Madagasikara (II).

Lagash carte

.

ambositra

Ivoloina Toamasina

Toamasina. Oct. 2013

Fenerive Janvier 2016

gasikarako

Madagasikara.

 

Gasikarako nosy tiako
Ilay anjarako sy niaviako
Tsy mba afaka ao antsaiko
Tsy misaraka ahy fa lalaiko

Ny tanimbary sy ny tany mena
Alaina antsary satry ho jerena
Ireo tanàna misy ireo havana
Mahatamàna fa mavamavana

Tsy mba miova ny ambanivohitra
Ireo lova ambenan’ireo sorohitra
Ireo tantsaha tsy mba sasatra
Eny andohasaha he filamatra

Ny tanandehibe sy ny fivoarany
Irony trano be sy ny fianarany
Ny lamba isalorany sy ny dihiny
Ny asa ifotorany sy ny hirahirany

Ny torapasika eny anivorano
Midadasika manganohano
Ny ala-boanio sy ny ravinala
Rivotra madio sy orampanala

Madagasikara

Christiane Ramian

9/02/2017.

Nitiah nosy Teny Gasy

Teny Gasy

 

Teny gasy mamy loatra,
Ilay nahaizana niarahaba
Sy nianarana nisaotra
Nipetsana nitabataba

Teny gasy lavalava
Miverindroa sy feno a
Kanefa toa indray ambava
Indrindra rehefa maika aho

Teny gasy maro loko
Mifankahazo foana ihany,
Valoambinifolo foko,
Miara-monina amin’ny tany

Teny gasy, tenindrazako,
Tsy hohadino velively,
Entiko sy tsy tambazako,
Na aty Andafy aza aely.

Teny gasy

@ Christiane Ramian

2 Juin 2016.

LALÀN’IZA NO MARINA?

 

Lalàn’iza no arahana?
Fa ny hita baranahiny
Fandroban’ireo henjana
Mandrava izay manembatsembana

Lalàna avy aiza no toavina?
Fa ny hita tsy azo lavina
Dia manjaka ny bontolo
Mandako ny hafa tanam-polo

Lalàn’inona no izy?
Sa hanangana krizy?
Sotasota etsy eroa
Ho an’iza moa ny tombontsoa?

Lalàna avy aiza no atoetra?
Fa ny tsapa dia amboletra
Horohoro izahay vahoaka
Ry jiolahy no ao mandoatra

Lalàn’iza ho’aho no marina?
Fa ny hadalany izao nitariny
Nanehoany ny herisetra…
Ambam-basy sy ny etsetra

Lalàna ahoana no lalàna?
Fa fanamparam-pahefana
No zakainay malagasy
Efa bokan-karavasy…

…Te hamaly ireo tsy rariny
Lalàn’iza ho’aho no marina?

NARY (Mamitiana Randrianarison).
09/09/2016

MATORIA IHANY E…

 

Matoria raha te hatory
Dia aza gaga ianao aoriana
Hoe tsisy ho anao intsony
Fa efa lasan-dreo vahiny
Ny tany rehetra rehetra

Milamìna raha milamina
Dia aza gaga raha robainy
Ka ianao no hitanotanona
Ny harenanao virainy
Izao lazainy f’efa an’azy

Mipetraha raha te hipetraka
aza ho gaga avy eo ianao
Raha hanaovany hetraketraka
Eto an-tanindrazanao
Very hasina sy jina

Mionòna raha hionona
aza ho gaga na talanjona
Fa ianao no sisa hitolona
Hiezaka ny andeha hanangona
Tarainanay ts’isisy mpihano

Mifalia raha afa-mifaly
Tohizo foana dia aza gaga
Raha hiova indray ny sary
Hoe ianao no hidradradra
Ny andavanandronay izao

NARY. Mamitiana Randrianarison.
13/08/2016

Dia niaraka gaigy hoe androdana jadona

 

Dia niaraka gaigy hoe androdana jadona
F’inona anefa no mba tena tanjona
Fitaka no hita, abobo sy hanjona
Ny vitan’i Dada no nahatalanjona

Navoaka ny lainga, nenti-miampanga
Notsaraina i Dada hamenoana ny banga
Kay fitsarana mahasolanga
Ity notatatataina fa hoe tena manga

Navoaka ny didy, narànga ny tady
Tsy maintsy gadraina iny fa tena bandy
Inona anefa fa hay tena vandy
Satria ny Notam no mba tena angady

Soketa sy tsaho no nafafy teto
Mba ho enti-manohitra ny tena betro
Tsy velona ny sasany raha tsy nanonona
Ny anaran’i Dada tsy maintsy voatonona

Namaky vavahady, nandrava birao,
Nanafika lapa fa hoe mpitondra vaovao,
Nohenoina izy rehetra dia hoe tsy te-hanandratsy
Kay lozabe ‘ty volondôranjy

13/03/2017.

Sandratra Razafindratsimba.

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s