« Sambory », Mamitiana Randrianarison (Mcm-Tanà).

SAMBORY

 

Sambory…sambory
Sambory izay miteny
Sambory izay manelina
Ny fiainam-pirenena…
Ireo tsy mankatelina
Tambazo indray harena

Sambory…sambory
Ireo miketrika hanongana
Sokiro dia fotory…
Aza asiana iray miangana,
Fongory…fongory
Fa fanetriben’ny tany

Lalaovy…lalaovy
Ataovy mihitsy ataovy
Izarao mofo, lamba
Sitrany isam-bato
Fahano ireo fa jamba
Sy vidiana « ariary zato »

Somparo…somparo
Mody mba anamboaro
Rindrina mitafo,
Ilay amy ilay tsy lafo
Atao kinetaneta…
Ny miliara maro!?

Kôpy ny rehetra…

Tadiavo…tadiavo
Ireo izay hifaninana…
Poteho ny sisa ananany
Enjeho izay hoe taranany
Tsinio ny rehetra ataony
Vangoy, ataovy laony

Sambory ho’aho sambory
Rehefa leo ny miaina
Aza miasa saina…
Fa gadrao…enjeho
Izay miseho mitsangana
Poteho…poteho

Karohy…karohy
Na antoko…Na vondrona
Tsy avelantsika hisongona
Ravàna…ravàna
Ary asiana fandraràna
Ireo izay miana-manakiana

Ka izay manorisory!
Izao…izao ho’aho…
izao dia efa sambory

NARY
mai 2017

#sary_nindramina

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s