« Tolona », Mamitiana Randrianarison (Mcm-Tanà).

TOLONA

 

Ao anaty tsiahy ireo lasana taloha
misy embonembona tsy tsaha-mandritra ra
Moa sarany tsy hefa sa trosa tsy voaloa?
mbola izao mandolo ny fo amam-panahy

any am-balaben’ny sedra nolalovana
nandovàna ratra tsy sitrana hatrizao
nandringana tahiry sisa fahatsiarovana
jery fahazaza nihadify ka nandao

eny ana hebakebaky ny fiainana mideza
rakotra mpamandrika ny vina mba nofisina
mandronjona tsikely ny saina hihevaheva
inay manao bontolo ka lasana nitrifana

iny ambony rahona tsy ho hary takatro iny
misy kasa maro tsy sinambotry ny heriko
mameno karandoha…nefa tsy foiko hariana
mibahabahan-toerana, mikiky ny eritreritro

Saingy…

Eto anivo-tsiaron’ny zavatra efa vita
ireo dingana rinesy tamin-kiry sesehena
no indro hataoko lakana entiko mandriaka
ny foko tena tia…tsy resy na resena

 

NARY. Mamitiana Randrianarison

15/06/2017

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s