Ny Valosoa, 04 Jolay 2017. Mahamasina, Fitondrana HVM, Vahoaka mahantra, Ny herim-boatay…

Matahotra vavaka sy rindra-kira ary Zumba ny fitondrana

Tsy hihemotra ny hetsika etsy Mahamasina ny 8 jolay izao

 

Nanao valandresaka tamin’ny mpanao gazety  ny prefektoran’ny  polisy  eto Antananarivo Renivohitra fa ho foanana indray  hono ny  hetsika ataon’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM),  hankalazàna ny faha-15 taona  ny TIM ao amin’ny kianjaben’i Mahamasina  ny sabotsy 8 jolay ho avy  izao izay efa nahazoana  fahazoandalàna ara-dalàna  tany amin’ity farany . Lazaina fa resaka tsy  fandriampahalemana  no antony hanafoanana  ny lanonana  , dia tena izay tokoa ve no marina ? hita indray fa  tahotra  an-dRavalomanana Marc    hahazo vahoaka be  amin’io andro io  dia mieritreritra  ny HVM  fa  hitondra  henatra ho azy   izany.  Tsy efa hatrany am-boalohany ve dia   nandà avy hatrany  ny mpitondra   raha  vao  nametraka  ny  taratasy  fangatahana  hanao hetsika  fankalazàna   ny  TIM  fa nomeny alalana  ara-dalàna ,  andro maromaro aty aoriana  dia  miresaka amin’ny mpanao gazety  fa ho foanana  indray   ?  tsy misy dikany amin’ny fitondràna  izany  ny vola efa  lany   sy  ny  fahasahiranana  mahazo  amin’ny  fikarakaràna  zavatra lehibe toy  izany ?  

Tadidio  fa  ny fanafoananareo mpitondra io fankalazàna  ny faha-15 taona  ny antoko  TIM io  no vao mainka hampangidy hoditra anareo eo imason’ny vahoaka Malagasy  sy izao tontolo izao  fa  fitondràna  saro-tahotra sy mangozohozo  no misy eto . Na izany aza no zavamisy  dia  nanambara  ny  depiote Felix Randriamandimbisoa  filohan’ny  vondrona parlemanta  TIM  fa  tsy mihemotra  amin’ny fankalazàna ny tsingerintaona   nahaterahany    hatao eo amin’ny kianjan’i Mahamasina   ny sabotsy 8  jolay  izao  ny antoko Tiako i Madagasikara  satria efa nahazo alalana ara-dalàna avy  tany amin’ny mpitondra fanjakàna  izy  ireo , mitohy avokoa ny fandaminana  efa ataon’ny  kaomisiona  tsirairay  avy  .  

Maninona ny HVM no nahazo nankalaza ny tsingerintaona  faha- 3 nahaterahany  tamin’ny volana jona , nefa tamin’izany noraràna ny fanaovana hetsika politika satria ao anatin’ny fetim-pirenena ? Antoko matanjaka indrindra eto Madagasikara  ny HVM hoy  ny minisitra Rivo Rakotovao , ka inona no hatahorana  ny TIM ? Aza mampihomehy ry mpitondra à !  matoa ny olona manao fety dia efa miomana fatratra  izy  izay  amin’ny  resaka fitandroana   ny  tsy fandriampahalemana , ka aza izany no analàna  vonkina  . Ka inona koa  ny olana  moa raha  manampy amin’ny fitandroana ny filaminana  amin’io  hetsika nahazoana lalana  ara-dalàna  io  ny  tandroka aron’ny vozona  e !  tsy  adidin’izy  ireo  ve   no manampy ny mpikarakara amin’izany  satria  vahoaka Malagasy  ireo  ka tokony harovana  ny ainy sy ny fananany.

Vavaka iraisam-pinoana, rindra-kira hataon’ny mpanakanto samuhafa, Zumba, sy hetsika maro samy hafa,… no hatao mandritra io sabotsy ho avy izao io, ka ny dikany dia matahotra vavaka sy rindra-kira ary Zumba izany ny fitondrana HVM sy ny Filoha Hery Rajaonarimampianina !

    Helisoa.

Edito.

