Ny Valosoa, 15 Juin 2017. Ny tsy fandriampahalemana, Ny mpianatra sy ny Fanadinana. Arp Helisoa, Mcm-Tanà.

Velaro ny famoronana asa ialàna amin’ny tsy fandriampahalemana

Helisoa

Manoloana ny tsy fandriampahalemana miseho lany eto amintsika amin’izao fotoana, misy ny olon-tsotra manolotra soso-kevitra ho fisorohana na ho fampihenana an’izany izay nataon’Andriamatoa R. Rakoto monina etsy Ambohibao. Tsy mbola nisy korontana tahaka izao  teto amin’ity nosy malalantsika  ity izao hatramin’izay, indrindra eo amin’ny lafiny tsy fandriampahalemana , tsy an-tanàn-dehibe , tsy ambanivohitra  fa dia mandry andriran’antsy  sy tebiteby ny vahoaka .

Rehefa halalinina amin’ny fo tsy miangatra  ny antony mampirongatra  ny tsy fandriampahalemana toy ny : vonoan’olona  amin’ny endriny maro samihafa , halabotry , vaky trano , fandrobàna an-tsaha sy an-tanàna , kidnapping , vaky fasana sns…. dia ny 90% mahatonga izany dia   ny tsy fananan’asa na any ambanivohitra na aty an-tanàn-dehibe . Nisy ny tarehimarika navoakan’ny minisiteran’ny asa  fa 13% ny tahan’ny tsy manana asa eto an-drenivohitra . Nampihena izany  ity farany fa ny azo antoka  dia ilay tarehimarika navoakan’ny  fikambanana iraisampirenana tamin’ny janoary 2017  hoe: 57%  ny tanora lahy sy vavy mihoatra ny 18 taona no tsy an’asa eto Madagasikara .

Eto dia resy lahatra sy mahatsiaro ny paika nataon’ny filoha Marc Ravalomanana  fony izy filohampirenena fa  nampivelatra ny asa  “zones franches” izay namelona tanora 200 000 ary namelona  ankolaka  fianakaviana 1000000 izy . Raha tsy nisy ny fanonganam-panjakàna  tamin’ny taona 2009 iny dia tsy nisalasalàna  fa nitombo avo folo heny io tarehimarika io,   ary nanerana ny faritra sy Tanàna maro teto amin’ny Nosy  ny asa avy amin’ny zones franches  sy ny orin’asa maro niorina  tamin’ny androny ireny raha mbola filohampirenena ny filoha Marc Ravalomanana . Raha mba afaka nanohy  ny ezaka nataon’ny filoha Marc Ravalomanana  ny fitondràna ankehitriny  dia ninoana  marina fa  tsy misy izao firongatry  ny mpivarotena  tanora ( mbola mpianatra  ny ankamaroany ) , ny fanondranana tovovavy mankany Koweit sns… Ny ilaina amin’ny fitondràna ankehitriny  dia ny mba hanana fahasahiana hiara-hiasa ankitsimpo amin’ireo mpamorona asa ( na vahiny io na Malagasy )  fa tsy lany andro amin’ny paipaikan’antoko tsy mamokatra , efa halohalika ny ranombary. 

Rakoto Ambohibao.

Edito 15 juin

Tsy mitombina ny fialan’ny fitondrana bala amin’ny tsy fandriampahalemana

 

Milaza ny mpampahalala vaovao mpanohana ny Fitondrana fa tsy tokony hahilika amin’ny Fanjakana irery hono ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara, izay midika avy hatrany ho fialana bala sy fanadiovan-tena tsotra izao . Ny fanamarihana avy hatrany aloha dia manaiky izany ny fitondrana ankehitriny fa misy ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara , ny marimarina kokoa aza dia hoe: mirongatra ny tsy fandriampahalemana . Tsy mitombina izany fiarovantena ataon’ny ekipan’ny Filoha Hery R. sy ny Praiministra Mahafaly izany satria : eo ampelatanan’izy ireo ny fahefana nampindramin’ny vahoaka azy ; eo aminy koa ny fitaovana ilaina amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ; eo aminy ny fibaikona ny mpitandro filaminana sy ny sisa . Tena tompanandraikitra amin’ny tsy fandriampahalemana eto amin’ny Firenena ny mpitondra ankehitriny .

Ny Filoha Hery R. dia nilaza fa tokony haverina hono ny Andrimasom-pokonolona ; tsy misy ny maharatsy izany saingy tsy vitan’ny Andrimasom-pokonolona tompoko ny asan-jiolahy mitam-basy , ny fakana ankeriny sy ny sisa ; tsorina koa fa reraky ny fitadiavana ny Fokonolona ka tsy hanana hery ahafahana mihari-tory .  Tsy tokony hadinoina fa mikarama daholo ny mpitondra fanjakana isan-tokony izay midika fa volam-bahoaka no hanakaramana azy ireo . Raha misy ny tokony hihari-tory hiambina ny vahoakany dia ireo rehetra manana fahefana fa tsy ny vahoaka no asaina mihari-tory hanao andrimasom-pokonolona  kanefa ny sasany izay efa tsara fivelomana  sy nampindramina fahefana mitsotsotra any am-pandriana . Ho avy ny 26 Jona , dia hiverimberina indray ilay fiteny hoe : miaro ny vahoaka sy ny fananany ny mpitandro filaminana. Dia hoy isika hoe : tena marina ve izany ? Ny zavamisy hatreto dia tsy voaaro manoloana ny ratsy ny vahoaka Malagasy ka tokony hisaintsaina ihany ianareo mpitondra, sa ahoana hoy ianao?

