« Meteza ho’aho anarina », Mamitiana Randrianarison (Mcm-Tanà).

Rajao Mamitiana

METEZA HO’AHO ANARINA

Ianareo anie efa tenenina
Ianareo efa anarina
Fa manao be marenina
Ny atao foana no itarina
indro izao nivarina
Any an-kady i Gasikara

Ianareo anie mody nandra
Sy mody fanina eo
Rehefa mivandravandra
Ny hagaigenareo…
Raha hendry aloha ekeo
Fa aotra ny asa vita

Ianareo anie tsy hay mihitsy
Raha niezaka tokoa
Fa ny hita dia olom-bitsy
Na akaikina filoha
No maro zava-tsoa
Tsy fantatra mazava

Ianareo tsy maintsy hahazo
Ary hahita fara faitra
Raha any mety ho lavo
Hizaka ny tsy laitra
Intsony tsy handaitra
Ny sikidy izay natoko

Ianareo anie mbola hianjera
Ka aza be kafara
Atomotra io ny « lera »
Toavy izay nambara
Angamba tsy dia tsara
Raha hisy indray sakoroka

NARY. Mamitiana Randrianarison.

28/04/2017.

Bekasy3

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s