CUA-Antananarivo, 8 sy 9 Jiona 2017. Atrik’asa -Fikambanan’ny Ben’ny Tanana Antanandehibe eto Madagasikara.

Tana coucher du soleil

8/06/2017.CUA serasera

ATRIK’ASA – FIKAMBANAN’NY BEN’NY TANANA
ANTANAN-DEHIBE ETO MADAGASIKARA

“Ny fahavitan-tena ara-bola miainga amin’ny fampidiran-ketra eny amin’ny Kaominina sy ny fiatraikan’izany amin’ny Fampandrosoana ny Tanana “, Izany no lohahevitra banjinina mandritra ny Atrik’Asa etsy amin’ny Hotely Ibis Ankorondrano mandritra ny 2 andro nanomboka ny Alakamisy 08 Jona 2017 izay karakarain’ny Fikambanan’ny Ben’ny Tanana antanan-dehibe eto Madagasikara . Nivoitra nandritra izany fa hojerena ny paik’ady ho entina miasa , eo koa ny fitadiavana ny fomba mahahomby mba hanatsarana ny fampidiran-ketra eny amin’ny Kaominina .


Niarahan’ny rehetra nanaiky fa tsy mbola mipetraka ny Fahavitan-tena ara-bola eo amin’ny Kaominina antanan-dehibe ka ilana ezaka ny fanarenana izany izay tsy vitan’ny Kaominina irery fa mila ny Parlemantera izay mpanao lalana sy ny Mpanatanteraka . Nohamafisina fa misy ny lalana tokony hoamboarina mba hiteraka fahatsarana ny fampidiran-ketra eny anivon’ny Kaominina.


Nomarihan’ny Filohan’ny Fikambanan’ny AMGVM fa ny Kaominina sy ny Ben’ny Tanana no fototra mampandroso ny Firenena saingy tsy mihoatra ny 1% amin’ny Tetibolan’ny Fanjakana no mankany amin’izy ireo ka tsy ahafahana manao ny Fampandrosoana tokony ho tanterahana ka mamparefo ny Firenena , manginy fotsiny ireo Kaominina sasany izay mibaby trosa sy ny olana matetika amin’ny Mpitatam-bolam-panjakana. Ny Lefitra Faha Roan’ny Ben’ny Tananan’Antananarivo izay nisolotena ny Ben’ny Tananan’Iarivo Julien Andriamorasata kosa no nanamafy fa mila mahafehy ny andinin-dalana manodidina ny fidiram-bola eny amin’ny Kaominina ny Ben’ny Tanana, eo koa ny Lalana toy ny 2014-020 ary tsy azo atao ambanin-javatra ny fahalalana ny Tetibolam-panjakana sy ny Fitantanana miampy ny lafiny Teknika isankarazany.


Fantatra fa tsy mijery loko Politika ny Fikambanana izay manasongadina hatrany ny fampandrosona ny Kaominina. Tsy miasa irery ny Fikambanan’ny Ben’ny Tanana antanan-dehibe fa misy ireo mpanohana toy ny Firenena Frantsay sy Alema, ny Sampan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana, ny GIZ, ny AMF, ny AMDR, ny France Urbaine, ny Plateforme Gouvernance locale sy ny sisa. Ho an’ireo Kaominina maniry ny hiditra ao anatin’ny Fikambanana kosa dia tsy maintsy manaiky sy manaraka ny fepetra tany amboalohany. Nahitana ny solontena avy amin’ny Faritra 22 ireo Ben’ny Tanana nanatrika ity fotoam-panokafana ity toy ny avy any Atsimo Andrefana, Sava, Diana, Vakinakaratra, Matsiatra Ambony, Boeny, Analanjirofo, Anôsy.

.

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s