Ny Valosoa, 15 Juin 2017. Ben’ny tanàna TIM nisy nitifitra, Raharaha Tatie Clô, Ody kankana, Paul Rabary … Arp Helisoa, Mcm-Tanà.

Ben’ny tanàna TIM nisy nitifitra

Miara-miory amin’ny fianakavian’ny maty i Dada

Efa tena  mampitsangam-bolo mihitsy amin’izao fotoana izao ny tsy fandriampahalemana misy eto amin’ny firenena, tsy any Atsimo, tsy any Avaratra, tsy any Andrefana, tsy any Atsinanana, tsy amin’ny faritry ny fovoantany, fa misy hatrany saika isan’andro ny trangana tsy fandriampahalemana ary saika habibiana avokoa no ataon’ireo jiolahy na ireo dahalo amin’izany. Tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, ben’ny tanàna voafidy tamin’ny lisitra avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) indray no lasibatry ny fanafihan-dahalo. Notafihan’ireo dahalo tao an-tranony ity ben’ny tanàna ity ary tifitra vary raraka no namonoan’izy ireo azy.

Manoloana izay herisetra izay, manameloka izany ny filoha nasionalin’ny antoko TIM Marc Ravalomanana, ary miantso ireo mpitandro filaminana hisambotra haingana araka izay azo atao ireo mpanao ratsy ary miara-miory amin’ny fianakavian’ny maty dia ity ben’ny tanàna ity izay antsoina hoe Maire Liva. Ny Kaominina ambanivohitra Bemokotra dia 17 km eo miala ny renivohitry ny faritra Betsiboka, Maevatanana no misy azy.

Isambilo

Raharaha Tatie Clô

Tsy vita hatreo fa mbola ho randra-mitarika

Tsy misy tsy miaiky na ny mpanohitra na ny olompirenena tsotra, eny na ny vondrona iraisam-pirenena aza fa tsy mandeha amin’izay laoniny ny fitantanana ity Firenena ity. Ny loza anefa dia ny vahoaka ihany no mibaby kitra  sy iangonan’ny rihitra noho izany. Tsy misy zavatra mandeha anefa eo amin’ny firenena raha tsy eo ny vahoaka. Vahoaka, na ampahany vitsy aza, no nametraka ny mpitondra eo amin’ny toerana misy azy ankehitriny. Nampindramin’ny vahoaka amin’ireo mpitondra izany ny fahefany. Mitaky tamberin’andraikitra avy amin’ny mpitondra izany.

Volam-bahoaka no anakaramana ny manam-pahefana rehetra na olom-boafidy izy na olom-boatendry. Mety misy halaim-panahy hilaza fa vola indramina any amin’ny banky iraisam-pirenena na tahirim-bola iraisam-pirenena na banky hafa any ivelany ny ampahan’ny vola kanefa vola avy amin’ny vahoaka ihany no mbola hamerenana ireny vola nindramina ireny. Volam-bahoaka no entin’ireo mpitondra mandeha mitety firenena na inona antony na inona. In-jato kely, araka ny fitenena, no nisidina tany ivelany ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina, miaraka amin’ny delagasiona mafonja, nandritra ny taona efatra latsaka kely naha teo amin’ny fitondrana azy nikarataka izay entina hampandrosoana ny Firenena sy hampivoarana ny fiainan’ny vahoaka saingy tsy nisy azo tsapain-tànana ny vokatra avy amin’izany. Malaza nanomboka tamin’ny taon-dasa 2016 iny ny « tetikasan’ny filoham-pirenena». Raha ny fahazoana azy dia an’olon-tokana, ny « filoham-pirenena », izany ny tetikasa fa tsy ho an’ny Firenena sy ny vahoaka. Na tiana na  tsy tiana  anefa dia na nindramina na tsia ny vola dia volam-bahoaka no nentina nanorenana ireny fotodrafitrasa ireny. Tranom-bahoaka sy tanim-bahoaka maro ihany koa anefa no narodana na natao barofo, tsy nisy afaka nanakana, satria tetikasan’ny filoham-pirenena no antony nanaovana izany.  

Olona nofidian’ny vahoaka ny mpikambana ao amin’ny Antenimiera roa tonta ary mbola volam-bahoaka ihany koa no hanefàna ny karamany sy ny tambin-karama raisiny sy ny vidin-tsolika ampisainy. Marina fa rafitra mpanao lalàna ny antenimiera kanefa afaka mamolavola tolodalàna ihany koa izy entina mampandroso ny distrika nihaviany araka izay filàny. Tsy izany anefa ny zava-misy fa miandry izay tolo-dalàna novolavolain’ny rafitra mpanatanteraka mba hananganan-tànana fotsiny no hany andraikiny. Na mamonjy fivoriana na tsia ireo depiote dia tsy maintsy misitraka ny tombontsoa notakiany kanefa ny vahoaka nifidy azy mitain-kidin-trano, iaina ao anatin’ny fahantrana sy ny tsy fandriampahalemana ary zary mitoka-monina noho ny tsy fanjarian’ny fotodrafitrasa.

