« Kamboty Ray », Nitiah Nosy.

Kamboty ray!

 

Mafaitra loatra ‘ty anjarako,
F’ilay ray mba nifaharako:
maty, tsy afaka nanoatra,
efa mponin’ny any ankoatra!
Saron’aizina tsy satry,
mifika jalim-po tsy tanty;
fa ny AIN’i dada fihantana,
no tankina tsy voatana!

Mitan-takolaka an-tokonana,
toa tsy hahita fiononana!
Nilaozam-bintana nihilana,
fa folak’andry niankinana!
Nipitrapitra tsy afa-niady,
‘ty efa zatra tambitamby!
F’i dada tiako, fiantsampazana,
no natelinao ry fasana!

Ny fitiavan-tsisy fetra,
ireo hafatrao rehetra:
solonao hiononan-tsaina,
ampinga ho ahy enti-miaina!
Ny tara-bolam-penomanana,
sisa ataoko tsara tazana;
haminaniako ny endrikao,
mitazana ahy, tsy mandao!

……………………………………..

Ka ny tanam-bovokovoko,
no hampiononako ny foko;
tazaniko eo, hankahery;
fa ao i Dada no mijery!

Nitiah Nosy

Juin 2017.

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s