« Izay ianao izay », Mamitiana Randrianarison (Mcm-Tanà).

IZAY IANAO IZAY

 

anao ilay harena dia ianao no mangataka
mba be ny mpamboly fa tsisy ny harapaka
anao hoe ny tany fa ianao no voatosika
nankaiza ireo « gasy » sa lasa nandositra?

anao hoe ny zo fa giazan’ny mpanana
mody afa-miteny fa ambadika ambanany
fifidianana ianao mba lazainy ho tompony
ny aorinan’izay azy ireo sy ny antokony

anao gasikara e?…f’izy ireo no manjaka
ianao ilay mikaroka f’izy no maka
tojo tany mamokatra…saingy kere
ireo drala trosaina ange tsy nitete

anao ny fahafahana saingy feheziny
ianao ange ka tompony fa io indray vereziny
tsy ampy ny hanaovany pasoka daomy
miteny ihany ianao fa ny ataony no ataony

dia izao…

anao ilay tadiaviny, ianao no manatona
lalaoviny mihitsy hatrany amy takona
mailaka erý ingahy fa nampanantsoina
mora dokafana…mora baboina

anao moa ny harena, izy ireo no hitrongy
izy ireo indray no antsoina ho mpamatsy, mpamonjy
Ireo nosinao izao tenainy…sazohiny
nefa dedaka ianao fa hoe zana-tsy foiny

 

NARY. Mamitiana Randrianarison 

28/06/2017

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s