Montréal Canada- AIMF sy OIF, 22/06/2017. Ny Filoha Ravalomanana mivady.

CUA serasera. 22/06/2017.

Nandritra ny fivorian’ny Fikambanana iraisampirenena ny Ben’ny tanàna miteny frantsay izay atao ao amin’ny palais du congrès ao Montréal Canada dia nisy ny atrikasa mikasika ny  “Groupe de Plaidoyer, statut de l’élu local et de la fonction publique territorial”.

Anisan’ny noresahan’ ireo delegasiona avy eto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra nandritra ny dinika, fa tsy misy finiavana politika mihitsy ny fitondrana Malagasy ho amin’ny fiaraha-miasa amin’ny kaominina an-tanàn-dehibe. Voaresaka ihany koa fa misy ny sakana eo amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fokotany sy ny Kaominina satria ny lehiben’ny Distrika no manendry ny sefo fokotany. Ny tokony ho izy anefa dia omena lanjany ny gouvernance locale na ny fitantanana ifotony.
Hatramin’izao anefa na miezaka miasa aza ny kaominina Antananarivo Renivohitra dia tsy mbola nahazo ny vola tokony ho azy na ny subvention avy amin’ny fitondram-panjakana. Ny teo aloha rehetra anefa dia nahazo izany.


Mitady sy mikatsaka mandrakariva ny tombontsoan’ny Kaominina ny delegasiona izay manatrika ny fivoariana ka dia nanangana ny antsoina hoe Legal Team ivondron’ny mpahay lalàna ny sy ny mpisolo vava, hiaro ny tombontsoan’ny Kaominina sy ny vinavinan’asany eo anivon’ny AIMF sy OIF sy ny maro hafa. Izy ireo no hiady sy hanindry ny fitondrana ho an’ny tombontsoan’ny kaominina, ao anatin’ny fenitry ny lalàna manan-kery, ireo dia hiarahana miasa amin’ny praiministra Kanadianina teo aloha, Andriamatoa Jean Charest, izay manana mpisolo vava miisa 600 eo miara-miasa aminy.


Marihina entoana fa ben’ny tanana avy aty amin’ny kaontinanta Afrikanina miisa 150 no manatrika ity fivoriana ity miampy ireo ben’ny tanana mivondrona ao amin’ny City 40 avy any amin’ny kaontinanta Eropeanina.

Mpinamana mifampatoky sy niaraniasa hatramizay ka hatramin’izao ny filoha Marc Ravalomanana sy ny praiminisitra Kanadianina teo aloha Jean Charest , hitohy hatrany ny fiarahamiasa ! Gazety Valosoa Rakoto, Philippe Emile Razafimanantsoa.

Mandroso Randria avec Arp Helisoa

22 juin 2017 – Montréal Canada

Mitohy ny fivoriambe sy ny dinik’asa hiarahan’ny Ben’ny Tananan’IARIVO Lalao Ravalomanana amin’ireo Ben’ny tanana Metropolis.

Namangy sy niara-nisakafo tamin’ny Praiministra Québec teo aloha Jean Charest ny Filoha Ravalomanana mivady.

Nanatrika ny fotoana sy nandray fitenenana androany maraina ny Praiministra Canada Justin Trudeau, ireo Ben’ny Tananàn’i Paris Anne Hidalgo sy ny an’i Montréal Denis Coderre

Ravalomanana couple1

Ravalomanana couple3

Ravalomanana couple2

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s