Ny Valosoa, 10/06/2017. Fitondrana HVM, Aoka isika ho mailo… Arp Helisoa, GValosoa, Mcm-Tanà.

Helisoa.

Manao zinona ny fitsarana ny fitondrana HVM

Nankasitraka ny fihetsiky ny SMM ny  mpitaritolona  Constant Raveloson  manoloana  ny fitakian’izy ireo  tsy hitsabahan’ny fanjakàna amin’ny raharaham-pitsaràna eto Madagasikara intsony , ny fitakiana  ny  fampiharana ny didim-pitsaràna toy ny raharaha Claudine Razaimamonjy sy  ny ben’ny tanànan’Ampanihy  sns…, hita eto fa sahy manao zinona ny fitsaràna ny fanjakàna HVM . Mirary soa ho an’ny SMM   ity mpanao politika  sahy  manapotsitra ny tsy mety eto amin’ny firenena ity satria  hanova zavatra eto amin’ny firenena hoy izy ny fihetsika asehon’izy ireo hitakiana  ny fahamarinana .

Enga anie mba hanaraka  ny  SMM  ny mpitandro filaminana   fa tsy ho faly hanara-drenirano   sy hanakimpy ny maso manoloana ny tsy mety eto amin’ny firenena  fotsiny . Fa manoloana  ny korontana  sy ny fangalaran’olona  kidnapping  miseho lany ankehitriny  dia nanambara i Constant Raveloson fa tarazo nipetraka sy tohin’ny tantara  tamin’ny  tany tsy nisy fanjakàna  , na  tamin’ny fanjakàn’ny barofo ny taona 2009 io fangalaran’olona miseho ankehitriny io .

Niainga tamin’io avokoa   no mahatonga ny zava-dratsy  miseho eto amin’ny   firenena  ankehitriny  ka lasa nalaza  tamin’izany fa  misy mpangalatr’olona aty Madagasikara . 

Constant Raveloson. 

EDITO 

Fivoahana lava any ivelany tsy mitondra soa ho an’ny vahoaka

Lasan-dRajaonarimampianina ny amboara amin’ny fivoahana any ivelany raha samy filohan’ny repoblika no jerena. Anisany naha vaky vava ny maro ny fandehanany mankany ivelany any hatrany am-piandohan’ny fitantanany ny firenena mandraka ankehItrIny, efa ho telo taona mahery hiditra amin’ny faha-4 taona izao. Minia mikimpy ny tenan’izy mivady miaraka amin’ny ekipa na ny delegasiona entiny mandany volabe tsy toko tsy forohana entiny mandehandeha any ivelany any. Firenena maro no efa notsidihina ary saiky voatetiny avokoa ny firenena maro anatin’ny kaontinanta rehetra. Hatraiza anefa ny vokatr’izany ho an’ny firenena indrindra fa ny vahoaka Malagasy miaina lalina ao anaty fahantrana.

Tsy mitsahatra ny mivoaka ny Filohan’ny Repoblika mandany vola any ivelany any, tsy mitsahatra toy izay koa anefa ny fikorosofahan’ny fahantram-bahoaka. Miharihary tsara izany amin’ny fisondrotry ny vidim-piainana isan’andro vaky izao. Mitontongana ny vola miditra isam-baravaran’ny vahoaka ary miha- sarotra ho azy ny fiainana andavanandro. Midika tsotra izao izany, fa tsy mitondra soa ho an’ny vahoaka hatreto ny dia ataon-dRajoanarimampianina sy ny ekipany any ivelany.

Tsy atao ho mahagaga raha tsy mampiraika ny vahoaka intsony ny fahenoina fa hoe lasa any ivelany ny Filohan’ny Repoblika. Hatramin’izay mantsy dia resaka fotsiny no betsaka ny amin’izay voan-dalana entiny amin’ny fiaraha-miasa amin’izay firenena nandehanany, fa tsy misy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka velively. Mipoapoaka ery ny teny tsara lahatra, efa fanaony, rehefa tonga eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny tenany sy ny delegasiona tarihiny, ary toy ny hoe rahampitso dia rahampitso ihany dia ho tafavoaka sy tafarina i Madagasikara, ary ho afaka ny fahantran’ny vahoaka Malagasy. Iaraha-mahita anefa ny zava-misy eto amin’ny firenena hatreto.

Azo raisina ho tsy fahatokisan-tena amin’ny fahaizana mampandroso ny firenena amin’ny lafiny iray ity fivoahana lava tsy misy vokany ity. Fiaikena ihany koa fa tsy mety mandroso ny firenena na dia eo aza ireo seha-pihariana samihafa misy eto an-toerana izay amin’ny ankapobeny anjakazakan’ny vahiny karàna, sinoa, frantsay, sns. Tsy nojerena maso firy na nisy tsy namakiana loha rahateo ireo mpandraharaha Malagasy. Mba tsy ho lasibatry ny mpanohitra indray ny tsy fahombiazana dia tsy maintsy atao ny mitady ôksizeña hamelombelon’aina ny toekarena. Iaraha-mahita hatrany koa anefa, ho an’ny mpandinika sy mpitazana, fa tsy mahavita taona tahaka ny vary aloha izany raha sendra mba misy. Maneho miharihary mazava izany, fa tena tafahitsoka lalina anaty fahantrana ny firenena.  Sôh’son.

Tononkalo.

AOKA ISIKA HO MAILO .

 

Tsy dia olom-baovao ireo mpitari-pitokonana,

F`efa ny tranainy ihany , ireo milaza ho mahay.

Raha toa jerena ety ivelany , hita ny fahavononana,

Saingy tena mba hitolona sa dia ho voavidy indray ?

 

Fa vetivety ihany mantsy dia mimpirina izy ireny.

Noho ny resaka malety , tsy ela dia mivadi-dela.

Mody hoe : “Aleo hiandry , aleo aloha tsy dia hiteny”.

Hay ny vola sy efatrefatra efa ho azony tsy ho ela !

 

Ireo nihiaka tam-boalohany , lasa nanakombom-bava.

Nahagaga ny rehetra ny fiovàny sy ny fihetsiny.

Efa voa ireo mpiara-dia , mahatsiaro toa voafita-dava,

Izay vao tena mahatakatra ny laingalainga sy hevi-petsiny.

 

Koa dia aoka isika ho mailo ry sakaiza mpiara-dia,

F`ireo mpitarika , mazàna , tena “tsisy kalitao”.

Karazan`olona mpamitaka sy mpiara-miombona lovia,

Tsy menatra ny miara-komana amin`ny hery vaovao.

 

SEDERA  RAVALISON ( 04-06-17). (Ny Valosoa).

Ny Valosoa a5

.

Ny Valosoa a6

Ny Valosoa a8

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s