CUA-Antananarivo, 30/05/2017. Analakely (esplanade). Fandaminana, amidy amin’ny karana hono ! Arp Helisoa, GValosoa, Mcm-Tanà.

Arp Helisoa. 30/05/2017.

Tsy misy mivarotra tany amin’ny karana izany ny ben’ny tanana Lalao Ravalomanana.

Efa misy ny fandaminana hoy ny avy ao amin’ny CUA. Efa omena toerana hivarotana ny mpivarotra. ka izay minia mikipy tsy manaraka ny fandaminana dia ho raofina ny entan’izy ireo. www.gvalosoa.com, Gazety Valosoa Rakoto.

.

Fandaminana

CUA serasera

FANDAMINANA NY TSENA ANALAKELY
Nanatanteraka fandaminana ireo mpivarotra amoron-dalana teny anoloanan’ny Esplanade Analakely ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny Talata faha 30 May 2017.
Nambaran’Andriamatoa Lehiben’ny Tsena Analakely fa nafindra teo alohan’ny esplanade Analakely ireo mpivarotra 320 teo amin’ny lalana anelanelan’ny Pavillon Analakely, ny antony dia ny hamelomana indray ny lalana ho an’ny fiarakodia. Efa hatramin’ny alina no namaritan’izy ireo ny toerana izay tokony hivarotana sy ny lalana ho an’ny mpandeha tongotra.

Araka ny nambaran’ity tompon’andraikitra ity hatrany dia hisy ny antsoina hoe Stande metalique izay hapetraka eny amin’ity faritra ity mba ahafahan’ireo mpivarotra mivarotra ara-dalàna tsy hihoatra any ivelany. Marihana fa ireo mpivarotra 320 izay nanaiky ny fandaminana sy efa nisoratra anarana teto anivon’ny Kaominana no voakasika tamin’ny fandaminana sy nomena toerana.
Tetsy andaniny kosa dia nilaza ireo mpivarotra fa manaiky ny fandaminana izay ataon’ny Kaominina, Toy ny zanaka sy Ray aman-dReny izahay sy ny Kaominina hoy ireo Mpivarotra ka raha misy ny fandaminana dia manaiky hatrany izy ireo.

Fanalabehazina sary : Tsindrio.

Analakely Fandaminana5

Analakely Fandaminana8

Analakely Fandaminana9

.

29 mai 2017 – Analakely: « MIALA NENY » hono

.

Analakely esplanade2

Arp Helisoa.29/05/2017.

 

Manadio ny Esplanady Analakely manala ny mpivarotra amorondalana ny CUA dia misy indray ny mamorondainga fa amidy amin’ny karana hono! O re olona a! tsy ho diovina ve izany ny tanana fa avela ho gaboraraka eo? Valiny.
Tsy maintsy diovina ny tanana. fa ny lainga mba hatsaharo fa tsy misy tombontsoa ho anao izany e
.
Analakely esplanade
.

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s