Iharan’ny sondro-bidin’ny fitondrana HVM ny vahoaka

 

Efa fotoana ela izay no nidangana ny vidim-piainana teto amin’ny firenena. Niaka-bidy ambony avokoa ireo entana fanjifan’ny vahoaka andavanandro. Tsy mbola nisy vidim-bary nidangana be raha tsy tamin’izao fitondrana Rajaonarimampianina izao. Tafasondrotra hatrany amin’ny 2200 ariary mahery ny vidim-bary vao nikoropaka ny fitondrana, efa tara loatra. Mafy ny fidonan’izany any amin’ny isam-pianakaviana sy ao am-bilaniny. Tsy nisy fialan-tsiny nataon’ny mpitondra tamin’ny vahoaka tao anatin’izany. Niaka-bidy ambony dia ambony ny arina fampiasa an-tokantrano na ny saribao. Nifohifohy volo tanteraka ny fianakaviana Malagasy niatrika izany satria ny any amin’ny ain-dehibe amin’ny fivelomana no voadona. Tsy maintsy manjifa izay vidiny apetraky ny mpivarotra na ohatrinona na ohatrinona satria tsy maintsy mahandro.

Niharan’ny sondro-bidy avokoa ny vahoaka tamin’ny safidiny ho amin’izany. Tsy nanam-bahaolana ny fitondrana fa “nilalao tanana” fotsiny tao anatin’izany. Tsy misy izay tsy misondrotra ankehitriny ny vidin-javatra ilaina andavanandro. Sempotra amin’ny sondro-bidim-piainana ny Malagasy ary valalanina sy very fanahy toy ny valala voatango satria tsy voafehin’ny mpitondra azy ny lafiny ara-tsosialy iainany. Manampy trotraka ny tsy fandriampahalemana izay mampitaintain-dava ny vahoaka andro aman’alina. Tsy natao ho an’ny vahoaka ny mialokaloka ao anaty “fitaratra” tsy laitram-bala mba hilaminan’ny fiainany…

Eo ihany koa anefa ny lafiny toe-karena izay zary “mibanaka”, hoy ny fitenin’ny tanora, ho an’ny vahiny. Misy antony matoa mitodika aty Madagasikara avokoa ny “mpanao bizina” eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy noho ny fanentanana na ezaka nataon’ny fitondrana velively, fa noho ny tsy fahafehezana ny harem-pirenena mihitsy. Tsy horodorodo hankaty ny sinoa, ohatra, fa ao raha; ny karana sy ny frantsay efa tsy lazaina intsony ny fihetsiny eto. Ary miharihary no sady porofo mitohoka amin’ny tendany amin’izany ny amin’ireo Nosy manodidina na “îles éparses” an’ny Malagasy izay bodoin’ny mpitondra frantsay fotsiny izao. Tsy midika inona velively ary karazana fandrebirebena vahoaka fotsiny ihany ny filazana, fa nanao dinika tamin’ny filoha frantsay momba izany Rajaonarimampianina. Tsy voafehin’ny fitondrana Hvm ny lafiny toe-karena…

Tsy atao ho mahagaga velively raha mipoitra etsy sy eroa ny fitakina sy fitokonana samihafa isaky ny mihetsika. Ny farany mafana izao, dia ny hetsiky ny sendikan’ny mpiasan’ny ladoany, izay efa hanaovan’ny fitondrana ramatahora toy ny fanaony. Manomboka mivondrona anefa ny sendikà maromaro ankehitriny ary andrasana izay hiafaràn’ny fizotran’ny raharaha. Ho voafehiny toy izay efa lasa izay ve?

Ho an’ny mpanara-baovao, ny vahoaka izay mikasa hanao hetsika hatrany aloha no hita ho voafehin’ny fitondrana hatramin’izao. Izay mikasa hihetsika mantsy; dia miàla any amin’ny “angady harona” koa ny fitondrana amin’ny alalan’ny fampiasana miaramila, zandary, polisy. Niaraha-nahita, fa tsy niahotra mihitsy ireo “fitaovan’ny fitondrana” ireo mandrahona izay mitady hitroatra fa tsy mahatanty ny zava-misy iainany. Ilay vahoaka rahateo efa “malemy” ihany amin’ny fiatrehana ny fahantrana sy fahasahiranana lalina manjo azy isan’andro… Io manjo azy io ihany koa no araraotin’ny mpitondra lalaovina isan’andro ihazonana fitondrana sy mbola kasaina hijanonana eo amin’izany toerana izany

