Ny Valosoa, 20/06/2017. Tim (15 taona), Hvm, Tan-dalàna, Maitre Olala, Cram. Arp Helisoa, Mcm-Tanà.

Ny Valosoa b2

Fitondrana Hvm

Manao teti-panorona familivilian-tsaina sisa

Tsy miketrika mifototra amin’izay hamahana ny olam-bahoaka ny fitondrana raha ny fahitana ny zava-misy amin’ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Raharaha mivaivay maromaro mahakasika ny fitondrana no tsy maintsy vahana amin’ny fomba maro samihafa. Anisan’izany ny raharaha Claudine Razaimamonjy, izay hita miharihary, fa ikarohan-dalana mafy ny tsy hieritreretan’ny vahoaka ny momba azy. Tanjona amin’izany ny hampirimana mangina ny antontan-taratasiny raha araka ny fizotran’ny raharaha ihany no jerena toy ny nandefasana azy any Manjakandriana tamin’ny herinandro lasa teo.

Tsy mandehandeha ho azy ireny fa misy antony ao ho an’ny mpandinika, ary misy tanjona ho tratrarina. Iza no tompon-kevitra amin’izany? Azo vinavinaina ihany ny mety ho valin’izany raha ny fandehan-draharaha hatrany amin’ny aprily. Mbola tantara mitohy aloha ny amin’iny ka ho hita eo ny hiseho manaraka. Ankoatra an’iny dia mbola eo ihany koa, ohatra, ny raharaha izay zary afenimpenina amin’ny vahoaka, dia momba ny tohin’ny raharaha Antsakabary, izay nanapotehana ny mponina tao aminy sy ny fiainany. Tsy misy miteny an’io ny mpikambana ao amin’ny fitondrana, fa samy mody fanina avokoa. Ary na be resaka any amin’ny fandaharany manokana, ny “Fotoam-bita” aza ny Filohan’ny Repoblika, dia tsy andrenesan-teny momba izany mihitsy na kely aza, fa zavatra hafa no atao be am-bava.

Toy izany ihany koa, ny anton’ireny hetsika be natao angoan-tenda tany Toliara ireny. Mazava loatra, fa fihetsika mikendry ny hamilivily ny saim-bahoaka no kajy politika tanterahin’ny fitondrana Hvm ankehitriny. Fomba fiasa ao anatin’izay ny fampiasana ny “mpamono afo”andro aman’alina mba “hanadiovana” sa “handemena” ny saim-bahoaka. Niaraha-nahita sy nandre tsara ny santionany tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray tao anaty adi-hevitra tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, nefa aloha sendra nahay azy koa izy tamin’izany, ary ren’ny vahoaka ny tena marina sy ny tokony hosainina sy hazonina. Soa fa misy ireny karazan’olona ireny afaka hanampy ny vahoaka sy hanazava ny sainy ao anaty tetika “fanajambana” atao azy.

Misy hatrany ireo olona ampisain’ny fitondrana hanao izay hamiliviliana ny marina eto amin’ity firenena ity. Ireny olona ireny no anisan’ny fositra sy fanetriben’ity firenena ity ka mahatonga azy ho amin’izao toerana misy azy sy ny vahoaka Malagasy izao. Azo heverina, fa tsy hiova amin’izao politika familivilian-tsaina ny vahoaka izao ny fitondrana Hvm hatramin’ny taona 2018 hisian’ny fifidianana filoham-pirenena eto.     

EDITO. Ny Valosoa.

Firenena tan-dalàna: ny ataon’ny mpitondra ihany no modely ratsy

Ray amandrenin’ny vahoaka Malagasy roambiroapolo tapitrisa, hono, ny filohan’ny Repoblika IV. Eo anatrehan’ny lalàna dia misy singa roa tsy maintsy feno sy miara-dàlana vao hahafahana milaza izany: ny ara-drariny (légitimité) sy ara-dalàna (légalité). Tsy ara-drariny ny maha filohan’ny Repoblika an-dRajaoanarimampianina Hery satria ny dimy ambiroapolo isan-jaton’ny mpifidy (25%) voasoratra tao antin’ny lisitry ny mpifidy ihany no nandatsa-bato ho azy. Raha tsiahivina dia valo tapitrisa teo ho eo ny mpifidy (8 millions), efatra tapitrisa (4 millions) no tonga nandatsa-bato ary roa tapitrisa (2 millions) no nifidy azy tamin’ny fihodinana faharoa. Satria nahazo mihoatry ny antsamanilan’ny vato nanan-kery izy dia nambaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana fa lany izy.

