Ny Valosoa, 17/06/2017. L Ravalomanana, Hery Rajao, Kolikoly, Fifidianana 2018… Arp Helisoa, Mcm-Tanà.

 

.

Misaona ny antoko TIM

Nodimandry tampoka ny depiote Ernest Randriamiandrisoa .

 

Misaona  indray ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM)   fa nodimandry tampoka teo amin’ny faha- 49 taonany  ny depiote teo aloha tao Antsirabe 2 , efa mpikambana tao amin’ny kongresin’ny tetezamita,    Randriamiandrisoa  Ernest . Tamin’ny fahavelony Itompokolahy  dia mpitarika  ny antoko Tiako i Madagasikara  tao Antsirabe  ary isan’ny  mpitari-tolona   nahafatrapo  nitaky ny  hiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana teto an-tanindrazana  izay nahatonga azy  ho  nampidirin’ny  fitondràna  tetezamita am-ponja  tao Antsirabe .   Mpikabary nikohizana ihany koa no nahafantaran’ny mpiara-mitolona azy  teny an-kianja .  Ny gazety  Ny valosoa  vaovao dia  mirary fiononana feno ho an’ny fiakaviany . Helisoa

.

Avy any Afrika Atsimo dia ho any Kanada

Mety tsy hanatrika ny matso etsy Mahamasina i Neny

 

Avy atsy frika Atsimo dia ho any Kanada indray ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Lalao Ravalomanana, na i Neny. Tatsy amin’ny tanànan’i Tshwane Afrika Atsimo izy dia nanatrika ny fivorian’ireo ben’ny tanàna avy amin’ny Renivohitra miisa 29 aty amin’ny Kaontinanta Afrikana. Any Kanada indray dia fivorian’ireo tanàn-dehibe sy Renivohitra manerana izao tontolo izao no hatrehany any. Efa fandaharam-potoana voafaritra tsara ny handehanany any Kanada ary mifanindry amin’ny fankalazana ny fetim-pirenena eto amintsika amin’ny 26 jona, noho izay antony izay mety tsy hanatrika ny matso lehibe hatao etsy Mahamasina i Neny, fantatra ihany koa araka ny vaovao voaray fa hiara-dia aminy any Amerika Avaratra izao ny mpanolotsaina manokan’ny ben’ny tanàna, ny Filoha Marc Ravalomanana.

Fa tafaverina an-tanindrazana omaly tolakandro ny Ben’ny tanàna  Lalao Ravalomanana, izay niatrika ny fivoriambe tany Tshwane Pretoria Afrika Atsimo, izay niarahana tamin’ireo Ben’ny Tanàna an-tanàn-dehibe miisa 29 aty Afrika. Votoatin’ny fivoriana dia niompana amin’ny  « inona no fampandrosoana maharitra hatao amin’ny Renivohitra ». Nisy tetikasa 12 no nodinihina tao amin’ny fivoriana hoy ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana, ary anisan’ny nandraisany anjara tamin’izany ny resaka « Agriculture Urbaine na ny fambolena an-drenivohitra». Noresahan’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana ihany koa ny mikasika ny  fitaterana , ny fahasalamana sy ireo rehetra misy eny amin’ny tanàn-dehibe. Hitohy any Montreal Kanada ny fivoriana.

Azo antenaina hoy  izy ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra indrindra amin’i Afrika Atsimo. Ka ny Ben’ny Tanànan’i  Tshwane dia  vonona hifandray amintsika ary  hifampizara ireo traikefa hananany izay hita fa mahomby . Tao aorian’ny fivoriana tatsy Afrika Atsimo, nisy ny fanambaran’i Tshwane, nifanaiky ireo ben’ny tanàna avy amin’ireo firenena 29 fa hiara-hiasa sy hiara-hiombon’antoka ho fampandrosoana ny tanàna sy i Afrika ihany koa.

Isambilo.

Pretoria-Hery Rajaonarimampianina.

