26 Juin 2017. « Dia tonga indray ity e », Mamitiana Randrianarison (Mcm-Tanà).

DIA TONGA INDRAY ITY E

 

ataovy izay mety fa tonga ny fety
asio indray tapôlaka mirefodrefotra
iantsoy mpampirevy izay tena vedety
hatreto milamina mandra-pitsefotra

angaha tsy izay foana no fankalazana?
laniana ny vola indramina lava
hijery afomanga izao ny eto an-tanàna
ka antsoy mba hijery ny ankizy, ny zaza

tsy dia mahagaga! efa zatra ny tena
mitazana gasy mirevy sy mamo
malaza mahantra mivarotra harena
ambakambakaina dia hambara fa kamo

izao tena mety ho an’ny « jiolahy mikenda »
nampakarina teo toa hanoa hagaigena
sakaizam-bozongo ka tia rendrarendra
tsy mitsaha-mamarotra harem-pirenena

dia eto ary isika arosoy indray ny revy
angaha tsy izay foana no teto hatrizay?
aza ela kabary moa ianao Raprezy
mba tsinjotsinjovy amin’izay ilay anay

sa…?!?

sao dia tsy hiverina ho eo izato izy
no mangorona mafy, manao bemarenina?
sa hidongy velona indray hiambozizy?
ireo nanohana anao ary ireo izao nanenina

 

NARY. Mamitiana Randrianarison

16/06/2017

.

26 Juin 2017 1

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s