« Hafatra », Mamitiana Randrianarison (Mcm-Tanà).

Mamitiana a1

HAFATRA

 

rehefa ianao io, mahita ny tsy rariny
kanefa tsy mijoro
dia aza gaga loatra raha toa koa midororo
ny mombamomba anao

rehefa ianao io, manan-tsosokevitra
kanefa tsy miteny
dia miala tsiny indrindra, aza manantena
hoe hisy hitsinjo anao

rehefa ianao io, manana enti-miady
kanefa kamo hisasatra
fohano an-tsainao ny andeha hitaky lafatra
hampetimpety anao

rehefa ianao io, manana ny andraikitra
kanefa mialangalana
kabarinao reneso, f’angamba efa mivalana
ny ambeti-kafatrao

rehefa ianao io, gasy tompon-tany
no leo tsy te hitràka
dia aza mimenomenona, vazaha no hahazo laka
hisongona anao…

rehefa ianao io, izay manam-pahefana
no tia misetrasetra
aza dia sendaotra, tsy hahita maso hitsetra
anao raha miongana eo

NARY. Mamitiana Randrianarison

09/05/2017

Mamitiana a2

Mamitiana Randrianarison

 

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s