Araka izany dia ara-dalàna ny nahalaniany ho eo amin’izany toerana maha filohan’ny Repoblika azy izany. Noho izay maha ara-dalàna ny fahalaniany izay dia miezaka ny politisiana sasantsasany mpanara-dalàna (légalistes) manaiky sy manaja ny didy navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ka manaiky ny maha filohan’ny Repoblika azy araka ny sata repoblikana.

Araka ny voalaza etsy ambony anefa dia tsy ara-drariny ny nahalaniany satria iraika ambinifolo isan-jaton’ny vahoaka Malagasy (11%) eto anivon’ny Firenena ihany no maha filoha azy. Tsy filoham-pirenena izy sady tsy ray amandrenin’ny vahoaka Malagasy iray manontolo fa filohan’ny Repoblika. Tena mampieritreritra ihany anefa ny zava-misy sy iainan’ny Malagasy nandritra izay telo taona sy tapany nitondran’ny HVM ny Firenena izay, fa arakaraky ny hanekena ny maha ara-dalàna ny fitondrana io mihitsy no mampanjaka ny tsy fanarahan-dalàna. Ny Lalàmpanorenana izay lalàna fototra no tsy hajain’ny mpitondra. Marina fa norafetina  maimaika nifanaraka tamin’ny famerenana ny mpitondra tao amin’ny tetezamita eo amin’ny fitantanana ny Firenena io lalàmpanorenan’ny Repoblika IV io. Tanteraka tamin’ny ampahany ihany izany satria na dia voailika tsy ho kandidà ho filoham-pirenena aza Rajoelina Andry dia ministra tamin’ny tetezamita ihany Rajaonarimampianina Hery.

Na dia lasa mpifanandrina (mba tsy ilazana fa mpifahavalo) aza izy roalahy ankehitriny dia niara-nitantana tamin’izany fotoana izany. Raha ny lojika sy araka ny lalàmpanorenana dia ho Rajoelina Andry no praiminisitra satria ny Mapar no manana depiote maro arak’isa ao amin’ny Antenimieram-pirenena, sivy ambiefapolo (49) izay nanan-jo nanolotra azy ho amin’izany toerana izany. Niaraha-nahalala fa tsy izay no nitranga ary izay no fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana voalohany nataon’ny mpitondra ary teo koa no nanomboka ny disadisa teo amin’ireto mpiara-mitantana ny tetezamita ireto. Ireo mpikambana eo anivon’ity andrim-panjakana ity ihany koa dia manitsakitsaka ny lalàmpanorenana satria tsy azon’izy ireo atao mihitsy ny manao fifindran-tsokina ka miala amin’ny antoko nanolotra azy ho kandidà solombavambahoaka mandritra ny fepotoana iasany araka ilay antsoina hoe “mandat imperatif”.

Fantatra tokoa ankehitriny fa na dia tsy nanana depiote lany avy amin’ny antokony aza ny HVM dia maro an’isa, hono, izy ankehitriny ao amin’ny Antenimieram-pirenena. Milaza ombieny ombieny ny filohan’ny Repoblika IV fa miaraka amin’ny vahoaka ary mahafantatra tsara ny fiainam-bahoaka ka tsy mikatsaka afa tsy ny mahasoa ny vahoaka sy ny fampandrosoana ny Firenena. Tsy izany no iainan’ny Malagasy tato anatin’izay telo taona sy tapany izay satria tsy voafehin’ny filohan’ny Repoblika ka lasa tsy tan-dalàna ny manodidina sy mpiara-miasa aminy akaiky ary ny mpikambana sasantsasany ao amin’ny fahefana mpanatanteraka.  