Tsy hanao fafikatrana ny volany eto amintsika ny Afrikana Tatsimo

 

Isaky ny mandeha any ivelany ny filohampirenena Hery Rajaonarimampianina  dia  vaovao  mampandry adrisa  ny vahoaka Malagasy no betsaka   amin’ny filazàna ombieny ombieny  fa mahomby   ny dia  atao  tatsy   sy  teroa . Nipoapo ka  indray  ny  fampahalalambaovao   fa  nahomby  hono  ny dinika  natao tany Afrika Atsimo  niarahana tamin’ireo mpamatsy  vola an’i Madagasikara  hampandrosoana  ny firenena . Tsy efa toy izany ihany ve ny  dinika niarahana  tamin’ny   mpamatsy  tany Frantsa  nampanantenanà  an’i Madagasikara fa ahazo  10 miliara dolara  e ? aiza io vola io ankehitriny  fa toa manjavona tsy fantatra na aiza na aiza  izay misy azy  hoe azo ihany  ve sa  tsia ?  

Dia inona indray izao no ambaran’ny filoha Hery Rajaonarimampianina  rehefa  tonga eto an-tanindrazana   mikasika ny  fanomezana  fanampiana an’i Madagasikara  nivoriana   tany  Afrika  atsimo , sa dia hipetraka ho fampitam-baovao entina hampilendalendàna ny Malagasy  efa ianjadian’ny fahasahiranana  fotsiny ? Tao anatin’ny 3 taona mahery naha teo amin’ny fitondràna ny filoha Hery Rajaonarimampianina  dia  lasa fideraderàna  ny fandehanana any ivelany fa tsy misy vokatra mivaingana  sy  misongadina  rehefa  tonga  eto   antanindrazana  ity farany sy ireo  delegasiona marobe miaraka aminy    ,  lasa fandaniam-bola  sy fitsangatsanganana   no betsaka  . Ka raha hiverenana ny tatsy Afrika Atsimo nofinofy ihany izany vola ho azo avy any izany, ny Frantsay sy ny Eoropeana aza tsy manome ny 10 miliara dolara hatramin’izao, ka tsy ny Afrikana Tatsimo no adala ka hanome ny volany hatao fafikatrana eto amintsika fotsiny.

Helisoa

Kolikoly avo lenta: mety ho singam-bola handavo ny vositra

 

Mitohy ny filma momba ity raharaha mafana dia mafana fanodinkodinam-bolam-bahoaka eto amin’ny Firenena ity. Efa epizôdy maro izay no nojeren’ny vahoaka Malagasy izay. Inoana anefa fa mbola vitsy amin-dRamalagasy no nahita hatramin’ny voalohany ka tsy dia maharaka firy ny fizotry ny tantara. Tsara hampahatsiahivina ihany ny niandohany, ny taona 2016 no nanomboka ny tantara ary vehivavy no rôla.

Efa iaraha- mahalala fa nanomboka tamin’ny taona 2009 dia efa izay tian’ny tany amin’ny minisitera nanana tetikasa no nahazo ny tolotrasa ary lany vola nividianana ny antontan-taratasy sady lany rondoha fotsiny izay mba liana te-hamaly azy ireny. Mikaikaika daholo ireo orinasa tsy miankina rehetra ary mbola mifofovolo hatramin’izao. Samy nisera daholo kosa ny tandapa sy ny manana rohim-pihavanana aminy rehetra ka nivadika taranja mihitsy ny sasany. Tao ny niketrika ny fanondranana andramena sy vatosoa ka nibodo ny karieran’olona. Niaraha-nahatadidy ny raharaha tany Anjozorobe. Ny zanaky ny filohan’ny Repoblika no voatonontonona tamin’ireny saingy nilamina ihany ny tantara satria tsy nisy nanana na sahy namoaka ny porofo loatra. Nisy koa ny raharaha fanondranana andramena tany Singapour, ny mpandraharaha tany an-toerana nanafatra izany no nosazian’ny fitsarana tany. Tsy fantatra kosa ny tohin’ny tantara momba ireo manampahefana gasy voarohirohy tamin’iny raharaha iny satria tsy hita koa, angamba, izay porofo.

