Hetraketraka. Vahiny iray aza tsy voafehy (Toamasina, Antananarivo).

 

 

Fanaovana an-keriny fananan’olona tao Toamasina Niakatra eto Antananarivo indray ilay teratany vahiny

06/06/2017

Tantara tsy misy fiafarany hatreto ny mahakasika ilay teratany vahiny mpietraketraka ao Toamasina.

Raha ny loharanom-baovao azo avy any an-toerana, taorian’ilay fihetsiketsehana goavana nataon’ity rangahy ity tao amin’ny hopitaly dia nambara sy naseho tamin’ny haino aman-jery fa marary sy mila fitsaboana goavana izy. Ora vitsy monja taorian’izay anefa dia nivoaka an’ilay toeram-pitsaboana izy ary hitan’ny olona nivezivezy teny an-dalamben’i Toamasina ary mbola nanohy ny fandrahonana sy fampihorohoroana ireo vahoaka fanaony ihany izy sy ireo zanany.

Andro vitsy anefa izay, mba hialany amin’ny fampiantsoana azy eny anivon’ny mpitsara mpanao famotorana, dia niala tao Toamasina izy nihazo an’Antananarivo satria aty, hono, no misy ireo fitaovana azo antoka ahafahana mitsabo azy. Ny mahavariana, hoy ihany ny loharanom-baovao azo,  tamin’ny alalan’ny fiara no niakarany teto an-drenivohitra na dia nambara aza fa olona tena marary mafy sy mila fitsaboana malaky izy. Hatreto dia miaina toy ny olona salama sy tsy manana raharaha mahasaringotra azy ny tenany.

Hita ao amina hotely lehibe iray ao Tsaralalana izy ary ny mahagaga dia misy tompon’andraikitra sy manampahefana ambony mihaona aminy matetika ao. Manaitra ny sain’ireo sampandraharaha misahana ny fanaovana fanadihadiana sy famotorana ireo olona niharan’ny hetraketraka nataon’ity karana ity fa mijaly ary sahiran-tsaina ry zareo. Itony ilay ambara, fa olona « intouchable » miaraka amina tompon’andraikitra ambony.

Mbola mametraka ny fitokisany amin’ny BIANCO, SMM izay miteny fa hanaraka akaiky ny raharaha ireto olona any Toamasina ireto.

Rabri. TiaTanindrazana

Vahiny mpisetrasetra vahoaka ao Toamasina Voasambotra ihany ny farany

23/05/2017

Nosamborin’ny mpitandro ny filaminana omaly alatsinainy tolakandro ilay teratany frantsay mpisetrasetra sy mpampihorohoro ao an-tanànan’i Toamasina.

Velon-tsento sy afa-pahasahiranana ireo olona nataon’ity vahiny ity tsindry hazo lena sy nanamparany ny maha olona tsy refesi-mandidy azy tao anatin’ny taona vitsivitsy izay ka nanome fisaorana an’ireo tompon’andraikitry ny mpitandro ny filaminana isan-tokony. Nahatsapa ny maha zava-dehibe ny soatoavina Malagasy izay nataon’ity vahiny ity tsinontsinona  hatramin’izay ireo mpitandro ny filaminana nanao ny fisamborana, hoy izy ireo. Mbola andrasan’ny mponin’i Toamasina ny hiakaran’ny raharaha tsy ho ela  eny anivon’ny fitsarana, ka irariana ny hahazoany sazy henjana manoloana ny fandrobana fananan’olona, fikasihan-tanana, fanindriana ho mahitahita ary fanaovana tsinontsinona ny mpitandro ny filaminana.

Marihana fa ny hetsika mamoafady farany vitan’ity teratany vahiny ity izao dia ny  fandratrana olona mpanao asa sosialy ny zoma lasa teo izay noheveriny fa tokony ho izy no hitarika ny fikambanan’ny mpanao asa soa kanefa hiarahan’ireo mpiray fikambanana, fa tsy sahaza azy io toerana io noho ny laza ratsy ataony. Dia ho sanatria hisy be lamosina sahy hiaro an’ity olona ity indray ve  eo anatrehan’izany ? Fantatra hatreto fa  efa miditra manohy ny asa ratsin-drainy koa ireo zanany mirahalahy ankehitriny.

