CUA-Antananarivo, 24/04/2017. Fivoriana: Kianja Ambohijatovo, Tany Antanimbarinandriana…

CUA Serasera b1

CUA serasera. 24/04/2017.

Noresahana nandritra ny Fivorian’ny Mpanolontsaina Monisipaly ny Alatsinainy 24 Aprily fa ny kianjan’ny Demokrasia Ambohijatovo dia mijanona amin’izay anarany izay ihany fa tsy misy ny eritreritra hanaovana tsena , hisy rahateo ny fikolokoloana sy ny fikojakojana ;Nanazava ny kaominina fa manome alalana izay te hampiasa ny kianja fa ny fanjakana mihitsy no misakana .

Tapaka tao amin’ny mpanolontsaina koa fa afaka anaovana hetsika kolontsaina ny kianjan’ Ambohijatovo.

Momba ny CSBII Andravohangy kosa dia tsy hihemotra intsony ny fiarahamiasa miaraka amin’ny mpiramiombonantoka satria efa madio ny toerana.
Mikasika ny Pilone sy ny Antenne maro samihafa eto Antananarivo dia efa vita ny fanisana ho an’ny boriborintany faha telo dia mbola hitohy eny amin’ny boriborintany hafa ny fanisana ,hojerena ny taxe izay tokony alohan’ny orinasa ireny.

Nasiana resaka ihany koa ny tany etsy Antanimbarinandriana fa miverina atao « Parking » izay tantanin’ny CUA ary efa nisy ny fanantsarana fa mbola misy fanamboarana kely ny « marcage au sol » Afaka tapa-bolana no afaka ampiasana ary afindra eo daholo ny mpivarotra fiara etsy Analakely.

Nodinihana tao ihany koa fa tsy mantsy omena toerana ny Easy Park hametrahana ireo fiara nosaziany satria efa tafiditra tamin’ny fifanarahina niarahana tamin’ny kaominina
Raha ny momba ilay tany etsy amin’ny zaridaina Antaninarenina kosa dia mbola any amin’ny fitsarana ny raharaha.

CUA Serasera b3

CUA Serasera b4

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s