Porofon’izany ny raharaha Razaimamonjy Claudine sy ny fanafihana nataon’ny senatera iray ny Birao Mahaleotena Miady amin’ny Kolikoly teny Ambohibao. Tsy fanarahan-dalàna kosa anefa no natao tamin’ilay senatera niantso “tanàna maty” taorian’ny 29 Martsa 2016 izay mbola misitri-belona mandrakankehitriny satria izany no antsoina hoe “procès d’intention”. Ampahany amin’ny tsy fanarahan-dalàna ihany ireo voatanisa ireo kanefa tsy bado daholo ny vahoaka any ambanivolo any sy ny mponina an-tanàn-dehibe ka izay no mahatonga ny fihoaram-pefy etsy sy eroa. Tsy manaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana intsony ny mpitondra fiarakodia satria manao izany ny manampahefana. Tsy fehezin’ny lalàna manan-kery eo amin’ny fitantanana ny tsena intsony ny mpivarotra amoron-dàlana. Manao izay tiany atao ny mpaninjara ka mampiakatra tsy misy fifampidinihana ny vidin-tsolika. Tsy takatry ny fahefa-mividin’ny olompirenena intsony ny fisondrotry ny vidim-piainana ka betsaka ny manaotao foana. Tsy misy manaiky ilay fitenenana hoe “izay lazaiko harahina, fa aza ny ataoko no hatao”, kanefa izao iaraha-mahita izao fa izay ataon’ny mitonon-tena ho lehibe ihany no arahin’ny madinika.

Andry Tsiavalona.

Me Ôlala

Tsy misy fampandrosoana azo antenainaina amin’ny fitondrana HVM

Nazava ary nahitsy ny nambaran’i Me Olala raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tany Fort-Dauphin’ny tenany ny herinandro teo. Nambarany fa tsy afaka iara-miaina amin’ingahy Rajaonarimampianina intsony ny vahoaka. Manaporofo izany ireo toreo sy kiakiakan’ny vahoaka saika hita manerana an’ i Madagasikara. Iza moa hoy ity mpisolovava ity no tsy himenomenona manoloana ireo tranga tsy fahita kanefa noho ny herim-pamoretana tsy afaka-mikofoka: asan-dahalo miaro vonoan’olona, asan-jiolahy saika manerana ireo tanàn-dehibe, fanaovana barofo tani-manatompo, fanodinana sy fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena.Very fanahy mbola velona ny gasy, vidim-piainana midangana andro aman’alina.

Nanjavona ireo tolona nataon’ny tia tanindrazana hatramin’izay. Amin’ ity mpanao politika mpahay lalana ity, ny fampiharana ara-bakiteny ny lalàna velona amin izay mivily lalana no vaha olana. Midera ny fahasahian’ny SMM sy ny sendikan’ny greffier izy. Vonona hanampy ho an’ ireo izay mitolona ho an’ny tanindrazana ny tenany. Tsara raha miray hina isika gasy ialana amin’ity zava-doza ity hoy izy. Notsindriany » fa na hanao mazia mazia aza ny ekipan’ny ao Mavoloha, mahakely finoana ihany, ary tsy misy azo antenaina intsony. » Tadidio hoy izy fa hanao izay fomba rehetra hivererenany amin’ny fitondrana indray ry zareo ka tokony ho mailo ny rehetra. 

Mangarahara.

Fanarenana an’i Madagasikara

Mila tanterahana ny loabary an-dasy nasionaly hoy ny CRAM

 

Nangonin’Isambilo

Ny fahitan’ny CRAM na ny Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar ny rafi-panabeazana sy ny fiainam-pirenena eto amintsika indray no Tafatafa androany :

Izahay mpikambana ato amin’ny Birao Nasionalin’ny « Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar (CRAM) » dia manao izao fanambarana manaraka izao manoloana ny firosoan’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena amin’ny fametrahana ny « plan sectoriel de l’Education ».

