« Andriamatoa Filoha », Nitiah Nosy.

.

Andriamatoa Filoha!

 

Ajanoko any mihitsy aloha,
‘lay hanihaniko hoe « Rajao »!
Ataoko Andriamatoa Filoha,
sao hiaino ihany ianao!

Andriamatoa Filoha!

‘Zaho tsy hanao kabary lava,
na hampiasa sasinteny!
Fa na dia notampenam-bava,
tsy sanatria halemilemy!

Nangatahanao porofo,
ny fahoriana iainanay;
dia ianareo manao barofo,
no minia mandatsa indray??
Ef’ aina maro no nafoy,
f’ireo DAHALO no manjaka!
Ny fahantrana koa manjohy,
ny ratsy izao no tompon-daka!

Ary ity no tena atambo,
ny kely ananay indray;
no nanaovana haza lambo,
lafo hatramin’ny taninay!
Ra’ mba nitsangana niaro,
« lakrimaozeny » no nipoaka!
Mpitondra izao no fahavalo;
minia mandrafy ny vahoaka!

Afera maizina, maloto,
no indro izao mibaribary;
tsy misy ‘zay tsy misafoto,
tsy misy zavatra manjary!
O! Randriamatoa filoha a!
Potika ‘lay Gasikara!
Sa mila ho porofoina koa?
Ho anareo ‘zay mody adala!

Lany haiky ny vahoaka e!
Mila efa tsy ho voatana;
dieny mbola tsy mitroatra,
« tairo » f’aza mihanahana!
Izao no izy Ra…Filoha a!
LEO ‘zahay no tena marina!
Mialà…. dia mibaboha!
F’ity ho « ratsy » ra’ hitarina!

Nitiah Nosy

14/04/2017.

.

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s