Sôh’son

 –

DISTIM Mahajanga

Sprinter miisa 3 no ho avy eny Mahamasina ny 8 jolay izao

 

Nisy ny Fivoriamben’ny DISTIM Mahajanga 1 teo ambany fitarihan’ny Filoha Andriamatoa Yvon, izay natao ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny lycée FJKM Mangarivotra. Ny fandaharam-potoana tamin’izany dia fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny mambra vaovao ny DISTIM Mahajanga1. Fanentanana sy famelabelarana ny programan’asa izay ho tanterahin’ny DISTIM miaraka amin’ny FOKTIM amin’ny fokontany 26. Fanomanana ny famonjena ny faha-15 taonan’ny TIAKO i MADAGASIKARA (TIM) any Antananarivo.

Nanolotra « sprinter 3 » maimaimpoana ny Filohan’ny DISTIM Andriamatoa Yvon, hitondra ireo solontena avy any Mahajanga hiatrika ny faha-15 taonan’ny TIM etsy Mahamasina ny sabotsy izao. Nandray anjara daholo ihany koa ny mambra DISTIM rehetra ho fanampiana amin’izay mety ho lany rehetra. Nisy ihany koa tsara sitrapo iray dia i Ramatoa Volana izay vadin’Andriamatoa Naivo RAMEFY ben’ny tanànan’ny TIM Mahajanga1 teo aloha, fa hiantoka ny ampahatelon’ny saran-dalan’ny fiara iray ary isaorana ihany koa ireo nanolo-tanana rehetra hoy ny filohany.

Fisaorana mitafotafo no nasetrin’ny filohany, ireo mpikambana TIM tonga maro be avy amin’ireo Fokontany 26. Nampanantena izy ireo fa tsy ho latsa-danja miohatra amin’ireo DISTIM manerana an’i Madagasikara i Mahajanga, ka ho tonga maro be hanotrona izy ireo amin’ny fankalazana ny faha- 15 taonan’ny TIAKO i MADAGASIKARA (TIM) izay hatao ao amin’ny Kianjaben’i Mahamasina ny sabotsy izao. 

Isambilo

 

Vahoaka Malagasy

Tsy mahagaga  raha  mahantra  hatrany noho ny toetsain’ny sasany

 

Nahoraka tamin’ny tambazotran-tserasera  ny resaka an-telefaonina  nifanaovan’ny mpandraharaha goavana Claudine Razaimamonjy  mpanolotsaina manokan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina  voarohirohy   tamin’ny  resaka kolikoly   sy ny   BIANCO  raha  niantso azy ity farany  tany am-boalohany,  mialohan’ny  nisamborana  azy teny Mahamasina  iny . Gaga ny rehetra fa vava  tsy vava no nataon’i Claudine Razaimamonjy  tamin’ny  resaka  nifanaovana , ary tena nampihaiky  volana  mihintsy ny  teny maloto  tsy fampiseho masoandro  nataon’ity olomalaza  ity  tao anatin’izany .  Izany ve no ataon’ny namana akaiky ny mpitondra   ka aiza moa i Madagasikara no tsy hilatsaka ao anaty lavaka hatrany sy ho tototry  ny  fahantràna?   izany no ambetin- dresaka mandeha etsy sy eroa . Izay angamba no nahatonga ny filoha Hery Rajaonarimampianina hiala pà amin’ny fitenin’ny tanora indray teo imason’ny mpanao gazety vahiny tany Frantsa   fa afaka miteny hoe  mpanolotsaina  azy  sy  mahafantatra azy daholo  hono   n’aiza n’aiza , i Claudine  Razaimamonjy no tiany ho ambara  eto  satria araka  ny fahafantaran’ny  maro azy  dia  olona  akaiky sy mpanolotsaina  manokan’ny filohampirenena  ity mpandraharaha  goavana voarohirohy ity .    

  Helisoa   

Sary CLAUDINE:   Modian’ny filoha Hery R. fanina i Tatie Clô rehefa voa.   

