Ny Valosoa, 01/07/2017. Paris, Rajaonarimampianina mampiesona ny mpanao gazety. Video.

Nampiesona mpanao gazety vahiny indray Rajaonarimampianina

Milaza ny heviny momba ny fivahinianan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina tany Frantsa ny mpandinika ny raharaham-pirenena Rivo Albert. Tamin’ny fandalovan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina tany Frantsa dia nitafa tamin’ny mpanao gazetin’ny RFI, France 24 ary ny TV 5 Monde izy.

Toy ny fanaony izay mampiesona dia nampiesonin’ity filoham-pirenena lany tamin’ny halabato bevata ity indray koa ireo mpanao gazety Frantsay. Nambarany tamin’izany tokoa fa feno daholo hono ny fepetra handrosoan’i Madagasikara. Tsy mety afaka amin’ity fitenenana ity mihitsy ny filoha Hery R., hoy indray izy raha nivahiny tao amin’ny televizionina frantsay France 24  hoe: « feno daholo izao ny fepetra hahafahan’i Madagasikara mandroso. . . ».

Mipetraka ary ny fanontaniana hoe: inona ireo hoe fepetra feno lazainy ireo? Raha mijery ny zava-misy eto amin’ny firenena mantsy amin’izao fotoana izao dia ireto no hita tena misongadina: fitokonana lava etsy sy eroa: ladoany, mpiraki-draharaha, sns…; manjaka ny tsy fandriampahalemana: kidnapping, asan-dahalo, sns… tsy antoandro tsy alina, tsy any ambanivohitra fa ety an-drenivohitra indrindra indrindra koa.

Manjaka ny kolikoly ; tsy misy ny « Etat de droit » na fanjakana tan-dalàna; ny politika etsy ankilan’izay tsy misy ny « stabilité » na tsy mitombina fa matahotra mafy ny hiongana ny mpitondra ka na fikambanana tsy misy dikany aza no midina an-dalambe dia Emmo-Reg 10 kamiao no ahetsika. Izany rehetra izany ve ilay atao hoe feno daholo ny fepetra?

Nangonin’Isambilo. Rivo Albert, Ny Valosoa.

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Marc Ravalomanana kongresy TIM, Non classé, est tagué , , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s