Habibiana tany Antsakabary. Taratasy ho an’Atoa Hery Rajaonarimampianina sy Atoa Olivier Solonandrasana.

TARATASY MISOKATRA

Ho an’Andriamatoa Hery RAJAONARIMAMPIANINA

Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara

Andriamatoa SOLONANDRASANA Olivier Mahafaly

Praiminisitra sady Minisitry ny Atitany

 

Andriamatoa Filoha sy Andriamatoa Praiminisitra,

Namita iraka manokana momban’ny « raharaha Antsakabary » tany amin’ny Faritra Sofia ny solontenan’ny « Vovonana Mampiray ny vahoaka malagasy ny fanorenana ifotony sy ny fanarenana an’i Madagasikara » tamin’ny herinandro lasa teo ka raisinay voninahitra no mandefa aminareo izao taratasy misokatra izao. Araka ny tatitra mari-pototra tany an-toerana sy ireo porofo tsy azo lavina mitohaka amin’ny tenda dia :

– Voaporofo ny habibiana tsy roa aman-tany nataon’ireo polisy miisa 42 nalefan’ny fitondram-panjakana hisambotra ireo olona namono ireo polisy miisa roa. Tratry ny « fitsaram-bahoaka » ireo polisy roa ireo vokatry ny fahatezeran’ny vahoaka tany Antsakabary nohon’ny fanamparam-pahefana  nataon’izy ireo tamin’ny mponina.

–  Nitondra ny lisitry ny olona hosamborina ireo polisy miisa 42 ireo kanefa raha vao nanao tifi-danitra sy nanamparitaka entona mandatsa-dranomaso izy ireo vao niditra ny tanàna dia vaky nandositra tany anaty ala ny vata-dehilahy sasany teo an-toerana. Taorian’izany dia tsy hita ireo olona tao anatin’ny lisitra hosamborina ka niroso tamin’ny habibianana sy ny valy faty ireo polisy ireo araka ny « hika » izay nataon’izy ireo  niaraka tamin’ny lehibeny nibaiko azy teo amin’ny « pont Sofia » raha ho any Antsakabary izy ireo.

– Nisy ny fampijaliana (tortures) nataon’ireo polisy ireo tamin’ny mponina sivily tsy manan-tsiny toy ny fidarohana tamin’ny vody basy, ny famatorana ireo vatan-dehilahy sisa teo an-tanàna sady nasaina natory tao anaty fotaka ary avy eo dia nasainy nivadika ka nosen’ireo polisy sy nandehanany teo ambon’ny lamosiny sady nasesiny novelesina tamin’ny kapoka mandrivorivo. Tena mifanohitra tanteraka amin’ny fanajana ny Zon’olombelona izany.

– Nasaina nandohalika ny vehivavy sasany sy ireo vatan-dehilahy ireo ary noteren’ireo polisy ireo nandeha. Nisy no nitsovaka ny hoditry ny lohaliny sy naratra ka nitaraina fa tsy nanaiky ireo polisy, mbola narahiny daroka hatrany ireo olona ireo. Nahiboka tao anatin’ny efi-tranon’ny sekoly tsy miankina iray teo an-tanàna izy ireo nandritra ny alina ary tsy nahazo nanaterana sakafo fa nambenan’ireo polisy hatramin’ny fotoana nialany teo an-tanàna ho entina an-tongotra hatrany amin’ny “pont Sofia”.

– Nasain’ny polisy nodoran’ireo vatan-dehilahy ireo ny trano fonenan’izy ireo avy fa tsy nanaiky hatramin’ny farany izy ireo na dia niharan’ny daroka vody basy sy kapoka mandrivorivo aza.

– Rehefa tsy nanaiky handoro ny tranony ny Fokonolona dia niroso tamin’ny fandorona ireo trano fonenana sy ny tahirim-bokatra ary ny Fiangonana iray ny polisy ka “nisy olona iray izay diso fantatry ny fokonolona” no nanome baiko sy nanondro ny trano dorana isam-pokontany.