   –

Pr Harimalala Joseph

Hagegen’ny mpitondra ny fidirana tanaty fitaratra ny 26 jona teo

 

Mbola miakasika ny fankalazana ny fetim-pirenena ihany no mbola hitondran’i Pr Harimalala Joseph ny fanehoan-keviny amin’ity anio ity. Miainga amin’ny tenin’Andriamanitra ao amin’ny bokin’i Ezekiela 32: 2-4 no  iaingan’ny fanehoan-keviny, izay manao hoe: “Ry zanak’olona, manaova hira fahalelovana ny amin’i Farao, mpanjakan’i Egypta, ka ataovy aminy hoe: Nanao ny tenanao ho tahaka ny liona tanora tamin’ny firenena ianao. Kanjo tahaka ny dragona ao anatin’ny ranobe; ary nitsoriaka teny amin’ny oninao ianao dia nanakobakobana ny rano tamin’ny tongotrao ka nahaloto ny Ony. Izao no lazain’i Jehovah tompo: ny firenena betsaka tafatambatra no ho entiko mamelatra ny haratoko aminao, ary hakarin’ireny amin’ny haratoko ianao, dia hatsipiko eny an-tanety ary hariko any an-tsaha, dia hampitangoronoko eo aminao ny voro-manidina rehetra, ary homeko hivokisan’ny bibidia rehetra ny tenanao”.

Efa nambarako teto ity tenin’Andriamanitra ity ho an’ny mpitondra fanjakana saingy iniako averina izany satria tanteraka teo amin’ny kianjaben’ny Mahamasina izy io, satria dia iny fitaratra namonosana anareo mianakavy iny Andriamatoa filoha ilay harato ambaran’ny soratra masina satria dia nampametra-panontaniana ny maro ny nataonareo, izay niavaka teto ambon’ny tany, kanefa dia filoham-pirenena aty amin’ny tany mahantra indrindra. Raha misy filoham-pirenena atao hoe halàn’ny olona aza izao dia ny filoha amerikanina kanefa tsy mbola nisitri-belona tanaty fitaratra toa iny izy, fa ny anareo dia efa hagegena tanteraka tokoa. Raha tsy fandriampahalemana no hitondrana fanazavana azy dia tsy ampahafirin’ny mitranga any amin’ny tany misy mpampihorohoro ny eto amin-tsika, ka raha bangoina dia efa tsy fahatokisanareo ny vahoaka Malagasy tanteraka ireny fihetsika ireny ary na hianareo ihany aza dia mahatsapa fa halan’ny olona ianareo matoa manao ireny fihetsika ireny.

Ankoatra izany dia mibaribary ny tsy fahatokisanareo an’Andriamanitra dia naleonareo nanalabaraka vatana tao anaty fitaratra, izay ho harato ho anareo tokoa moa izany. Ny tsara ho fantatrao nefa Andriamatoa filoha dia tsy ho afaka hiantehitra amin’ny herin’ny tenanao ianao satria tsy aharo anao velively izany raha tsy homban’ny fiarovan’Andriamanitra, fa hoy ny ambaran’ny tenin’Andriamanitra ao amin’ny Mpitoriteny 8:8 manao hoe: “Tsy misy olona manan-kery hahatana ny ainy, na manan-kery amin’ny andro hahafatesana, ary tsy misy fahafahana amin’ny ady, ary ny ratsy fanahy tsy ho voavonjin’ny faharatsiany”. Ety ampamaranana dia nisy ny teny naloaky ny vavanao Andriamatoa filoha milaza fa hisokatra amin’ny vazan-tany 4 i Madagasikara!

Moa ve tompoko ny fizarazarana an’i Madagasikara ho an’ny firenena maro no tianao ambara sa inona? Sao ny mifanohitra amin’izany mantsy ka dia hahita loza amin’Andriamanitra amin’izany ianao, nohon’ny fitiavan-tena diso tafahoatra loatra, ny fitiavam-bola sy voninahitra ataonareo sy ny mpomba anao ankehitriny ireo. Hoy mantsy ny tenin’ny tompo manao hoe: “Ary ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin’ireo ny olom-boafidy avy amin’ny vazan-tany 4, hatramin’ny fara vodilanitra rehetra”, araka ny matio 24:31 io, Izany hoe raha haneno ny trompetra farany moa ve mbola hiankohoka amin’ny fitiavam-bola sy ny fitiavam-boninahitra ianareo mpitondra izay tsy mitsinjo ny madinika amin’izao fotoana izao io? Aoka mba ho ampy izay ny andron’ny tsy fahalalana Andriamatoa filoha sy ny mpiara-miasa aminy fa sao adinina aminareo ny manodidina ireo mahantra sy madinika ireo any aoriana any.