Ny tsapa dia iny fihaonana an-tampon’ny firenena miteny frantsay na frankofonia iny no tena nampirongatra ny raharaha maloto rehetra. Nihazakazahan’ny mpitondra tokoa mantsy ny fanorenana fotodrafitrasa. Nitsiry tao andohan’ity vehivavy malaza tao anatin’ny fotoana fohy ity sy ireo manampahefana azony antoka tany amin’ny departemanta isan-karazany tany ka afaka mamoaka ny vola ilaina rehetra. Tsy misy vola tafavoaka fotsiny amin’izao anefa fa tsy maintsy misy tetikasa ka tany amin’ny kaominina lavitr’andriana tany no namoronana izany. Voatendry ho praiminisitra, ny praiminisitra amin’izao fotoana izao, ka mbola mitazona ny minisiteran’ny ny atitany mandrak’ankehitriny. Nanao ny fanadihadihana  momba izany tetikasa izany ny “inspecteurs d’Etat” ka nanomboka nirehitra ny “afo”, niezaka namono izany ny fitondrana ka nanampim-bava ireo nanao fanadihadihana. Heverina fa tsy nipetrapetraka fotsiny izy ireo ka azo inoana fa izay no antony nirotsahan’ny Birao Mahaleotena Miady amin’ny Kolikoly an-tsehatra. Porofo mivaingana tsy azon’izan’iza nolavina ny fitsanganan’ilay hotely lehibe eny Ivato izay nandraisana ireo vahiny manankaja satria mpanolotsaina tsy hanam-bola be amina miliara entina hananganana izany. Nitohy ny tantara ka na dia nampanantsoin’ny BIANCO aza izy dia tsy nipoitra mihitsy satria mbola nahazo antoka fa tsy maintsy hiaro azy ireo manampahefana namany. Nanomboka nidedaka anefa ny afo ka mety ho may daholo  ny manodidina rehetra ka toy ny amin’ny filma rehetra dia tsy maintsy voa mafy hatrany ny rôla amin’ny voalohany ka voasambotra.

Tsy nisy fampijaliana azy anefa dia mody nitolefika izy ka tonga ny mpanavotra ary nitondra azy nivoaka ny sisintany, amin’izay, angamba, tsy misy afaka manarakaraka. Diso ny kajy satria tokony ho nangataka fialokalofana ara-politika izy rehefa tonga tany amin’ny Nosy Maorisy. Aretina anefa no nitondrana azy nitsoaka fa tsy noho ny antony politika ka rehefa hitan’ny tany fa tsy nisy tokony ho nitazonana azy dia voatery naverina teto. Mba tsy hisy afaka hikitikitika azy anefa dia narovan’ny tao amin’ny hopitaly izy ka saika tsy nisy afaka nijery azy tao na dia ny tao amin’ny fitsarana aza. Nampitombo ny lelan’afo anefa ny fitokonana fanairana roa andro nataon’ny mpitsara ka nilefitra ny tao amin’ny hopitaly. Nampiharina ny didy fampidirana am-ponja vonjilaika ny rôla teny Antanimora. Azo inoana fa mitohy mitady ny hevitra hanavotana ity vehivan’ny taona 2017 ity ny ao amin’ny fitondrana sy ireo manampahefana voasaringotra amin’ity raharaha ity.

Tsy ny mpitsara irery intsony no mitaky ny hisamborana ireto farany fa ny vahoaka mihitsy. Ka azo heverina fa tahotra ny fitsaram-bahoaka no anton’izao famindrana toerana azy any Manjakandriana izao. Raha ny zava-nisy tany aloha anefa dia ny gadra politika no nalefa tany amin’ny fonjan’i Manjakandriana, indrindra ireo nahiahiana ho nanongam-panjakana. Sarotra tokoa ny fandidiana amin’izao fotoana izao, raha mitohy miparitaka ny afo dia mety ho ity raharaha Tatie Clô ity no hampiongana izao fitondrana izao satria tandapa eny Iavoloha izy ary ny eny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo no mitazona ny lakilen’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana.

Andry Tsiavalona

Valosoa Sab5

Valosoa Sab6

Valosoa Sab7

Valosoa Sab8

Valosoa Sab4

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s