Raharaha tsy mazava : Ny Fitondrana sy Rtoa Claudine Razaimamonjy, SMM, Bianco, Kolikoly… 24/05/2017. Kolo TV.

« Mamasaosy » n’ira pas à Antanimora, on s’achemine plutôt vers une longue maladie

Puisque le délai maximum de 45 jours d’hospitalisation a expiré, le sort de Claudine Razaimamonjy est désormais entre les mains d’une commission spéciale. Une commission qui sera visiblement présidée par le Pr. Olivat Rakoto Alson, directeur de l’HJRA ! D’après les indiscrétions, on s’achemine vers une hospitalisation de longue durée, 6 mois renouvelable ! On n’en dira pas plus, mais force est d’admettre que l’opinion publique est vraiment écœurée par la saga « Tatie Clô ». Claudine Razaimamaonjy est tout de même accusée de détournement de deniers publics, mais elle ne connaîtra pas la prison !

Adin’ny SMM sy ny governemanta Nandamin-dresaka ny praiminisitra

20/05/2017. GTiaTanindrazana.

Niteraka tsy fifankahazoana lalina teo amin’ny fitsarana sy ny governemanta ny fanambarana nataon’ny praiminisitra,

izay voalaza fa mihantsy sy mamaky ady tamin’ny mpitsara tamin’ny resaka hoe hanenjehana ara-pitsarana ny filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) Faniry Ernaivo noho ny resaka fanararaotam-pahefana nandritra ny fitsidihana tampoka nataon’ity tompon’andraikitra ity. Tsiahivina fa namaly bontana izany ny SMM ary nandefa fanambarana manameloka ny fitsabatsahan’ny Governemanta amin’ny fitsarana ary mitaky ny hamelana azy ireo halalaka amin’ny asany. Tsy  niresaka ny fitsarana manokana ny tenako fa ny resaka lavanila no tena nohamafisina fa tsy handefitra ny fanjakana amin’ireo tompon’andraiki-panjakana tafiditra ao anatin’ny raharaha halatra lavanila, izay miteraka korontana sy fitsaram-bahoaka, hoy ny praiminisitra omaly. Tsy misy hifandraisany amin’ny raharaha Claudine ihany koa ny zavatra noteneniko ary haveriko foana fa havela hanao ny asany ny fitsarana, hoy izy. Nilaza anefa izy fa tokony hanaja ny lalàna fa tsy hampihatra ny lalàna amin’izay maha mety ny tsirairay. Nambarany fa tsy midika ho famakiana ady amin’ny Sendikan’ny Mpitsara (SMM) ny fanambarana nataony nandritra ny filankevitry ny governemanta. Nohamafisina tamin’ny alalan’ny fampitam-baovao ofisialy, izay nosoniavin’ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana mihitsy izao.

Toky R

Filohan’ny SMM Hogadraina fa manelingelina ?

19/05/2017. GTiaTanindrazana.

Namoaka fanambarana ny Birao mpitantana ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) omaly.

Nivoitra tao fa mitovy ny rehetra eo anatrehan’ny lalàna. Manameloka tanteraka ny fanembantsembanana ny mpitsara amin’ny asany, indrindra fa amin’ny raharaha Claudine Razaimamonjy izy ireo. Notsiahivin’izy ireo fa ny fanjakana no efa nanao fanambarana ofisialy fa tsy raharaham-panjakana io fa raharaha tsotra, saingy iaraha-mahita ny fitsabatsabahan’ny mpitondra. Nanome baiko ho an’ny mpikamban’ny governemanta handray fepetra hentitra manoloana ny fanakorontanana na inona na inona toerana sy andraikitry ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier.

Mitsimbadika ny rasa ankehitriny ka ny mpitsara ambony, dia ny filohan’ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM) Faniry Ernaivo, indray no voalaza fa mety hohenjehina ara-pitsarana noho izy manao fanamparam-pahefana tamin’ny fitsirihana tampoka nataony teny amin’ny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha ny alatsinainy 15 mey lasa teo, mba ho fanamarihana na eny an-toerana na tsia i Claudine Razaimamonjy. Nanana taratasy ara-dalàna avy amin’ny Tonian’ny fampanoavana ambony anefa ity mpitsara ambony ity, raha ny fanambarana nataony saingy asa fanakorontanana no handraisan’ny praiminisitra ny fihetsiny amin’izao fotoana izao. Inona no tsy hanatanterahana ny didy fampidirana am-ponja vonjimaika amin’izay tsy mifampitsabaka andraikitra ary avela malalaka ny fitsarana dia samy miandry am-pahendrena ny rehetra ? Any amin’ny fahefana mpanatanteraka no misy ny lehiben’ny governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier.

Tsikaritra ho efa tsy mahatombin-tsiraka sy mitady hanitsaka andraikitra any amin’ny fahefam-pitsarana amin’ny hanaovana tsindry amin’ny fanafahana an’i Claudine Razaimamonjy sy handentehana ireo mianakendry amin’ny fikitikitihana io mpanolotsain’ny filoha io. Raha mandeha ny fanadihadiana sy fikarohana ny marina momba ny raharaha Claudine Razaimamonjy, dia ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier no voasoketa voalohany ho mpiray tsikombakomba aminy tamin’ny fanomezana tsenam-panjakana azy, ka izay no mampiaka-pofona azy io. Mbola namerina ny fitoriana azy momba izany indray ny Dinika Fanavotam-Pirenena (DFP) afak’omaly.

Voabaikony tokoa ve ny fitsarana, ka izay no tsy maha misy tohiny ireny fitoriana ireny ? Efa romotra tanteraka amin’ny filohan’ny SMM, Faniry Ernaivo ihany koa ny minisitry ny fambolena sy ny fiompiana Rivo Rakotovao ankehitriny, ka andrasana izay hambaran’ny HVM ato ho ato. Efa nisy mihitsy ny resaka fandrahonana ho faty voalaza fa nataon’ny loholona Riana Andriamandavy VII tany anaty tambajotra fesiboky, ka nitorian’ny Filohan’ny SMM azy, ary efa tonga any amin’ny zandarimaria ny taratasin’ady, saingy tsy nisy tohiny intsony.

Toky R

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s