Paris, SMM « Misy ny tsindry sy sakana avy amin’ny Fitondrana ». Ny Valosoa 29/06/2017. Africa 24 (video).

Fitsarana

Misy ny tsindry sy ny sakana avy amin’ny fitondrana hoy ny SMM

Nisy ny famelabelaran-kevitra narahina ady hevitra nataon’ny SMM tamin’ireo Malagasy any ivelany. Loha-hevitry ny fihaonana ny hoe: « Ny fahaleovantenan’ny Fitsarana ao Madagasikara». Hetsika natao tao amin’ny Université Diderot Paris.

Nanararaotra ny fandalovan’ireo mpiandraikitra ambony ao amin’ny SMM any Eoropa ny GTT, nanasany ny mpiray tanindrazana any ivelany, mba hihaona sy hiady hevitra momba ny tsy fisian’ny fahaleovantena sy ny aretina mahazo ny tontolon’ny Fitsarana aty Madagasikara. Marihana fa tsy mitovy firehana politika daholo ireo  tonga nanatrika. Araka izany dia tsy marina ny filazana tetsy sy teroa hoe manana endrika na loko politika ity hetsika natao ity. Ramatoa Fanirisoa Ernaivo, Filoha, sy Ramatoa Felanasoa Randrianjafy, Filoha lefitra, no nifarimbona tamin’ny famelabelaran-kevitra. Nanome fanazavana momba ny fipetraky ny fahaleovantenan’ny fitsarana eo anivon’ny lalàna sy ny rafitra misy ary ny tsy fampiharana izany ireto mpiandraikitra ao amin’ny SMM ireto.

Raha jerena ny toe-draharaha aty an-Tanindrazana, dia tsapa tokoa, hoy ihany izy ireo, ny tsindry sy ny sakana avy amin’ny fitondrana ka tsy ahafahan’ireo mpitsara miasa malalaka sy araka ny lalàna. Tsy mbola tafapetraka tokoa ny fahaleovantenan’ny Fitsarana nohon’ny tsy mbola fitsanganan’ny rafitra voatendry ho antoky ny fisarahan’ny fahefana isan-karazany (ohatra Haute Cour de Justice izay hiandrasana ny sonian’ny filoha sisa) na ny fifanoherana eo amin’ny rafitra (ohatra ny « Conseil Supérieur de la Magistrature » izay misahana ny asan’ny mpitsara nefa tantanan’ny Filoham-pirenena). Vokatr’izany dia lasa fitaovana politika ny Fitsarana, ka ny raharahan’ny vahoaka madinika sisa no tsaraina. Anisan’ny toe-javatra izay mampirongatra ny fitsaram-bahoaka koa izany, satria tsy mipetraka amin’ny toerany sy tsy misahana ny raharaha tokony ataony intsony ny Fitsarana. Singany iray ao anatin’ny maro ihany ny « raharaha Claudine », fa manjaka ny tsy maty manota (impunité) aty an-toerana ary « hifamono ny Malagasy raha izao no mitohy » hoy ihany izy ireo.

Nilaza koa izy ireo fa misy anjara andraikitry ny tontolon’ny Fitsarana ny zava-misy ankehitriny, ka izany indrindra no mahatonga ny SMM, izay niova birao vao haingana, nametraka ny fahaleovantenan’ny Fitsarana ho tanjona voalohany mba ho antoky ny tany tan-dalàna, ahafahana miady amin’ny kolikoly ary hizorana mankany amin’ny fandrosoana. Tombontsoan’ny Firenena izany fa tsy misy ambadika politika. Raha nofinofy izany ho an’ny mpanakiana dia hoy izy ireo hoe miainga amin’ny nofinofy ny zavatra rehetra ary manana andraikitra sy anjara biriky ny tsirairay hanatanteraka izany. Ny SMM dia manatanteraka ny azy ao anatin’izao hetsika izao. Narahina fifanakalozan-kevitra ny famelabelarana izay nahazoana valiny nahafapo. Mbola hitohy any Genève, Suisse ny hetsika sy fanentanana ataon’izy ireo amin’ny SMM ny zoma 7 jolay 2017 ho avy izao.

Nangonin’Isambilo

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s