« Dada sy Neny », Nitiah Nosy.

 

DADA sy NENY.

 

Nahoana moa no tsy harindrako ka tsy ataoko an-tononkalo?
Na sanatria tsy horesahako fa avelako handalo?
Angamba mety tsy ho ampy ny teny harafitra hilazana,
fa fitiavana hafa loatra ary tsy haiko ampitahana.

Nitaiza sy nanolokolo, nitantana ahy fahazaza,
nikolokolo nanabe, nanolotra ahy izay sahaza!
Ny rofy sy ny alahelo nisinda tam-pofoan’i Neny,
ny olan-tsarotra indrindra, Dada teo nandrava ireny!

Tsy nitaraina tana-miepaka, niaritra ny mafy indrisy,
nisedra ady mahamay, namorona aza ra’ tsy nisy.
K’izay rehetra fahombiazana: dia herim-ponareo ireny,
tsy ambakan’ny olona aho, dia noho i Dada sy i Neny.

Ny di-dohan’ny hatanorako, nety nahavaky fo,
ivalozako eto izao, fa nanenenako avokoa!
Honerako avo zato heny, ny ranomasonao ry Neny,
Mantsy tsapa ankehitriny hay “hazo fijaliana” ireny!

Fa raha ny soa nataonareo no tanisaiko sy teneniko:
tsy ampy voambolana aho; ary ho ritra hatramin’ny peniko!
Ny hasarobidin’izy ireny, tsy ho voavaly na oviana,
f’eto aho hanolokolo, ary ho tehina aoriana!

Nitiah Nosy – Poeta. 20/05/2017.

.

Sary nindramina – Raparivo (1997).

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s