– Nolavin’ilay polisy ny fangatahana sy ny fitalahoana nataon’ilay tovolahy iray mba tsy handorana ny tranon’ilay vavy antitra 80 taona ka nangataka ny hamoahana azy izy fa daroka no setrin’izany ary tsy navelany navoaka ilay vavy antitra fa avy hatrany dia niroso tamin’ny fandorana ny trano ilay polisy. Maty kilan’ny afo ilay vavy antitra. Efa fantatra ny anarana sy ny gradin’io polisy nahavita heloka bevava io.

 

NOHO IREO ANTONY IREO DIA:

 

Manao antso avo aminao sy manontany ny fivoaran’ny fanadihadiana izay nataon’ny fitondram-panjakana tao anatin’ny telo volana momba ny “raharaha Antsakabary” izahay Andriamatoa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara amin’ny maha Filoha Faratampon’ny Foloalindahy, (…) miandraikitra indrindra ny fitandroana ny fandriampahalemana anao, araka ny voafaritra ny andininy 56 ny Lalam-panorenana sy ny andininy 54 izay milaza fa “ny Filohan’ny Repoblika no manendry ny Praiminisitra” ary ny Praiminisitra sady Lehiben’ny Governemanta « no miantoka ny filaminana, ny fandriampahalemana ary ny maha-marin-toerana ny tanim-pirenena anatin’ny fanajana ny firaisam-pirenena » araka ny voalazan’ny andininy faha 65 (9) ny Lalam-panorenana satria tsy azo ekena intsony ny tsy maty manota na ny « impunité » eto amin’ny firenena tan-dalàna araka ny voalaza ao amin’ny Lalam-panorenana sy ny « Déclaration universelle des Droits de l’Homme » ary ny « Pacte international relatif aux droits civils et politiques »  satria izany no antony naharava ny fifampitokisana teo amin’ny vahoaka sy ny Fitsarana ary ny mpitandro ny filaminana ka nahatonga ny fitsaram-bahoaka mahazo vahana.

Manantena valiny mahafa-po avy aminareo izahay ka hampahafantarina ny mpiray tanindrazana sy ny “Commission des droits de l’homme de l’Organisation des Nations Unies” tsy ho ela ny tena marina momba izao raharaha izao ka ho saziana ireo tompon’andraikitra rehetra nanome baiko hatrany amin’ny fara-tampony ary ireo nanatanteraka izao heloka bevava sy “fihetsika baribariana” izay tsy sahaza sy tsy mifanentana intsony amin’ny taon-jato iainan’ny zanak’olombelona maneran-tany amin’izao fotoana izao ary ny habibianana tsy roa aman-tany nataon’ny mpitandro filaminana izay natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany tamin’ny mponina sivily tany Antsakabary.

.

Raiso, Andriamatoa Filohan’ny Repoblika sy Andriamatoa Praiminisitra sady Minisitry ny Atitany, ny haja ambony indrindra atolotray anareo.

.

Natao teto Madagasikara androany faha, 29 mai 2017

Arlette RAMAROSON

Filohan’ny « VOVONANA MAMPIRAY »

Mpitsara Iraisam-pirenena teo aloha

.

Nandefasana kopia mitovy :

Andriamatoa Minisitry ny Filaminam-bahoaka

Andriamatoa Minisitry ny Fitsarana

Ramatoa Minisitry ny Mponina

Ramatoa Minsitry ny Raharaham-bahiny

Ramatoa Solontenan’ny PNUD, miasa sy  monina eto Madagasikara

Ireo Mpanao Gazety.

Siège : Résidence FenosoaTsileondriaka I – Lot A 109 Androkaroka Alasora 103 Antananarivo Madagascar. Tél : 034 80 589 31 – 034 18 642 18  –  Email : forumnational.refondation@gmail.com

 

 

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s