Claudine R. sy Laurent Rahajason na Rolly Mercia, Bianco sy Facebook !

 

Horonam-peo niparitaka “Afaka mitory I Claudine R, hoy Rolly Mercia

04/07/2017

Ny lalàna eto amintsika amin’ny ankapobeny dia tsy mahazo raisim-peo ny resaka ifanaovana amin’olona anakiray ary tsy azo avoaka ho fanta-bahoaka raha tsy manaiky izany sy nierana ilay olona.

Voararan’ny andinin-dalàna faha-10 ao anatin’ny làlam-panorenanana izany, hoy ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny androm-panjakana Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia.  Ny raharaha Claudine Razaimamonjy nisian’ny horonam-peo izay niparitaka tany anaty tranonkala sy tambajotram-pifandraisana “facebook” no nasiany resaka tamin’izany. Araka ny hevitr’ity minisitra ity, dia manana adidy ny Bianco amin’ny fanadihadiana hoe tena olony tokoa ve no nifampiresaka tamin’I Claudine Razaimamonjy tamin’iny raharaha iny sy namoaka ny resaka nifanaovana.

Nilaza moa ity farany fa manana zo hitory I Claudine Razaimamonjy manoloana ny fivoahan’iny resaka iny. Raha heviny dia natao ho fanalam-baraka olona iray ny “facebook” fa tsy natao hanabeazana. Hitsimbadika indray ve izany ny tantara, ka ity resaka fivoahan’ny fifampiresahana tamin’ny alalan’ny finday ity no ho lasa fitaovana hamelezana ny Bianco sy lasa ho toe-javatra lehibe mety hahafoana ny fanenjehana an’I Claudine Razaimamonjy? Mety hatao fitaovana indray ny hoe tsy mahafehy ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana ny Bianco? Anio no hanao valan-dresaka momba ity raharaha ity ny Bianco, ka miandry izay ho tohin’ny tantara ny rehetra. Tsy hay aloha na mba hisy vokany ny resaka ady amin’ny kolikoly na izao zava-misy izao no lasa fitaovana handetehana ity sampan-draharaha ity, ka ny tsy maty manota hatrany nO hanjaka eto.

Toky R . TiaTanindrazana.  

Fanambarana Bianco.

  • 04/07/2017 – 15:30 : Bianco _Horonam-peo momba an’i Claudine Razaimamonjy: Nanao fanambarana ny Bianco fa tsy avy amin’izy ireo no nivoahan’ilay horonam-peo feno ompa sy teny ratsy nandritra ny fifampiresahan’i Claudine Razaimamonjy sy ny lehilahy iray voalaza fa mpiasan’ny Bianco.

Tsiahy. 

Claudine Razaimamonjy Nompainy ny BIANCO

03/07/2017

Na ireo heverina fa maditra sy mafy loha aza taitra rehefa nahare ilay horonam-peo mirakitra ny antso an-telefaonina nifanaovan’ny Bianco sy Ramatoa Claudine Razaimamonjy izay nanomboka niparitaka tany anaty tambajotran-tserasera ny sabotsy teo.

Sady nanao vava be no nandrahona ary mbola be teny ratsy sy nanompa ihany koa ity mpandraharaha sady mpanolotsain’ny filoha ity. Fiantsoana azy am-panajana mba hihaona sy hiresaka momba ny raharaha mahakasika azy no natao kanefa dia vava be feno faniratsirana no nasetriny. « Tsy hihaona aminareo aho a a ! Ianareo fantatray fa ampiasain’ny mpanohitra ! Aleo hiala ny Prezidà Hery vao miantso ahy ianareo ! », hoy izy sy ny hoe : « Fanadihadiana amin’ny inona ? Tsy misy saina maty daholo ! Mangala « audience » any amin’i Hery Rajaonarimampianina ary ! Andraso hiala Rajaonarimampianina vao miantso ahy ianareo... Ianareo ataon’ny « opposition » fitaovana ry Bianco a… Alaivo aty amin’ny Palais aty Iavoloha aho raha sahy ianareo ! Tongava aty Iavoloha fa aty aho izao ! ». Santionany ihany ireo, tsy nasiana ireo teny maloto saingy kosa efa  mahalaza zavatra betsaka ny amin’ny toetra sy ny fizahozahoan’ity ramatoa tena mihevitra azy fa tsy azon’aloka sy tsy matahotra na iza na iza ity.

Manana mpiaro matanjaka ?

