Marc Ravalomanana, 8 Jolay 2017. Kianjaben’i Mahamasina.

 

.

Faha-15 taonan’ny TIM sy ho an’ny mpomba an’i Dada

8 jolay 2017, foto an-dehibe eo amin’ny Kianjaben’i Mahamasina

 

Hankalazaina ny faha-4 ny volana jolay ho avy izao ny faha-15 taonan’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), antoko natsangan’ny Filoha Marc Ravalomanana. Ny 4 jolay 2002 tokoa no niova ho antoko Tiako i Madagasikara ny fikambanana Tiako Iarivo, izay fikambanana nirotsahan’ny Filoha Marc Ravalomanana ho ben’ny tanàna tamin’ny fotoan’androny, novany ho antoko politika io satria nirotsaka ho Filohampirenena izy tamin’ny taona 2001.

Noho ny maha andro hiasana ny 4 jolay anefa amin’ity taona ity dia ny sabotsy amin’ny herinandro misy io daty io, no nosafidian’ny ao amin’ny antoko hanamarihana amin’ny fomba ofisialy izany tsingerin-taona izany, dia ny sabotsy 8 jolay eo amin’ny Kianjaben’i Mahamasina, na Kianja Monisipalin’i Mahamasina. Lohahevitra hitondrana izao fanamarihana izao ny “famondronan-kery, ny fisokafana amin’ny antoko sy ny sokajin’olona ary ny fikambanana samihafa mpomba ny Filoha Marc Ravalomanana tsy ankanavaka”.

Noho izay antony izay, ho tonga amin’io fotoana io avokoa ny avy amin’ny antoko TIM manerana ny Nosy, toy izany koa ireo fikambanana sy sokajin’olona samihafa mpomba an’i Dada tsy ankanavaka. Hanafana ny fotoana ireo mpanakanto efa mpanafana ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka hatramin’izay, fa ho avy mandritra io fotoana io koa ireo artista malaza sy kalaza amin’izao fotoana avy amin’ny lafy valon’i Madagasikara. Efa samy miomana amin’ny fiatrehana izany ankehitriny ny avy amin’ny antoko TIM, ny avy amin’ireo antoko sy fikambanana ary sokajin’olona samihafa mpomba ny Filoha Marc Ravalomanana.

Isambilo. Ny Valosoa.

.

Tim 15 taona a3

 

 

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s