« Mila Ray vaovao ny Firenena », Dadan’i Zina, GValosoa.

MILA RAY VAOVAO NY FIRENENA

(Eritreritra nipoitra nandritry ny fankalazana ny fetin`ny ray)

 

Misy rain`ny firenena mahalasa saina ihany

Fa minia tsy te hahalala ny amin`ny fahorian`ny zanany.

Zanaka efa faraidiny , reraky ny mitomany,

Saingy akimpiny ny masony ary akombony ny tanany.

 

Tena zatra ny mampiesona ary  dia tsy mahafoy,

Fa toa mazàna misavoana , faly ny mampiaka-peo.

Sahiny aza  ny miteny hoe : “asehoy sy porofoy

Fa noana sy mahantra marina ireo ilay be taraina ireo.”

 

Dia ray tahaka izany ve no mbola andrasana hampivoatra

Sy hampisondrotra indray ny fari-piainan`ny vahoaka ?

Mahakivy , mampisento fa dia hafahafa loatra

Raha dia ray kanefa indrisy : “aotra” sy “tsy misy hapoaka”.

 

Aleo tsy misy ray akory , fa mijaly ireto zanaka,

Raha dia ray tahaka izao no mbola hibahana eto an-dasy.

Tsisy filaminana eto , be no trotraka sy lanaka.

Mila ray hiahy ny fiainany ny vahoaka malagasy.

 

          DADAN`i ZINA  ( 19-06-17). GValosoa.

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s