Kidnapping-Karana, Behoririka. Rangorindralesoka Zanakandriana.

Kidnapping: Pradeep Chandarana kidnappé à Behoririka

Tôt ce matin vers 8h, 2 gars armés de Kalachnikov ont barré la route de la voiture qui doit ramener à l’école le jeune fils du propriétaire du grand Hotel Mellis Analakely à Behoririka.

Ils ont confisqué la clé de la voiture et reparti de sitôt avec leur moto cross, en mettant les jeune au milieu en triple monte.

Bienvenu à Bogota, à peine hier le fils du SMTP, Yanish Ismaël libéré et déjà l’impunité est au grand jour sans que les dirigeants fassent des efforts pour éradiquer ce fléau puant.

www.sobikamada.com
Copyright © SobikaMada.com

Raharimanana Patrick. 706/2017.

Behoririka: Fakana an-keriny zanaka Karana

 

Vao maraina raha andeha aterina hianatra ity zanaka Karana tompona hotely lehibe etsy Analakely, no nisy moto cross nibahana ny fiara nitondra azy, niaraka tamin’ny basy kalaky.
Nalain’iretsy ankeriny tao anaty fiara ity tanora vao 20 taona ity, nalainy ihany koa ny lakilen’ny fiara mba tsy ahafahan’ireto farany hanenjika azy.
Tonga dia taingin-telo afovoany tamin’ilay moto ilay zanaka karana.

Hatreto dia resabe no avalin’ny mpitondra, raha vao ny alatsinainy teo no votsotra ilay zanaka karana tompon’ny La City, tsy misy fandraisana andraikitra ny mpitondra. Ny tompon’andraikitry ny polisy aza dia sahy manao filazana ampahabemaso fa tamin’ny gazety no nahitany fa votsotra ilay zanaka karana. Atao inona izany ny sampam-pitsikolovana sy ireo mpanao fanadiadiana? Ny mpanao gazety indray ve no mahita vaovao lavitra noho ny polisy? Ka tsy aleo foanana.

Hoy ny tanora hoe sady tsy hihira no tsy hanao tsianjery?

www.sobikamada.com

Madagasikara, lasa afobe hoan’ny teratany karàna?

Rehefa niadana teto Madagasikara hatramin’ny fanjanahantany ny karàna dia mihorohoro izy ireo ankehitrio noho ny « kidnapping ».

Nanomboka ny taona 2009 no nihamaro ny « kidnapping » karàna. Satria angamba ny taona 2009 no nieboebo ho nanambola ny karàna sasany ka nahavita namatsy arabola ny fanonganana ny fitondràna Ravalomanana. Tamin’ny fifidianana Filohampirenena ny taona 2013 dia karàna hatrany no « sponsors » ny fampielezankevitry ny kandidà matanjaka. Ankehitrio aza dia hodidinina mpandraharaha karàna hatrany ireo olona mpanao politika malaza sasany raha miseho vahoaka. Azo lazaina fa ny fisehoan’ireto karàna ho mpanambola eto Maagasikara nefa ny vahoaka Malagasy maro an’isa tompontany dia ao anatin’ny fahantrana tanteraka no manintona ireo « kidnappeur ».

Marihina fa manararaotra ity « kidnapping » karàna ity i Frantsa mba hisintonana ny sain’ny fianakaviambe iraisampirenena momba ny karàna eto Madagasikara izay mitonona ho apatrides nefa mizaka ny zom-pirenena frantsay sy indiana. Ny « kidnapping » miverimberina toa izao dia fomba mahomby indrindra amin’ny fampielezana vaovao manerantany sy hanaratsiana endrika an’i Madagasikara sy ny mpitondra ao aminy. Mahagaga tokoa mantsy fa tsy mety miara-miasa amin’ny fanjakàna malagasy ny fianakavian’ireo karàna tratry ny « kidnapping » nefa etsy andaniny i Frantsa sy Inde ary ireo fianakaviamben’ny Karàna dia mitaky amin’ny Fanjakana malagasy handray andraikitra.

Maro no milaza fa ry zareo samy karàna ihany no atidoha mikotroka izao « kidnapping » karàna izao noho ny resabola. Saingy tsy mitory izany amin’ny fanjakàna malagasy ny fianakaviana karàna voan’izany satria hiafara amin’ny karàna toa azy ireo ihany ny fanenjehana. Izany no antony mahatonga ireto fianakaviana karàna tratry ny kidnapping tsy hiarahiasa amin’ny mpitandro filaminana malagasy.

