CUA-Antananarivo, 24/04/2017. Dinik’asa, ny Fitaterana (Taxi be) sy ny CUA.

.

CUA serasera. 24/04/2017.

Fivoriana niarahan’ny Fitaterana eto Antananarivo sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra
Nisy ny fivoriana izay niarahan’ny 61 Fitaterana andRenivohitra (taxi be) UCTU sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra izay notarihan’ny Talen’ny Fitaterana Raveloson Landy tao amin’ny Tranompokonolona Analakely ny Alatsinainy 24 aprily 2017. Ny votoatin’ny fihaonana dia ny hisian’ny “Cahier de charge” izay ho alefa any amin’ny tompon’ny Kaoperativa mba ahafahany manaraka antsakany sy andavany izay voasoaratra ao.

Hisy koa ny “fiche de Renseignement” izay hamantarana ny mombamomba ilay Kaoperativa rehetra mba hanamora ny fanisana azy ireo sy ny fampidirana azy ao anatin’ny Solosaina sy amin’ny alalan’ny fanaovana “contre visite”.
Nampahafantarina koa ireo Kaoperativa fa hisy ny tetikasa izay ataon’ny Kaominina Antananarivo amin’ny fiadiana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto andrenivohitra, toy ny “marquage au sol” eny amin’ny toerana tokony hijanonan’ny fiara indrindra ny taxi be mba ahafany miditra ao anatiny fa tsy hibahana ety ivelany izay miteraka fitohanana. Hisy koa ny fametrahana “plot “ eo amin’ny toerana tsy azo ijanonana. Tsy vitan’izany ihany fa eo koa ny fanaovana “panneaux de signalisation” izay hanentanana ny olona mahalala tanana ny fanaovana azy indrindra ireo Kaoperativa.


Nomarihan’ny Tale fa ny voalohany hoatao laharam-pahamehana amin’izany tetikasa izany dia ny etsy amin’ny RN2( Mahazo ,Rond point Ampasampito), RN7(Soanerana , Ankadimbahoaka), RN1 (Soamanatombo, Anosibe) izay tena ahitana fitohanana ,izay vao miditra amin’ny fanalefana ny “route principale”. Raha ny eto Analakely kosa dia ny “rue piétonne” no tena hohamafisina.

CUA Fivoriana Analakely2

CUA Fivoriana Analakely4

CUA Fivoriana Analakely3

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s