Volam-bahoaka koa no nampiasaina tamin’ireny resaka « malette » namonoana ny afom-panonganana ny fitondrana ireny. Nolanian’ny depiote tamin’ny tetibola nasiam-panitsiana fa hampitoboina ny tetibolan’ireo minisitera misahana ny fandriampahalemana satria efa tsy mikely soroka, hono, izy ireo mba hiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Etsy ankilany anefa ny filohan’ny Repoblika dia manao antso amin’ny vahoaka hanetsika ny andrimasom-pokonolona satria tsy misitrika any anaty lavaka ny mpaka an-keriny fa any anaty trano any amin’ny tanàna any ihany. Soavaly mianto-bilona izany ny vahoaka satria sady mandoa ny karaman’ny “mpitandro ny filaminana” no mbola hihari-tory hanampy ireto karamainy ihany koa. Raha mba manao hetsika fitakiana sy fanoherana ny tsy rariny mihàtra aminy ary fanehoan-kevitra ny vahoaka dia mivadika ho herim-pamoretana ho azy ny « mpitandro filaminana ».

Angamba, amin’ny asany no ampiasaina ny volam-bahoaka amin’ireo toe-javatra voatanisa etsy ambony ireo fa ny raharaha ho resahina manaraka eto kosa dia tena fihantsiana sy fanaovana tsinontsinona ny vahoaka mihitsy. Iaraha-mahalala ny fanodikodinam-bolam-bahoaka nataon’ny mpandraharaha lasa miliardera tompon’ny hotely lehibe, kintana dimy, eny Ivato dia i Tatie Clô. Narovan’ny fitondrana mafy izy satria mpanolotsain’ny filohan’ny Repoblika. Natao avokoa izao filma rehetra izao: fanafihana ny foiben’ny Birao Mahaleotena Miady amin’ny Kolikoly (Bianco) teny Ambohibao notarihan’ny senatera. Ny fananganan-torana rehefa nivoaka ny didy fa hampidirina am-ponja vonjimaika. Ny fandefasana hitsabo tena (EVASAN) tany ivelany satria tsy vitan’ny mpitsabo eto an-toerana ny fitsaboana.

Na avy aiza na avy amin’iza ny vola nanaovana ireny filma ireny dia teto Madagasikara no nihaviany ka tsy misy afaka mandà fa volam-bahoaka izany. Raha fintinina dia tamin’ny fanodikodinam-bolam-bahoaka no nananganan’ity mpandraharaha ity ilay hotely lehibe eny Ivato. Efa iaraha-mahalala fa volam-bahoaka saika nentina nananganana fotodrafitrasa tany amin’ny kaominina maromaro teto amin’ny Firenena no nahodinkodina. Tsy vitan’olon-tokana anefa izany fa nisy tambazotra tao ka maro no tafiditra ao ka anisan’izany ny ao amin’ny ao amin’ny departemantan’ny fitsinjaram-pahefana ao amin’ny minisiteran’ny atitany. Tsy afaka miala amin’izany koa ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola amin’ny alàlan’ny tahirimbolam-bahoaka (trésor). Tsy azo lavina ihany koa fa nisy ny mpiara-komana izay may volotratra ka miaro amin’ny fomba mampiahiahy satria matoa izy ireo manao izany dia noho ny tahotra sy fanafenana ny marina. Arak’izany tsy mbola tapitra amin’ny nampidirana an’i Tatie Clô eny Antanimora ny raharaha Claudine Razaimamonjy, mbola ho avy ny fitsarana azy ato ho ato na ho ela na ho haingana ka tsy maintsy mbola tokony hantsoina sy tafiditra amin’ity raharaha ity ireo olona voatonona teo ambony dia ny avy amin’ny ministeran’ny atitany, ny senatera nanao barofo, ny ao amin’ny tahirimbolam-panjakana,…

Ny fitsarana rahateo hatramin’izao tsy manaiky fa tsy maintsy halalinina ny fanadihadihana ary tsy maintsy ho samborina sy handalo fitsarana izay volo nifandray tendro tamin’ity raharaha ity. Ny vahoaka sisa no andrasana raha hanaiky na tsia ny fanatavizana olombitsy amin’ny alàlan’ny fanodinkodinana izay nisasarany ka hiray feo amin’ny mpitsara.  