“Olona tahaka izany ve no mpanolotsaina sy olona atokisan’ny filoham-pirenena”, hoy ny resaka tetsy sy teroa …manimbazimba tsotra izao ny rafitra misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana ary tena mampiasa araka izay tiany ny anaran’ny filoham-pirenena. Mazava amin’ny fomba firesaka sy ny famaliny fa misy olona tena matanjaka atokisany fa hiaro azy. Izay ihany koa no azo hanazavana ny sangodim-panina momba azy amin’izao fotoana. Moa ve tena narary marina izy ? Tsy maintsy nandeha tany Maorisy ve sa saika hitsoaka fa tsy tafavoaka satria tratry ny tsindry iraisam-pirenena ? Ary moa ve tena migadra any amin’ny fonjan’i Manjakandriana marina i Claudine Razaimamonjy sa tohin’ny sinema io mandra-pahita ny tena hatao ? Ankoatra ity horonam-peo ity dia re fa mbola misy porofo sy tsiambaratelo hafa any manodidina ny raharaha Claudine Razaimamonjy fa dia ho hita eo ny tohiny satria misy olona tena ambony eto amin’ny firenena voatonontonona anarana amin’ity afera ity.

Toky R. TiaTanindrazana.

Facebook.

Santionany.

Klodine3

Kakie Bexley à NDAO HANDALINA POLITIKA AVO LENTA. 03/07/2017.

Le Président dit que le fait d’être proche de lui ne dédouane personne de ses actes mais le fait qu’il reconnaisse publiquement, mondialement, être proche de Claudine le dédouane-t-il d’avoir fermé les yeux depuis le début sur les manières et pratiques de Claudine ?
Il ne réussira à convaincre personne de son pseudo-fermeté car tous les politiciens savent depuis des années qui est Claudine, comment gagne-t-elle sa vie, est-ce toujours légal ? Alors avec un tel passé, elle est encore proche du Président, qui dit aussi que ce pays n’a jamais été aussi bien gouverné depuis 1960. Non mais allo quoi !!!!!!
.
Klodine RFI
Valosoa 4 Jolay4

DIALOGUE D UNE CONSEILLERE DU PRESIDENT HERY RAJAONARIMAMPIANINA

« Allo izaho ihany tompoko ilay niantso teo avy aty amin’ny BIANCO ihany Madama Claudine:
Claudine: Allo Innnna Tsy hihaona aminareo aho aa! Nareo fantatray fa ampiasain’ny mpanohitra! Aleo hiala ny Prezidà Hery vaomiantso ahy ianareo!
Bianco: Madame Claudine mba te hiresaka aminao anie izahay!
Claudine: Madame Claudine inona ah….Aleo hiala teo i Hery rajaonarimampianina vao miantso ahy ianareo! Tsy matahotra anareo izaho! Ianareo ampiasan’ny mpanohitra!
Bianco: Sao mba afaka mankaty amin’ny birao na makany amin’ny biraonao izahay? sao mba afaka mihaona madama!
Claudine: tsy mila ny biraonareo aho! tsy mila anareo aho!
Bianco: Izahay anie Madama hikaroka ny marina, manao fanadihadiana e?
Claudine: Fanadihadiana amin’ny inona tsisy saina maty daholo, Mangala haudience any amin’i Hery Rajaonarimapianina ary! ndraso hiala i Rajaonarimampianina vao miantso ahy ianareo…ianareo ataon’ny opposition fitaovana ry Bianco…Alaivo aty amin’ny Palais aty Iavolohaaho raha sahy ianareo! Tongava aty Iavoloha fa aty aho izao!
Bianco: Ka horaisinao ve izahay Madama raha makany aminao, ianao mansty milaza hoe any Iavoloha?
Claudine: Tsy mila mandray anareo aho, mankanesa ao main’ny biraon’i Hery, Mangataha audience amin’ny Prezidà Hery amin’ny biraony ianareo! Maninona no samborinareo ny Mairenay, raha misy fitiavanan’i Hery ianareo dia avohay ny mairenay! HIfanao mihinanemanininy eto isika, izaho tsy mahatotra anareo! Antsoy i Mamy Ravatomanga ireny mampiasa anareo! efa kobonay ianareo! Ataon’ny mpanohitra fitaovana!
Bianco: Ka afaka mandray anay ve ianao Madama, ianao anie manakaja e:
Claudine: Ny inona e! hifampihinanemaniny eto isika, ka mahasosotay ahy ny zavatra ataonareo! Ny olona sambosamborinareo, ataovy ao anatin’ny lohanareo fa izahay no eto amin’ny pouvoir izao! Tsy mila tsy mila mandray anareo iaho! Tsy mila! Hifankahita isika!Tsy mahalala izany Razaimamonjy izany! lelena ! Fa ianareo no iza…

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s