« Tonelina Ambanidia-Tsaho ». Mcm.

Ny tsaho sy lainga.

 

Satria be loatra ve ny olàna mianjady aminy tsirairay ankehitriny, dia mora andairan’ireo « tsaho » sy « lainga » isan-karazany… izaho sy ianao ?  Mitaintaina lava noho ny tsy fandriampahalemana, ny vidim-piainana tsy araka intsony, ny vola manahirana na tsy misy, ny aretina sy ny alahelo etsy andaniny. Eo koa ny politika maloto (kolikoly), sns… tsy ho voatanisa.

Sao ary  mila mandini-tena daholo. Ny mpanoratra mba hisaina sao hidiran-doza ka higadra fahatany. Ny mpamaky mba… miheritreritra sy mamakafaka  fa tsy izao vaovao mivoaka rehetra izao dia ho marina daholo. Ny « tsaho » angé toin’ireny « lainga » afafin’ireo be resaka ihany e : « Ataoko mora ny saran-dalana, ny vidim-bary sy ny menaka ary ny mofo koa dia ampidiniko daholo, ho foanako izao sy izao… dia aiza isika amin’izao fotoana ? Tokony ho gadraina koa ve ireny mpanao politika ireny satria nanely vaovao tsy tafita, tsy marina. Ny « vava » no tsaraina eto fa tsy… ny doro sy ny famonoan’olona.

Ilay « Tsaho-Ambanidia » dia « hatsikana » ihany, saingy niteraka fikorontanana taminy rehetra, satria ny daholo be no tsy mandry saina intsony. Sahirana. Mora torovana. Tsy sambatra .   MCM.

Raharaha tonelina Ambanidia Nokorontanin’ny facebook Antananarivo

24/05/2017

Nikoropaka ny ankamaroan’ny mponina teto Antananarivo omaly nanomboka tamin’ny 12 ora sy sasany antoandro noho ny resaka niely tany anaty tambajotra sosialy “facebook” fa nirodana ny tonelina Ambanidia, ka olona 80 no maty.

Ho an’ny teny amin’ny manodidina dia marobe ireo olona nanatona ity toerana ity. Ireo mpitondra fiara nandalo teo an-toerana moa dia samy nihorohoro sy natahotra avokoa, ary nisy mihitsy ny tsy nety nandalo teny, ka niteraka fitohanana lavareny teny Ambohijatovo sy Analakely. Raikitra ny antso an-tariby isan-karazany. Maro no nitaintaina sao mba misy fianakaviana na namana aman-tsakaiza sendra ilay loza ka maty na naratra. Niely hatrany amin’ny faritany mihitsy ity tsaho ity. Hatramin’ny minisitry ny asa vaventy Eric Razafimandimby aza dia tonga teny an-toerana nanamarina ny zava-misy sy nijery ifotony ny fotondrafitrasa. Nambaran’io tompon’andraikitra io fa horohorontany na rano be mikoriana any anatiny na ny vesatry ny fotodrafitrasa eo amboniny no mety hampirodana azy. Tsy misy atahorana fa azo antoka tsara ny fotodrafitrasa amin’izao fotoana izao.

Hatao hazalambo

Omaly ihany dia namoaka fanambarana nandiso iny tsaho niteraka resa-be iny ny zandarimariam-pirenena ka niantso ny vahoaka ho tony ka hanohy am-pilaminana ny fiainany andavanandro toy ny mahazatra. Sokajiana ho heloka sy fandikan-dalàna any anaty tranokalam-pifandraisana na “Cybercriminalité” ny fanelezana vaovao tsy marina tahaka izao.

Azo heverina ho asa fampihorohoroana sy fanakorontanana ny filaminam-bahoaka ihany koa, ka inoana fa tsy hoe ela dia voasambotra ny tompon’antoka. Raha ny resaka an-tariby nifanaovana tamin’ny mpitandro ny filaminana dia efa eo am-panaovana fanadihadiana mikasika ity fanelezana tsaho ity izy ireo amin’izao fotoana. Ho avy ny hazalambo. Maro amin’ireo mpikirakira ny “internet” sy ny “facebook” no mihevitra fa tsy ho tratra saingy tsy sarotra intsony ny mamantatra ny olona niaingan’ny hafatra mitory fandikan-dalàna toy izao noho ny fandrosoan’ny teknolojia.

Toky R. TiaTanindrazana.

Rajao Tsaho

Demokrasia Rajao

Vendre « Air Force One II » afin de le transformer en nourritures pour tous les Malgaches. La bonne blague.

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s