Ntsoavina Evariste. TiaTanindrazana.

justice_corruption

Didim-pitsarana ?

.

Tsy fanekena didim-pitsarana Misy senatera mandrahona mpitsara indray

06/06/2017

Lasa lamaody ny fanoherana didim-pitsarana amin’izao fotoana izao. Ny olona tokony ho fitaratry ny fiarahamonina mihitsy no toa zary mpanome leson-dratsy.

Taorian’ny loholona Riana Andriamandavy VII nitarika andian’olona hikomy sy nitaky ny hamoahana an’i Claudine Razaimamonjy dia loholona hafa indray voafidy tany Ampanihy no tsy nanaiky hampidirana am-ponja vonjimaika ny ben’ny tanàna iray fa olony, hono. Vatrany ny nitondra andian’olona nanoloana ny lapam-pitsarana nandrahona ny mpitsara namoaka didim-pitsarana. Resaka fanararaotam-pahefana sy fitakiana vola aman’olona no hanenjehan’ny fitsarana ilay ben’ny tanàna, araka ny fantatra. Samy mijoro hanohitra didim-pitsarana ankehitriny rehefa manana fahefana sy fitaovam-piadiana sy ny mpanam-bola raha dinihina amin’ny zava-misy ankehitriny. Ny fitsarana eto amintsika mihitsy ve no efa malemy sa porofon’ny tsy fananana fiandrianana intsony tokoa ?

Voahitsakitsaka ny hasin’ny fitsarana amin’ny alalan’ny fanohintohinana isan-karazany, indrindra ny tsy fankasitrahana didim-pitsarana maromaro tato anatin’ny herinandro. Vao andro vitsy izay ny mpandraharaha ny fonja 3 lahy no nohelohina higadra 2 taona an-tranomaizina saingy raikitra ny fanoherana niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana. Ny tany Toamasina dia nandrahona ny tsy hanatanteraka didim-pitsarana ny zandarimaria raha tsy mifanaraka amin’ny eritreriny izay didy mivoaka. Ilay ramatoa malaza tamin’ny kolikoly tokony ho eny Antanimora moa dia efa 60 andro mahery izay no nikipiana sy tsy noraharahiana ny resaka famonjana vonjimaika. Mety hisy politika avo lenta hamotehana ny sendikan’ny mpitsara (SMM), izay mampiaka-peo matetika manoloana ireo raharaha mafana eto amin’ny firenena izao toe-javatra izao, ka hatao izay hanaovana tambabe azy ireo sy hampiadiana azy amin’ny rafitra isan-karazany mba hampalemy azy sy tsy hananany fahefana feno manoloana ireo raharaha maloto eto amin’ny firenena.

Toky R. TiaTanindrazana.

Resaka no betsaka.

.

Didim-pitsarana Tsy maintsy tanterahana, hoy ny lehiben’ny zandary

03/06/2017

Manoloana ny vaovao niely izay nanambara fa manomboko mihoa-pefy ka tsy manaraka ny voalazan’ny didim-pitsarana intsony ny tomponandraikitra sasantsasany eo anivon’ny zandarimaria dia nanambara izy ireo omaly,

tetsy amin’ny toby Ratsimandrava etsy Andrefan’Ambohijanahary fa mandiso izany filazana izany. Misy lalàna, hoy ny jeneraly Jean Christophe Andrianalimanana, lefitra voalohan’ny komandin’ny zandarimariam-pirenena, ny fanatanterahana ireny baikom-pitsarana ireny ary manamafy aho fa tsy maintsy tanterahana an-tsakany sy an-davany izany. Ny fehezan-dalàna paikady heloka Malagasy (andalana faha 132 sy 133) hoy ny jeneraly Mosesy Andrianarimanana, talen’ny polisim-pitsarana eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, dia milaza fa manatanteraka ny asany eo ambany fiahian’ny prokeroran’ny repoblika sy ny prokerora jeneralin’ny repoblika ny zandarimaria. Manome toromarika izahay, noho izany, hoy izy ireo, mba hanatanterahan’ny rehetra ny lalàna satria sady ao anaty fianianana izany.

Mirija. TiaTanindrazana

Impunité

.
Manjaka hatrany ny kolikoly … VVV.

Les « 3 V » : VOLA, VODY, VONINAHITRA, de 2009 à ce jour.Jao Andriafanjava .

 

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s