Tsy manambola ny Fanjakana. Depiote-Tsimbazaza.


TSY MANAM-BOLA HOE NY FANJAKANA ?

Hatreto, tsy nisy Masoivoho Malagasy renay notendrena, raha omaly hoe no « mety ho nanaovana » izany …
… efa tany amin’ny volana marsa 2015 aza.

Raha ny fanazavàna azo dia « tsy manambola ny fitondrana », na resaka Masoivoho, na resaka Vatsimpianarana, na resaka Angovo (mbola hitady 3 tapitrisa dolara), …

Tsy hain’ny Mpitondra fa « manakorontana » saim-bahoaka ny FOLO MILIARA DOLARA AZO tany PARIS … mbola nampiana ENINA HAFA tany amin’ny COMESA.

Mbà mihenjàna re amin’ny tena mpanakorontana !

Jean-Luce Randriamihoatra. 18/05/2017.

Antenimieram-pirenena Depiote mpisolelaka 16 nahazo 4X4

18/05/2017

Milaza ho tsy manam-bola lava izao ny fitondram-panjakana Malagasy raha nisy ny resaka tokony hanomezana fiara 4 x 4 na fiara tsy mataho-dalana ho an’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara amin’izao Repoblika faha-4 izao.

Hay ve rehefa ho fiarovan-tseza tsy hanozongozona ny “Motions” isan-karazany toy ny “motion de censure” sy “motion d’empêchement” dia nipotsaka tampoka ravola e ! Nomena 4 x 4 raitra, ohatra, ireo depiote mpisolelaka sy mpanohana ny fitondrana vitsivitsy ary nitondra izany niditra tao amin’ny parking ao Tsimbazaza.

Ny loharanom-baovao avy eny amin’ny lapan’ny amin’ny lapan’ny antenimieram-pirenena no nahafantarana fa miisa 16 ireo depiote nahazo fiara 4X4 ireo ka anisan’izany ohatra ny depiote iray avy ao amin’ny Boriborintany faha-6 Antananarivo renivohitra, ny depiote iray avy any Manakara, ny depiote avy any Betroka, ny depiote avy any Beroroha, ny depiote avy ny Miarinarivo sy ny depiote iray avy eny Avaradrano.  Mody nolazaina fa alaina ary atao “traite”, izany hoe aloa tsikelikely ireo fiara ireo nefa azo antoka fa fanambatambazana fotsiny tsotra izao. Asa indray moa izay fialana bala na farovan-tena hataon’ireto depiote mpisolelaka ireto fa efa manomboka mazava aloha ny resaka izao. Mandeha tsimoramora ny fanambatambazana sy ny tolotolotra, avy eo misosa fotsiny ny volavolan-dalàna atolotry ny governemanta holaniana eny amin’ny antenimiera. Tsy antenimiera intsony kosa izany fa an-teni-midina e !

Rabri. TiaTanindrazana.

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Cet article a été publié dans Non classé. Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire