Ny Valosoa, 24/06/2017. Marc Ravalomanana, Fetim-pirenena, Frantsa. Arp Helisoa, Mcm-Tanà.

Marc Ravalomanana

Ho porofoina amin’ny 8 jolay fa antoko matanjaka ny TIM

Isambilo

Momba ny raharaha polkitika, hankalaza ny faha-15 taonany ny antoko Tiko i Madagasikara (TIM) ny 8 jolay ho avy izao. Nambaran’ny filoha mpanorina ny antoko, Marc Ravalomanana fa tsy mora ny fanarenana ny firenena , ka izany no anisan’ny nohararaotiny tany Canada nitadiavana mpiara-miombon’antoka. Betsaka rahateo ny mpandraharaha nihaona sy nitafa taminy tany an-toerana. Isan’ny nihaona taminy koa ny praiministra kanadiana teo aloha Jean Charest. Ho porofoina mandritra io fankalazana ny faha-15 taona  io hoy ny filoha Marc Ravalomanana fa antoko matanjaka ny antoko TIM, ary vonona handray anjara mavitrika amin’ny fanarenana ny firenena izay efa latsaka lalina any amin’ny fahantràna. Ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny antoko TIM amin’ny sabotsy 8 jolay ho avy izao io dia hatao ihany koa ho an’ny vahoaka rehetra tsy ankanavaka, misokatra amin’ny rehetra tsy ankanavaka hatrany i Dada sy ny antoko tarihany hoy izy.

Ny Valosoa 24 J2

Tantara

Voatery i Frantsa tamin’ny famerenana ny fahaleovantena

Rina Rabemananjara

 

Tsy Madagasikara irery akory no niverina ny fahaleovantenany rehefa nipaika ny taona 1960 fa Firenena maro taty Afrika raha ny Zanatany Frantsay no resahana ka anisan’izany i Algerie . Ny fanontaniana nipetraka dia ny hoe : fa angaha nilatsahan’ny Fanahy Masina tampoka teo ny fitondrana tao Paris ka niova fo namerina ny Fahaleovantenan’ireo Firenena nozanahany ? Tsia avy hatrany ny valiny ; nandritra ny fampielezankevitra nataon’ny Jeneraly De Gaulle tamin’ny fifidianana Filohampirenena tany Frantsa taloha kelin’ny 1960 dia anisan’ny fampanantenana nataony ny hamerina ny fahaleovantenan’ireo Firenena Afrikanina nozanahan’i Frantsa raha lany izy .

Ny tena marina dia mafy ny tsindry iraisam-pirenena  ka sarotra ny mbola hanjanatany sady efa teraka koa ny Société des Nations izay Razamben’ny Firenena Mikambana ; efa nanomboka niparitaka erantany ny resaka Zon’olombelona sy ny ady amin’ny fanavakavahana na dia mbola nafana vay aza ny tatsy Afrika Atsimo . Sarotra ny toeran’i Frantsa ka tsy maintsy namerina ny Fahaleovantena . Fomba hafa indray no nentiny nanjanaka dia ny fanambatambazana ny mpitondra ao amin’ilay Firenena mba hahafahana mitsetsitra ny harenany.

Raha ho an’i Frantsa manokana dia anisan’ny mamelona azy i Afrika ankehitriny ; mafy mantsy ny fifaninanana eo amin’ny Toekarena erantany satria manana ny heriny ny tany miteny Anglisy tarihan’i Grande Britanika sy Etazonia , eo koa ny Firenena any Azia sy ireo Firenena vao misandratra toa an’i Afrika Atsimo , Inde , tsy lazaina intsony i Chine . Ao amin’ny Vondrona Eoropeana indray dia Allemagne no tena heriny . Raha tsorina dia sempotra ny Frantsay ka izay no mahatonga azy hanambitamby ny tany Afrikanina nozanahany .

Mila manana ny maha izy azy ny Malagasy manoloana izany fa tsy hifampihinana an-toerana eto,  sa ahoana hoy ianao ? 

Ny Valosoa 24 J4

Fiandrianam-pirenena: tsy hisy izany raha tsy mahaleotena ara- toekarena i Madagasikara

Andry Tsiavalona

Tao amin’ny « Fotoam-bita amin’ny filoham-pirenena » dia nanao antso avo amin’ny Malagasy tsirairay Rajaonanarimampianina Hery fa « mila mijoro mametraka ny fiandrianam-pirenena ny Malagasy ». Ny maha lasa saina dia mbola manilika ny andraikitra amin’ireo mpitondra teo aloha izy momba ny tsy fisitrahan’ny Firenena sy ny Malagasy izany. Miaiky ihany koa ny filohan’ny Repoblika fa tsy mbola miaina ao anatin’izany fahaleovantena izany ka amin’izao fitsingerenan’ny faha- 57 taona izao kanefa tany manankarena ara-boajanahary ity Nosy ity. Tsy mahamenatra ny milaza fa tsy nanana fahaleovantena ara-politika sy ara-toekarena i Madagasikara nandritra ny fitondran’ny Repoblika I satria mbola ny mpanjanaka no nifehy ireo sehatra roa ireo.

Na izany na tsy izany dia tsy azo lavina fa na dia nobodoin’ny « voanjo » aza ireo tany namokatra sy nidadasika  dia afaka namokatra sady tsy nanana olana ara-tsakafo na ny tany ambanivohitra na ny an-tanàn-dehibe. Ny mpiasa na fonksionera na tany amin’ny tsy miankina, eny hatramin’ny mpivarotra aza dia afaka namelona tsara ny ankohonany ary nanana ambimbava mihitsy aza ka tsy vitsy ireo afaka nanorina trano sy nividy fiara. Tsy diso ny mpianatra teny amin’ny ambaratonga ambony raha nitaky ny “fanagasiana” kanefa, angamba, tsy araka ny làlan-tsaina niheveran’ireo avara-pianarana azy tamin’izany ny nizoran’izany fa nibirioka tany amin’ny làlan-diso. Rariny ihany koa raha nalain’ny fanjakana ireo orinasa stratejika teo am-pelantanan’ny mpanjanaka tamin’ny tetezamita 1972-1975 ary mbola nitohy tamin’ny Repoblika II. Natsangana ihany koa ny koperativa sosialista teny anivon’ny tantsaha. Nafarana ny fitaovana vaventy toy ny traktera niisa arivo (1 000) saika nentina namadika ny tany midadasika nampandrosoana ny fambolena.

Tsy araka ny niheverana azy kosa anefa ny nitantanana ireny orinasa sy koperativa ireny satria tsy lasa fananam-pirenena sy fiharian-karena niombonana loatra izy ireny fa lasa fitaovana natokana ho an’ny antoko politikan’ny fitondrana. Napetraka ny rafitra nifototra tamin’ny fokonolona saingy tsy nanana ny fahefana ampy nentina namolavola ny fampandrosoana loatra nifanaraka tamin’ny zava-nisy tany an-toerana izy ireny. Tsy mbola nahazo laka loatra ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany. Andalovana ihany ny Repoblika III-1 sy ny 2 fa hitsambikina amin’ny Repoblika III-3 satria nandritra iretsy roa voalohany dia tsy nisy fampandrosoana azo notsapain-tànana loatra. Tsy misy afaka mandà kosa fa efa nanomboka niainga ny toekarena teto amin’ny Firenena nandritra ny fito taona nijoroan’ny Repoblika III-3. Tsy mbola nisy harin-karena faobe nahatratra fito isan-jato mahery izany raha tsy tamin’io vanim-potoana io, nitondran’ny filoha Marc Ravalomanana. Ho fampandrosoana ny fampandrosoana teo amin’ny lafiny famokaram-bary dia nisy ny “vitrine” teny Iavoloha sy ny fifaninanana ara-pamokaram-bary ho an’ny tantsaha. Heverina fa tsy nisy ny fitsinjarana tsy ara-drariny ny harem-pirenena. Azo lazaina fa tsy nahantra ny vahoaka Malagasy ary voafafa ny trosa tany ivelany satria nisy ny fahaiza-mitantana izay tsapan’ireo mpiara- miombonantoka sy ireo mpamatsy vola. Tsy nanana olana ireo orinasam-pirenena, niroborobo ny orinasa afaka haba toy ny “Agoa” ary nahazo asa ny ankamaroan’ny tanora na nanana diplaoma na tsia. Niavona ara-karama aza ny ankamaroany. Nampitomboina ireo faritra narovana (aires protégées) misy ireo biby sy zava-maniry tsy misy afa- tsy eto Madagasikara kanefa atahorana ho lany tamingana.

Tsapan’ny firenena tany ivelany fa ho lasa firenena matanjaka sy manana ny fiandrianany ary ny fahaleovantenany tokoa i Madagasikara raha nitohy izany ezaky ny fitondran’ny Repoblika III-3 izany. Izay no anton’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 nanonganana an’i Dada. Ka matoa tsy afa-mitraka intsony ny vahoaka malagasy ankehitriny dia nanomboka tamin’io vanimpotoana io no nirongatra ny fanagiazan’ny olombitsy ny harem-pirenena na an-tanety na ambanin-tany na ny an-dranomasina; nahazo laka ny fanondranana an-tsokosoko ireny harena ireny. Niaraha- nahatadidy ny andramena telonjato taonina tratra tany amin’ny Nosy Kaomoro tamin’ny fitondrana tetezamita ary nandeha tany mihitsy ny praiministra tamin’izany fotoana izany, Camille Vital. Tsy fantatra hoe lasa nankaiza na namidy tamin’ny firenena iza. Ny vola aman-jato tapitrisa dolara notakiana tamin’ny orinasa QMM sy Ambatovy. Tsy nisy fitsinjarana ara-drariny izany fa lasa nanan-karena tampoka ny ankamaroan’ny manampahefana tamin’izany fotoana izany. Telo taona sy tapany izao ny Repoblika IV, tsy toko tsy forohana ny harena trandrahan’ny vahiny tsy misy tamberim-bidy ho an’ny faritra misy ny fitrandrahana. Na misy aza mety ho any am-paosin’ny manampahefana.

Ny malaza dia manao fanambarana ny mpitondra fa nogiazana atsy na aroa ireny harena tratra ireny fa tsy misy tohiny intsony fa mitohy foana ny fandihadihana. Raha miantso ankehitriny ny filohan’ny Repoblika mba hitrakan’ny vahoaka malagasy mba hananan’ny tsirairay sy ny Firenena fahaleovantena sy hisian’ny fampandrosoana marina dia tsy antso any anefitra ihany izany satria efa mihàtra amin’ny taolana ny fahantrana. Raha tsy eo ny fahaleovantena ara-toekarena ary voatsinjara ara-drariny izany dia tsy hisy izany fiandrianam-pirenena izany satria mbola mivelona amin’ny hataka sy fandadiladiana amin’ireo firenen-dehibe aloha ny mpitondra hatramin’izao.

Taorian’ny Fahaleovantena

Miha-difotra ny kolontsaina Malagasy

Rina Rabemananjara

57 Taona amin’ny alatsinainy izao ny niverenanan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara . Tsy mora ny nahazoana izany fa tena sarotra , nisy rahateo ny aina nafoy marobe . Rehefa niveria ny Fahaleovantena na dia azo lazaina aza hoe Fahaleovantena Politika ihany dia tsapa fa mbola tsara ny faripiainan’ny Malagasy ; nanana ny lanjany ny vola nampiasaina izay mbola tao anatin’ny faribola Frantsay tamin’izany, izany hoe tany amin’ny taona 1965 tany ho any. Nalaza ny hoe ARIARY BE izay nentina  nilazana fa mahazo zavatra eny amin’ny mpivarotra ny Ariary .

Raha ny tokony ho izy dia nihatsara hatrany ny fiainan’ny Malagasy rehefa foana ny Fanjanahantany . Niaraha-nahita sy niaina anefa fa niha-nahantra ny Malagasy ka ny fomba fisainana no voalohany amin’izany , indrindra rehefa nigadona ny Revolisionina Sosialista satria ny dikan’ny hoe Fahafahana tamin’ny sasany dia Gaboraraka sy tsy fanarahana lalàna. Potika ny Firenena Malagasy tao anatin’izay 57 taona izay ; nisy rahateo ny Fanjanahana amin’ny endriny vaovao izay mbola loza lavitra raha oharina tamin’ny vanimpotoanan’ny Fanjanahantany ; ny fibosesehan’ny Kolontsaina avy any ivelany no tiana ambara amin’izany.