Andry Tsiavalona.

Ankizy nararin’ny ody kankana

Mampiseho ny fahavendranan’ny mpitondra hatrany

Nanapa-kevitra hanajanona ny fizarana ody kankana any amin’ny sekoly rehetra manerana an’i Madagasikara ny ministry_ny_Fanabeazam_pirenena. Mpianatra miisa 77 mianatra ao amin’ny EPP Andaboly sy Anketa Toliara I no niditra hopitaly omaly sy afak’omaly fa tsy nahazaka ny fihinanana ody kankana. Kilasy T3, T4 ary T5 izy ireo ary misy fizarana sakafo antoandro ao an-tsekoly isanandro. Naloiloy sy nandoa, nisy nivalana, fanina ary safotra mihitsy vao nihinana ilay ody kankana. Henika azy ireo ny hopitaly tao Toliara, maro ny ray aman-dreny tezitra ka saika hisambotra ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena mihitsy. Nambenana polisy araka izany ny hopitaly ary na dia nisy aza ny fanazavana nataon’ny talen’ny fahasalamana tany an-toerana hoe : « effet secondaire » an’ilay fanafody io dia tsy nampilamina ny olona. Efa tsy misy ahiana ny fahasalaman’ireo ankizy amin’izao ora izao. Nilaza kosa ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka fa hanokatra fanadihadiana hamantatra ny antony nahatonga izao. Efa nisy tranga toy izao tany Betafo nefa dia toy izay hatrany no valinteny azo ao amin’ny ministera fa tsy misy fanazavàna ny sain’ny olona. Ny tranga toy izao dia mampiseho hatrany ny fahavendranan’ny mpitondra, efa fanindroany izany, tao aorian’ny tany Betafo dia efa tokony ho najanona ny fanomezana ody kankana an-tsekoly izay nefa dia mbola notohizana ihany ka dia izao no vokany, mamono afo hatrany ny mpitondra fa tsy manana vahaolana mialoha amin’ny zava-misy sy mitranga eto amin’ny firenena.

ILAY VAHININ` ANTANIMORA

 

Vahiny manan-kaja iray no tonga antenantenan`ora,

Fa nalefa vonjimaika hihiboka ao Antanimora.

Nampiranga ny rehetra na dia toa nafenina aza.

Tsy olonolom-poana akory fa vahiny manan-daza!

 

Telo volana no efa nanombohan`ny tantarany.

Be dia be ny sehatra avo nandrenesana ny anarany.

Efa tokony hidoboka saingy votsotra mazàna,

Manana mpiaro mantsy , tsy iza fa Rafanjakana !

 

Tamin`ito kosa anefa , henjana ny fitsarana.

Tsy nanaiky “tsindritsindry” fa nampihatra ny lalàna.

Tsy afa-nihetsika i Mampiesona sy ny akama manontolo.

Kivy ry Mitadiseza , valaketraka ry Solo.

 

Miharatsy ny tantara , mihamaizina ny lalana.

Mitandrema, mitandrema ry Hery Vizana Mamalana.

Tena tasy tsy hay kosehina ny fiarovanao ny ratsy.

Ry mpitondra o! mihevera izay ho vokany atsy ho atsy.

 

                              DADAN`i ZINA (14-07-17)

Paul Rabary sy ny Hvm

Hanapotika ny fanabeazana noho ny andrakandrana

 

Fanehoan-kevitra avy amin’ireo sekoly tsy miankina indray no Tafatafa eto amin’ny gazetinao androany:

Tsiahivina hoy ny fanambaran’izy ireo fa araka ny didim-pitondrana 12869 /2017 MEN, ny tetiandrom-pampianarana

2017-2018 dia voafaritra toy izao ho an`ny sekolim-panjakana:

 

Fidiran`ny mpandraharaha : 18 sept 2017

Fidiran`ny mpampianatra : 25 sept 2017

Fidiran`ny mpianatra : 02 okt 2017

fifaranan`ny taom-pianarana : 03 Aogositra 2018

 

Fanadinana CEPE : talata 31 jolay 2018

Fanadinana BEPC : 20 – 21 -22-23 aogositra 2018

 

Ny taom-pianarana 2018-2019 : 5 nov 2018-20 sept 2019

Taom-pianarana 2020: 06 janv 2020 – 20 nov 2020

Taom-pianarana 2021: 01 fev – 03 des  2021

Taom-pianarana 2022: 01 marsa 2022- 02 des 2022.

