CUA-Antananarivo, Lalana Petite vitesse, 06/06/2017. Fandaminana. Arp Helisoa, Mcm-Tanà.

Arp Helisoa. 6/06/2017.

 Petite Vitesse. mampijaly ny mpampiasa lalana ny fikorontanana misy eny antoerana . Nanapankevitra ny CUA fa tsy maintsy halamina ny fifamoivoizana . Atao laharandroa ny lalana mandalo ao amin’ny petite vitesse mivoaka ny cotona mba tsy hitohanan’ny fiarakodia ary tohizana hatreny Ampefiloha. Tsy misy ny arrêt bus intsony amin’iny lalana iny fa any ami BMH vao misy arrêt Eny amin’ny trottoir ny mpandeha antongotra. ny mpivarotra miditra ao anaty tsena.

CUA serasera. 6/06/2017.

LALANA RAINIBETSIMISARAKA (Petite Vitesse)

FANDAMINANA NY FIFAMOIVOIZANA
Manomboka ny andron’ny Talata faha 06 Jiona dia zaraina roa ny làlana Rainibetsimisaraka (Petite Vitesse), ny ilany havanana dia mivantana any Isotry ary ny ilany avia kosa dia mihazo anyTsaralalana. Izany no natao dia mba ho fandaminana ny fifamoivoizana araka ny nambaran’Andriamatoa RAZAFIMAHEFA Heriniaina Sekretera Jeneraly ny Fiadidiana ny Tananan’Antananarivo Renivohitra hoe : « anisan’ny toerana tena misy ny embouteillage eny amin’ny Petite Vitesse, ka noho izany dia nanatanteraka izao fandaminana izao ny Kaominina : zaraina roa ny lalana , tsy hasiana intsony ny fiantsonan’ny fiara eny amin’ny Petite Vitesse – COTONA fa hafindra manoloana ny Polisy 4ème Arrondissement, ary hisy ny vato be izay hanasaraka ny lalana mba hanamora ny fikorinan’ny fifamoivoizana, hisy ihany koa ny Parking eny amin’ny ilany avia ny lalana ».


Mba hahafahana manatanteraka an-tsakany sy an-davany izany vinan’asa izany dia hisy ny Polisy Monisipaly izay handamina ny fifamoivoizana, efa misy ihany koa ny «marquage au sol» mba ho fanampiana ireo mpitondra fiara sy mpitatitra. Ireo mpivarotra izay milatsaka anaty arabe kosa dia miezaka hatrany ny Fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra ny mba hifehezana azy ireo satria ny arabe dia ho an’ny fiarakodia, ny « trottoir » ho an’ny mpandeha tongotra ary ny tsena dia ho an’ny mpivarotra.

Mbola malalaka ny tsena Fihavanana – Petite Vitesse ho an’ireo mpivarotra amoron-dàlana hoy hatrany ny tompon’andraikitra ny Kaominina.
Tsy hijanona hatreo ny fandaminana ny Renivohitr’ i Madagasikara araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny fiadidiana ny tananan’Antananarivo fa hitohy hatrany satria « Antananarivo madio sy milamina » no tanjona.

.

CUA Pte vitesse1

CUA Pte vitesse2

CUA Pte vitesse3

CUA Pte vitesse5

CUA Pte vitesse7

CUA Pte vitesse8

CUA Pte vitesse6

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s