Montréal Canada. « Dada sy Neny Vonona hanarina ny Firenena ». TiaTanindrazana.

Dada sy Neny Vonona hanarina firenena

23/06/2017

Hankalaza ny faha-15 taonany ny antoko TIM ny 8 jolay ho avy izao. Mialoha ny hanaovana izany sy hanamarihana ny fetim-pirenena dia niatrika ny fivorian’ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna miteny amin’ny ampahany na manontolo

 ny teny frantsay tany Montréal Canada ny 19-22 jona ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana ary tany an-toerana ihany koa ny filoha nasionalin’ny TIM Marc Ravalomanana. Nambaran’ity farany fa tsy mora ny fanarenana ny firenena ka nohararaotiny tany Canada ny fitadiavana mpiara-miombon’antoka. Betsaka ny mpandraharaha nihaona sy nitafa taminy. Anisany ny praiminisitra kanadianina teo aloha Jean Charest. Hoporofoina mandritra io fankalazana ny faha-15 taona io, hoy Atoa Marc Ravalomanana fa antoko matanjaka ny antoko TIM, ary vonona handray anjara mavitrika amin’ny fanarenana ny firenena izay efa latsaka lalina any amin’ny fahantrana. Mahafantatra tsara ny zava-misy sy ny zava-marina i Dada sy Neny ary tsy hikoso-maso amin’ny fanarenana ny tanànan’Antananarivo sy ny firenena araka izay azon’izy ireo atao.

Tsy misy finiavana politika mihitsy ny mpitondra

Ny alarobia 21 jona teo dia nisy atrikasa izay nampitondraina ny lohahevitra hoe “Groupe de Plaidoyer, statut de l’élu local et de la fonction publique territoriale”. Anisan’ny noresahan’ireo delegasiona avy eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra nandritra ny dinika fa tsy misy finiavana politika mihitsy ny fitondrana Malagasy ho amin’ny fiaraha-miasa amin’ny kaominina an-tanàn-dehibe. Misy ny sakana eo amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fokontany sy ny kaominina satria ny lehiben’ny distrika no manendry ny sefo fokontany. Ny tokony ho izy anefa dia omena lanjany ny « gouvernance locale » na ny fitantanana ifotony.

Hatramin’izao na miezaka miasa aza ny kaominina Antananarivo Renivohitra dia tsy mbola nahazo ny vola tokony ho azy na ny « subvention » avy amin’ny fitondram-panjakana. Ny teo aloha rehetra anefa dia nahazo izany. Mitady sy mikatsaka mandrakariva ny tombontsoan’ny Kaominina ny delegasiona izay nanatrika ny fivoariana, ka dia nanangana ny antsoina hoe « Legal Team » ivondronan’ny mpahay lalàna ny sy ny mpisolovava, hiaro ny tombontsoan’ny kaominina sy ny vinavinan’asany eo anivon’ny AIMF sy OIF. Izy ireo no hiady sy hanindry ny fitondrana ho an’ny tombontsoan’ny kaominina, ao anatin’ny fenitry ny lalàna manan-kery.

Hiarahana miasa amin’ny praiminisitra kanadianina teo aloha, Jean Charest ireo, izay manana mpisolovava miisa 600 miara-miasa aminy.  Marihina fa Ben’ny tanàna avy aty amin’ny kaontinanta Afrikanina miisa 150 no manatrika ity fivoriana ity, niampy ireo Ben’ny tanàna mivondrona ao amin’ny « City 40 » avy any amin’ny kaontinanta Eoropeanina. Mampiavaka an’i Marc Ravalomanana mivady ny fanaovana zavatra matihanina. Sady miresaka amin’ny mpiara-miombon’antoka no maka taraikefa hatrany, ary miafara amin’ny asa mivantana.

Toky R. TiaTanindrazana.


Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s