« Andevo maty kapoka isika Malagasy ? », Rivo Albert (Mcm-Tanà).

 andevo ny malagasy

.

Ho sanatria ve ka ho « andevo maty kapoka » isika Malagasy?

 

Mapametra-panontaniana ny maro mihitsy ny fihetsikiny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao. N’inona n’inona zava-miseho eto amin’ity firenena ity dia miraviravy tanana isika Malagasy, mitaza-potsiny manoloana ny fahapotehan’ny firenena sy ny fiaraha-monina, ny fidangan’ny vidim-piainana tsy misy fiafarany,…

Tsy misy firenena eto ambonin’ity tany ity ka misondrotra in-4 ny vidin-tsolika ao anatin’ny 5 volana kanefa ny vidin’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena tsy mitsahatra midina.

Ankehitriny dia milaza indray ny tale’ny jeneraly Jirama vaovao fa tsy maintsy hiakatra ny vidin-jiro sy rano afaka fotoana fohy. Rehefa mandinika ny tena dia isika vahoaka Malagasy izao mihitsy ilay ambaran’ny fomba fiteny hoe « andevo maty kapoka ka tsy mahalala mangirifiry intsony ».

Efa mafy loatra ny kapoka mahazo antsika Malagasy tao anatin’izay taona maro izay ka n’inona n’inona ataon’ny mpitondra, na inona fiakaran’ny vidim-piainana, na inona zavatra tsy manjary eto amin’ny firenena dia mitaza-potsiny sisa no ataontsika vahoaka.

Rivo albert, Mcm-Tanà.

.

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s