 

Ny fanontaniana lehibe dia hoe efa mba nakana hevitra tamin`ireo

fitondran-tsekoly samihafa tsy miankina eto amin`ny firenena ve ireo

toy ny DNELM , DNEPM , AILE ,  HO AN`NY SEKOLY TSY MIANKINA ary ny DIDEC ho an`ny sekoly katolika sy ny fitondran-tsekoly FJKM  SNS…sa dia natao amboletra sy tery vay manta fotsiny ?

Raha ireo tetiandro ireo mantsy no ho tanteraka dia be indray ny sekoly tsy miankina hikatona satria tena mifanohitra tanteraka amin`ny mety ho tombontsoa sy ny mahasoa ny sekoly tsy miankina ireo daty voalaza ireo. Raha hiditra volana septambra izy ireo dia voatery hitaky sarampianarana 11 volana vao ho tonga ny fanadinana CEPE sy BEPC satria nahemotra iray volana avy ireo fanadinana ireo amin`ny 2018. Dia ho toy izany koa amin`ny taon-tsekoly 2018-2019 sy ny manaraka rehetra izay ho lasa 11 volana foana ny taon-tsekoly. Hanaiky handoa 11 volana ve ny ray aman-dreny izay efa difotry ny fahantrana ny maro aminy raha 10 volana foana fara-fahabetsany no nandoavany hatrizay ?

Asa koa  na tena tsy mbola  niaina teo amin`ny sehatry ny fampianarana fa tongatonga ho azy teo fotsiny noho ny maha HVM azy ireo tompon`andraikitry ny fampianarana ankehitriny , ka tsy mahalala na tsy mahatadidy fa 30 taona lasa anie dia efa natao volana janoary ny fidiran`ny mpianatra e . Saingy ny manan-katao sy ireo manam-bola handefasana ny zanany any an-dafy ary ireo mpitondra teto  ihany no nanova izany  nony avy eo satria any amin`ny firenen-dehibe dia efa fotoana raikitra fa ny fiantombohan`ny volana septambra no miditra ny mpianatra ary tsy miovaova izany , ka tsy mahatratra izany fidirana izany fa very herintaona ny zanak`izy ireo te hanohy fianarana any Eoropa. Efa novana ho CFEPCES koa  anie ny BEPC saingy naverina ho BEPC ihany tato aoriana e. Manginy fotsiny moa ny fikasana hanafoana ny fanadinana CEPE sy ny fanovana anarana indray ny BEPC , izay efa tombanan`ny mpanabe maro fa tena hampihena ny tahan`ny mpianatra hanohy fianarana eny ambanivohitra , satria ny fahafahan`izy ireo ny fanadinana CEPE hatreto no toy ny mandrisika ny ray aman-dreny hampanohy fianarana azy any amin`ny CEG sy any an-tanàn-dehibe . Fa  raha vao tsy afaka CEPE ny zanaky ny eny ambanivohitra , matetika , dia ajanony tsy mianatra intsony.

Ao koa ny filazana nataon`ny minisitera fa tsy andoavam-bola ny fanadinam-panjakana toy ny CEPE sy BEPC  nefa dia nisy ihany ny talen`ny CEG izay mbola sahy nitaky 1500 ariary tamin`ny mpianatra hanala CEPE sy 3000 ariary ho an`ny  mpianatra hanala BEPC , toy izay nitranga teny Itaosy ka miteraka savorovoro mandrak`ankehitriny eo amin`ny talen`ny sekoly tsy miankina  sy ny ray aman-dreny andaniny ary  ny talen`ny CEG ankilany . Tsy mety mamerina izany vola izany mantsy ilay talen`ny CEG satria tsy misy vola hampiasainy amin`ny fanatontosana ny fanadinam-panjakana hono ka dia nanapatapa-poana toy izany izy. Ny ray aman-dreny sy ny talen`ny sekoly tsy miankina kosa mitaky ny hamerenana ny vola satria izay no voalazan`ny minisitera. Ka asa marina raha tsy manome vola tokoa ny minisitera  hikarakarana ny fanadinana fa dedadedaka fotsiny niteny hoe tsy andoavam-bola ny fanadinana  CEPE sy BEPC , na ny talen`ny CEG  mihitsy no efa tia vola ka makamaka ny tsy tokony hangoniny.

Ary farany , moa ve ingahy minisitry ny fampianarana sy izao fitondrana izao mbola manantena ho eo amin`ny 2022 satria  na ny 2018 aza raha izao toa tsy ho voatsipany ? 

 

GValosoa a5

MCM de Paris, Lire :

Claudine Razaimamonjy , 12/06/2017. Nampidirina eny Antanimora, TiaTanindrazana. SMM-Fanambarana.

 

Toliara, fanafody ody kankana. Mpianatra (Epp Anketa) voapoizina. Jean-Luce Randriamihoatra.

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s