Ny tsy fantatra koa dia maro ireo miaramilan’ny Etat Islamique no mitsoaka an’Irak sy Afghanistan ary Iran ankehitrio ary manamora ny fahatongavany eto Madagasikara ny fisokafan’ny habakabak’i Madagasikara amin’ny orinasampitanterana vahiny. Mila vola ireny silamo mahery fihetsika ireny ary fantany mazava fa any amin’ny karàna ny vola. Misy tonga eto Madagasikara ve ireto silamo mpampihorohoro ireto? Raha tsiahivina dia tao Pakistan no niafina i Ben Laden anefa maro ny karàna Pakistanais eto Madagasikara.

Hoan-dRamalagasy kosa, tsy mihevitra ny hamonjy ny karàna intsony amin’ny « kidnappeur » ny Malagasy raha ilay tranga tetsy Behoririka sao « matimaty foana » satria ireto karàna aza tsy mihevitra akory ny hifanome-tanana amin’ny mpitandro filaminana malagasy amin’ny fikarohana ireo « kidnappeur » ary mahay mifandamina miafina amin’ireo « kidnappeur » ihany ny karàna.

Rangorindralesoka Zanakandriana. 8/06/2017.

Fakana an-keriny Karana Lasibatra ny tompon’ny Le Grand Mellis

08/06/2017

Vao ny alatsinainy 5 jona teo no votsotra i Yanish Ismael, dia nipoitra sahady indray ny fakana an-keriny. Teratany karana zanaky ny tompon’ny hotely Le Grand Mellis sy ny tranombarotra Chandarana eny Tsaralalana indray no nisy naka an-keriny teny Behoririka omaly alarobia maraina tokony ho tamin’ny 8 ora latsaka fahefany.

Nivoaka ny tranony izy ary saika hamonjy ny fiarany nijanona teo akaikin’ny tobin-tsolika no nosamborin’ny 3 lahy nisaron-tava sy nirongo basy, izay nitondra « motos ». Nakarin’izy ireo teo ambonin’ilay « moto » iray izy ary nanao taingin-telo. Nalaina ihany koa ny fanalahidin’ny fiara mba hanasarotana ny mety ho fanarahan-dia ireo mpaka an-keriny. Nikiakiaka niantso vonjy ihany ilay karana fa tsy afa-nanoatra ny olona manodidina satria nandrangaranga fitaovam-piadiana mahery vaika ireo olon-dratsy.

Raha ny fanamarihan’ny nanatri-maso dia basy poleta miisa 3 sy kalachnikov 1 no nentin’izy ireo, ary miisa 3 ireo miaraka amin’ilay nitondrana ilay karana ny “motos”, irony sokajy matanjaka irony mihitsy. Tsy arakaraka ny filazan’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra amin’ny handraisana fepetra hentitra mba hifehezana ny fakana an-keriny ny zava-misy fa ny mifanohitra tanteraka.

Nampimenomenona ireo diplomaty sy ny mpandraharaha vahiny ny resaka fakana an-keriny, ka izay no nahataitra ny mpitondra, saingy ny omaly tsy miova toy ny volan-kakafotra. Nandritra ny raharaha Ismael dia nanao antso avo amin’ny fandraisana andraikitra mivantana ny governemanta Maorisianina sy ny Masoivoho vaovaon’i Inde eto Madagasikara sy ny mpandraharaha isan-tsokajiny ary nilaza mihitsy fa hisy fiantraikany ratsy amin’ny asa fandraharahana eto Madagasikara izany. Efa niparitaka hatrany ivelany ny fitantaran’i Yanish Ismael ny nanjo azy satria niditra mivantana tao amin’ny onjam-peon’ny RFI ny tenany, ka nilaza fa afobe no niainany. Tsy hita izay tena fandraisan’andraikitry ny fanjakana tamin’ny raharaha fa ny fianakaviana no nanao izay nanafahana azy tamin’ny fandoavana volabe tamin’ireo mpaka an-keriny.

Ny resaka mandeha moa dia ny samy karana ihany no ao ambadik’izy ireny izay mifankalala afera sy harena. Petra-kevitra hafa ihany koa anefa ny mety hahatafidiran’izany amin’ny resaka politika amin’ny maha antomotra ny fifidianana 2018, ka ny vola maloto azo avy amin’ny fakana an-keriny no hatao fafy katrana hividianana ny safidim-bahoaka.

TiaT

Toky R. TiaTanindrazana.

Sary J-L Randriamihoatra, Mcm.

.

2009. Nanomboka ny raharaha maloto . Foza, Frantsay, Karana…

tana s'enflamme

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s