Tsy afaka ny mandeha irery ny fanorenana ifotony

Ny CRAM dia isan’ny fikambanana nanao fikarohana manokana momba ny fanorenana ifotony sy ny fanarenana an’i Madagasikara nandritra ny taona maro ary nilaza ampahibemaso fa “ny fanovana ny rafitra amin’ny ankapobeny mihitsy, ny fanatsarana fandaharam-pianaran’ny mpianatra Malagasy mifanaraka amin’ny fampandrosoana isam-paritra, ny fijeren’ny mpianatra sy ny mpanabe miaraka ny lalam-piofanana harahin’ny mpianatra rehefa hiditra eny amin’ny ambaratonga ambony izy sy ny hifehezan’ny tanora tia tanindrazana nandrato fianarana ambony ireo harena hananantsika toy ny “pétrole et gaz naturel”, volamena, ny ranomasina, ny tany, ny masoandro, ny rano, ireo Nosy Malagasy manodidina,… no isan’ny fototra hampahomby ny fanarenana an’i Madagasikara”. Saingy tsy afaka ny mandeha irery izany fa tsy maintsy mifanentana amin’ny fanorenana ifotony sy ny fanarenana ny firenena amin’ny ankapobeny mihitsy.

Ny fanovana ny toe-tsaina, ny fampianarana sy fanofanana ireo mpianatra Malagasy hiady amin’ny kolikoly sy ny fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, ho tanora tia ny tanindrazany sy ho olom-pirenena vanona sady ho teknisiana fara-tampony ka ho tompon’andraikitra amin’ny fikirakirana sy fanodinana ny harem-pireneny izay hiteraka ny fananganana orin’asa maro mba hiadiana amin’ny tsy fananan’asa isam-paritra no tanjona ho kendrena.

Ny tanora dia isan’ny harena iray eto amin’ny firenena

Mahatratra 4 tapitrisa ny tanora tsy manana asa eto Madagasikara, izany hoe 70% isan-jaton’ny tanora. Manofana mpianatra ho tsy an’asa izany isika hatreto. Aiza ny andraikitry ny fanjakana amin’izany? Izany indrindra no nilazan’ny CRAM ao anatin’ireo boky  nosoratany nandritra ny taona maro izay mirakitra ny tetik’ady amin’ny fanorenana ifotony sy ny fanarenana an’i Madagasikara toy ny “FOKONOLONA FOTOTRY NY FIRENENA”, “FOKONOLONA SY MANJAKA VAHOAKA”, “FOKONOLONA SY NY FANORENANA IFOTONY” fa tsy mipetraka fotsiny amin’ny lafin’ny toetr’andro ny tsy hampianarana ny mpianatra ao anatin’ny fotoam-pahavaratra fa eo indrindra indrindra ny fandraisan’izy ireo anjara feno mandritra ny fotoam-pialan-tsasatra amin’ny “revolisiona ekolojika, revolosiana maitso, ny herinandron’ny kolon-tsaina izay hametrahana any ifotony ny firaisam-pirenena sy ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena ka  ho faritan’ireo Ray aman-dreny mpikambana ao amin’ny “Tranoben’ny Fihavanana Malagasy”  ny loha-hevitr’izany “herinandron’ny kolon-tsaina sy ny Firaisam-pirenena” izany isan-taona.

Ankoatra izany, mandritra ny “Loabary an-dasy nasionaly ho fanorenana sy fanarenana an’i Madagasikara” no hanaovan’ny mpandray anjara rehetra sonia ny:

  • Satan’ny Fihavanana Malagasy;
  • Dinan’ny fanorenana ara-panahy sy ara-moraly;
  • Satan’ny tontolo iainana;
  • Dinan’ny fitondran-tenan’ny Kandidà sy ny Antoko politika na ny Vondron’ny Antoko politika amin’ny fifidianana Filoham-pirenena.
  • Fifanekena Repoblikana (Pacte Républicain).
  • .
  • .
  • Ny Valosoa b5
  • .
Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s