholiques de la diocèse d’Antsirabe consacrent la journée de ce 25 avril 2017 à la prière et au jeûn pour protester contre toutes les formes de violence à Madagascar. La décision a été prise par Monseigneur Philippe Ranaivomanana, l’évêque du diocèse d’Antsirabe, à la suite de l’attaque armée suivie de viol dans un couvent de religieuses à Antsahatanteraka. Toutes les écoles catholiques dans la région de Vakinkaratra sont fermées ce jour.
orange mg

.

Tantaram-piainan’i Frera Jiva Lucien, Pretra novonoin’ny « dahalo » tao Antsohihy

Teraka tamin’ny 25 avril 1974 tao Ankerika, Antsohihy. Zanak’i Jiva Alexandre, efa maty fony izy feno 11 taona, sy Betra Ernestine, Mbola velona. Marihina fa mpitandrina ny rainy ary izy koa no maire voalohany tao Ankerika, ary rehefa nandray io fahefana maha maire azy io izy dia niala ny maha mpitandrina azy ary natolony an’i Mr Emile izay efa maty ka nosoloan’ny rahalahany amin’izao. 11 mianadahy ry Frera Jiva, ka sivy vavy ary roa lahy, izy no faralahy. Vita batemy tao Ankerika izy ny 29 mars 1975, nandray ny sakrametan’ny fankaherezana ny 19 jolay 1982.


Ireto avy ny toerana nandratovany fianarana : EPP Ankeriky, ADEFEJ Befandriana Nord, Saint Felix Befandriana Nord, SEVEMA Ambanja, grand seminaire philosophique Antsirabe, grand seminaire théologique UCM Ambatoroka Antananarivo.
Nony maty rainy tamin’ny 1985, dia ny anabaviny Razafindratsara Jeannine no nandray an-tanana ny fikarakarana ny fianarany. Tao anatin’izany koa no nisarika azy hanara-dia ny Tompo ary nandondona ny varavaran’ny frera capucins avy hatrany izy ary voaray ho seminarisita zandriny tao Befandriana Avaratra izy ny taona 1991 ka hatramin’ny 1995. Marihina fa tokony hiakatra tany Ambanja izy ny 1992, nefa notazomin’i P Henri noho ny fahatsorany. Ny taona 1995 – 1996 vao nalefa tao Ambanja.


Ireo dingam-piainana nodiaviny :

  • 1996 – 1997: nanao postulant tany Ivato Ambositra
  • 03 octobre 1997: nandray ny akanjo maha relijozy azy teto Ambendrana
  • 04 octobre 1998: nanao ny voady voalohany tetoAmbendrana
  • 05 juin 2005: nanao ny voady mandrakizaytao Ambohimalaza
  • 30 juillet 2007: nohasinina diakra tany Belo sur Tsiribihina
  • 21 septembre 2008: nohasinina pretra tao Nosy Be Hell Ville
  • 23 avril 2017, alahadin’ny famindram-pon’Andriamanitra, nody mandry

Ny toerana niasany :

  • 2007-2008: stage diaconal tao Befandriana Nord
  • 2008-2014: nitantana ny fanabeazana tao Ambanja
  • 2014 ka mandraka androany, nitantana ny trano eto Ambendrana.

Toetoetrany :
Hatry ny fahakeliny dia olona tsy mba tia sotasota izy fa kosa mpandrindra sy mandamina. Tehampijoro mandrakariva ny fahamarinana. Mahitsy amin’izay ataony, ary tsy mba mimpody lalana. Tsy hoe lavorary akory izy fa kosa mba niezaka.

Frera Jiva Lucien

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s