« Latsaka an-katerena ny firenena ». GValosoa, Dr Vonjisoa Rafaralahimalala.

Latsaka an-katerena ny firenena, mananotanona ny ady an-trano

Solohery

 Maro amin’ny mpanara-baovao no mahita ankehitriny fa tsy tafavoaka intsony ny fitondrana HVM tarihin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina amin’izao fotoana. Fihetsiketsehana sisa no betsaka fa efa karazan’ny tsy mahafaty baolina intsony ny mpitondra sy ny ekipany. Na izany aza dia isan’ny mbola mihevitra fa azo avotana ity fitondrana ity raha ny fanazavana nentin’i Dr Vonjisoa Rafaralahimalala.

Nambarany mantsy fa taorian’ny nitenanan’ny filoham-pirenena sy fiantsoana fifanomezan-tanana nataony dia isan’ny nanolo-kevitra ity mpanao politika ity fa fotoana izao hanaovana ny “Etat d’Urgence” eto Madagasikara satria efa latsaka an-katerena ny firenena ary efa mananotanona ny ady an-trano. Nambaran’i Dr Vonjy fa manana ny mpanolotsainy ny filoham-pirenena saingy mety tsy fantatr’izy ireo ny antony tokony hanaovana izany ka iantsoany izao hafatra izao.

Nambarany mantsy fa ambonin’ny lalam-panorenana ny fanaovana ny “Etat d’Urgence” ka ahafahan’ny fanjakana mifehy ny filaminana anatiny manontolo izany na fisavana n’aiza n’aiza io, na ny fitsirihana ny vola miditra sy mivoaka eto Madagasikara, indrindra fa ny vola vahiny izay fototr’ireny “kidnapping” ireny.

Ireny olona misy maka an-keriny ireny mantsy hoy izy dia fantatry ny mpaka azy fa manana sy mitahiry vola vahiny tsy fantatry ny fanjakana matoa vola vahiny no takian’izy ireo. Ankoatra izany dia azon’ny fanjaka atao aloha ny mangorona ny fitaovam-piadiana eny am-pelatanan’ny olon-tsotra ahafahana manamarina ny isan’izany sy ny mitana izany ihany koa. Io sisa hoy izy no vaha olana ahafahan’ny fanjakana manarina izao olana goavam-be eto Madagasikara izao raha tian’ny mpitondra ny tsy hisian’ny ady an-trano eto. Ankoatra izay moa dia nitondrany fanazavana ihany koa fa tsy mety ny fitondrana “régime parlémentaires”  misy eto Madagasikara io fa tokony ho “Régime présidentiel” matanjaka no hisy eto mba hahafahana mampandroso satria efa nandika lalam-panorenana sahady ny filoham-pirenena raha vao nandray fitondrana satria taiza koa no nisy antoko tsy nanana solombavambahoaka kanefa lasa manana ny maro an’isa eny amin’ny antenimieram-pirenena? Amin’ity mpanao politika ity dia ny fidirana amin’ny fanovana ny lalam-panorenana izay nataon’ny mpanongam-panjakana ho azy no maika ary miditra amin’ny Repoblika faha- 5 ka mametraka fanjakana matanjaka afaka manarina an’i Madagasikara. I Dr Vonjisoa Rafaralahimalala dia filoha mpanorina ny antoko ZIVA na ny Zanak’I Gasikara Vonona Ampandroso” no sady filohan’ny filankevitra kaominaly ao amin’ny kaominina Ibity Antsirabe II.

Ny mpanao politika, Dr Vonjisoa Rafaralahimalala

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s