« Atsangano ny saina fa… », Nitiah Nosy.

Atsangako ny saina fa….

 

Atsangako ny saina,
fa ataoko malahelo,
porofo fa i Gasikara :
tsy salama fa mañelo.
Zary nandamoaka mantsy,
ilay tolom-panafahana!
Endri-baovao izao,
no isehoan’ny fanjanahana!

Atsangako ny saina,
nefa ho tsindriko kosa,
fa ny fiainam-pireneko,
no efa eo ambava loza!
Tsy an-dohalika intsony,
f’an-katoka ny ranom-bary.
Vahoaka maro, sesehena,
no hita fa tsy zarizary!

Atsangako ny saina,
saingy “ saina mitomany”,
tsy hirentirenty izy,
fa ho ery ambanimbany!
Hanehoana ny tsy rariny,
hafitsoky ny olom-bitsy,
sahy manosihosy ny hasiny,
ary tena tsy mitsitsy!

Atsangako ny saina,
fa “saina mitampifimpify”,
manongo tena, mieriery,
tena menamenatr’izy!
Malagasy ihany mantsy,
no minia manisy ratsy,
fanetriben’ny firenena,
mampikorosy fahan’azy!

Atsangako ny saina:
“saina miondrika, misaona”,
fa ny tolona natao:
hatramin’izao zava-poana!
Asa angamba rahoviana,
vao hiarin-doha hiakatra?
« Saina sahy hirehareha » :
ho an’i Madagasikara afaka?

Nitiah Nosy. Nitiah Nosy – Poeta

02/06/2017.

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s