Ao ny Kolontsaina tandrefana izay mora raisin’ny tanora Malagasy indrindra eo amin’ny hira ; ao ny Kolontsaina Aziatika ahitana ny Karana sy ny Sinoa ; ao ny Kolontsaina Afrikanina ; difotra ny Kolontsaina Malazasy satria voazanaka. Miha- maro no tsy mahay araka ny tokony ho izy intsony ny teny Malagasy . Ny dikan’izany rehetra izany dia ny Malagasy ihany no mampahantra ny tenany ka zaran’ny vahiny aza misy izany ahafahany mangorona ny harenan’ny Malagasy. Nandritra ny fitondran’ny Filoha Marc Ravalomanana no nisy masoandro nihiratra saingy ireny niarahana niaina ireny ny fanonganana izay nataon’ny sasany . Tsara anefa ny manamarika fa nisy ny firenena izay nozanahana tahaka an’i Madagasikara saingy efa lasa lavitra .

Tokony ho menatra isika Malagsy . Ny fitaovana ampiasain’ny Foloalindahy mandritra izany efa antitra . Miteraka halahelo ny fanamarihana ny 26 Jona satria mahantra ny 92% ny Malagasy . Tsy azo atao anefa ny kivy satria ny Tantara dia mbola hitohy araka ny hiran’i Nanahary,  sa ahoana hoy ianao?

Scanner

Maty  ireo  marary  mila mampiasa  azy raha tsy manambola

Helisoa

Fahasahiranana no mahazo ireo marary  tsaboina mila fitiliana amin’ny alalan’ny  “scanner”  miditra amin’ny hopitalim-panjakàna  lehibe eto Madagasikara , fa sandaina lafobe  ny vola aloa amin’izy ireny . Ankoatra ny  fandaniana eo  amin’ny  fivezivezéna  ataon’ireo  tsy salama  dia tsy latsaky  ny vola  3 hetsy ariary  no  aloan’ireo marary  amin’izany  . Vokatr’izany , mitaraina  ny  vahoaka  mikasika izany satria  tsy natao ho an’ny sahirana   ity  fitaovana fitiliana  ny aretina mahazo ity  fa  ho an’ireo manan-katao ihany , raha tsy hoe mivarotra tanindrazana angamba . Fa dedaka ny fitondràna Hery Rajaonarimampianina  nitokana  ny   fitaovana vaovao fitiliana  ny aretina Scanner  natolotry ny Rotary Ainga  izay napetraka eny amin’ny hopitaly manarapenitra , mitsinjo ny vahoaka Malagasy sy mijery ny fanatsaràna ny  fitsaboana  eto amin’ny  firenena hono ny mpitondra. Dia mihevitra ve ianareo mpitondra   fa  natao ho an’ny Malagasy tokoa io fitaovana io? ho maimaimpoana ve sa andoavana vola ohatrinona indray? Ho takatry ny fahefa-mividin’ny vahoaka ve? Tsia avy hatrany ny valiny .   

FETIN`NY MPAMITAKA

Hifaly vetivety ireo gasy mahonena

Fa ho avy indray ny fety , ny fetim-pirenena.

Hisesy ny korana , ny matso sy afomanga,

Hafana dia hafana ny hetsika hitranga
Alàna aloha ny saona f `ity no hojerena:

Dia ny tsingerintaonan `ny fahaleovantena.

Ka mody mba hitsiky sy hiarina  tsy fidiny

`Reo noana mitokiky, mahantra faraidiny.

Hampiasa vola indray ireo manana ai-mateza,

Fa fomba toy izay , no enti-miaro seza,

Satria ny zava-bitany , tsy misy izay mivaingana,

Ka fitaka no hitany fa vahaolana haingana.

Vahoaka no fitahina , toloram-petifety.

Amboarina ho pahina , tsy hahita ny tsy mety.

Amboarina hanadino ny fahantrana lalina,

Sao farany mba hino “masoandro sasak`alina”

Fa ny hery vaovao  , noheverina  hanazava ,

Tsy hita hatramin `izao fa mampieson-dava,

Koa haizina tanteraka no hany sisa tazana.

Ry fitondrana reraka , tomany anao ny razana!

 

                              DADAN`i ZINA 23-06-17)

Ny Valosoa 24 J5

Ny Valosoa 24 J7

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s