Rina Rabemananjara

CEPE, BEPC, BACC

Tombanana ho ratsy noho ny teo aloha ny voka-panadinana

 

Manoloana ny fahatapatapahan`ny fianarana tamin`ity taon-tsekoly

madiva hifarana ity dia maro ireo mpanabe no manombantombana fa vao mainka hidina ny taham-pahafahan`ny mpiadina CEPE sy BEPC ary BACC amin`ity taona 2017 ity. Tao ny fiatoana noho ny frankofonia . Ao ireo fampiatoana ny fianarana rehefa mandalo ny manampahefana . Tao ny fiatoana vokatry ny andro ratsy . Ny fanadinana CEPE sy BEPC anefa lasa aloha hoy ny mpampianatra maro raha oharina amin’ny tamin`ny herintaona . Ny mpianatra anefa voamarika fa be no tsy mahavita taon-tsekoly fa miala antenantenany ihany koa vokatry ny tsy fananana saram-pianarana , ary mety ho avy amin`ny rendrarendram-piainana miseho  eo anivon`ny fiaraha-monina ihany koa . Manginy fotsiny ny fihenan`ny fari-pahaizan`ny mpianatra  amin`ny ankapobeny , hoy ny mpanabe satria  tena tsy misy sady tsy ampy ny boky natao hianarana sy hampitomboana ny fari-pahaizan`izy ireny . Tamin`ny andron`Ingahy Ratsiraka sy Ravalomanana dia be ireo boky natonta sy nozarain`ny minisiteran`ny fampianarana maimaimpoana isaky ny sekoly . Saingy teo amin`ny tetezamita no mankaty dia na ny programam-pianarana aza dia zara raha mahazo ny sekoly tsy miankina  fa dia miezaka mitady ary manao dika mitovy etsy sy eroa. Araka ny re dia nahena ihany koa ny isan`ireo hitsara CEPE sy BEPC    .

Efa tena mihamahantra ve ny fanjakana ka dia izany fomba izany sisa no hikendreny hanamaivanana ny vola mivoaka ao aminy ? 

Ny Valosoa.

Raharaham-pirenena

Tsy ho afa-panadinam-panjakana ny fitondra misy

 

Akaiky ny fanadinam-panjakana samihafa toy ny Cepe sy ny Bepc ary ny Bacc . Samy efa seriny daholo na ny Mpianatra na ny Mpampianatra na ny Sekoly na ny Ray aman-dReny . Tsy misy ny fahagagana fa izay tsara fiomanana sy nianatra tsara nandritra ny taona dia mahatoky ny tenany fa ho afam-panadinana ; ireo izay  tsy dia nifantoka loatra kosa dia be fanahiana sy mitaintaina na ho afaka na tsy ho afaka. Io no tena betsaka amin’ny mpanala fanadinana eto Madagasikara . Fa misy kosa ny mpianatra izay mahatoky ny tenany fa tsy ho afaka mihitsy satria tsy mianatra lesona , mingitrika lava sy ny sisa… Ankoatra izay dia azo hitsarana dieny mialoha ny mpanala fanadinana koa ny naotiny andavanandro tany ampianarana . Raha apetraka ary ny fanontaniana manao hoe : iza amin’ireo karazana  mpianatra 3 ireo no mitovy amin’ity fitondram-panjakana ity ? Ireto ny naotiny andavanandro ahafahanao mamaly ny fanontaniana :

 

– Ady amin’ny tsy fandriampahalemana : 02 / 20

– Ady amin’ny kolikoly                         :  03 /20

– Ady amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana:  03/20

– Fiarovana ny Mpandraharaha Malagasy : 05/20

-Fiarovana ny tany tsy ho lasan’ny vahiny : 04 /20

-Polikam-pampandrosoana momba ny angovo : 05/20

– Fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra  : 05 / 20

– Fampiroboroboana ny indostria sy ny asa tanana : 04 / 20

-Politika Iraisam-pirenena                                     : 02 / 20

-Fanendrena Ambasadaoro                                   : 01 / 20

Valim-panadinana   : TSY AFAKA ary mety ho voaroaka fa manalabaraka ny sekoly sady mandany vola ny Ray amandReny amin’ny fandoavana Ecolage izany ity fitondram-panjakana ity.

Rina Rabemananjara

GValosoa a8

GValosoa a7

GValosoa a6

Tany ambadika.

Fandriampahalemana

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s