Lezama

Logo MCM

Pôlitika: fitaovana entin’ny mpitondra handemen-tsaina sy hanaovana tsindry

 

Raha ny famaritana ny « pôlitika » dia fahaizana mitantanana tanàna eo amin’ny lafiny rehetra. Nisy teo amin’ny tantaran’ny firenena sasany eto ambonin’ny tany dia saika ben’ny tanànan’ny renivohitra ao aminy no nirotsaka kandidà ho filoham-pirenena dia any. Ny teto Madagasikara manokana no jerena dia Ravalomanana Marc no santionany amin’izany. Ny lehiben’ny fivondronana Antananarivo Renivohitra Razanamasy Guy Willy, nitovy lenta amin’ny Ben’ny tanàna, no lasa filoham-panjakana tamin’ny taona 1996. Tany Frantsa koa dial any ho filohan’ny  Repoblika frantsay ny ben’ny tanàna Jacques Chirac.

Marina fa ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ihany koa Rajoelina Andry Nirina, 1997-1999, saingy fanonganam-panjakana no nandraisany ny fahefana naha filohan’ny tetezamita azy. Raha noho ny tsy nahafahan-dRavalomanana Marc nitondra ny Firenena, ara-pahasalamana na antony hafa, no nanery azy niala ary tsy afaka nitondra ihany koa ny filohan’ny Antenimieran-doholona dia azo neritreretina ihany, angamba, ny nanendrena an-dRajoelina Andry ho filoham-panjakana nanaraka ny pitsopitsony nanaovana izany tamin-dRazanamasy Guy Willy. Sady tsy filoham-pirenena izany Rajoelina Andry no tsy filoham-panjakana ka sady tsy ara-dalàna no tsy ara-drariny. Matoa iretsy filoham-pirenena roa voalaza esty ambony lany tamin’izany toerana izany dia noho ny nahatsapan’ny vahoaka fa nanana ny politika fahaizana nitantana sy nampandroso ny renivohitra izany izy ireo.

Amin’izao fotoana izao eto Madagasikara dia azo lazaina fa azo isaina amin’ny rantsan-tanana ireo politisiana manana ny fahaiza-mitantana izany kanefa lany ho amin’ny toeran’ny loholona na depiote na ben’ny tanàna. Ny toe-javatra aterak’izany dia tsapa fa vitsy ireo olomboafidy ireo no manana ny fahaizana mampandroso eo amin’ny lafiny rehetra ny distrika na kaominina nahalany azy ka lasa toerana ampiasaina ho famoretana sy hanamparam-pahefana ary fitadiavana tombotsoa mihompapana izany. Porofon’izany, raha tena mikatsaka ny tombotsoam-bahoaka sy fampandrosoana ny faripifidianana nisy azy ary matoky ny fahaiza-manaony dia tsy hivadibadika sy hitsampintsampy amin’ny antoko politikan’ny fitondrana izy ireny. Ny politikan’ny politisiana gasy mantsy dia ny fampiasana ny anaran’izay mitondra mba entiny handemena ny sain’ny vahoaka ambonin’ny fanaovana tsindry (traffic d’influence). Etsy an-daniny koa ho fiarovana ny mpitondrana dia ampiasaina ny voambolana “ray amandreny” entina milaza fa na mety na tsy mety ny ataony dia tsy maintsy arahina. Tsy misy afaka fa rafitra mpanao lalàna ny Antenimiera roa tonta kanefa alohan’izany dia fahefany ihany koa ny manolotra volavolan-dalàna entina mampandroso ny Firenena iray manontolo sy mampivoatra ny fiainam-bahoaka ary zony feno ny manontany ny rafitra mpanatanteraka izay antony tsy nahatontosany ny andraikitra mifanandrify amin’izany.

Izay no anto-pisian’ny fitsipaham-pitokisana ny goverenemanta rehefa tsy manana ny fahaiza-mitantana. Fantatry ny mpitondra ny olana mianjady amin’ny Firenena sy ny vahoaka Malagasy, tsy avy amin’ny alalan’ny famoahan’ireo fikambanana iraisam-pirenena tatitra ihany, fa avy amin’ny fitarainana mivantana avy amin’ny vahoaka ihany koa. Tsy ilàna fanontaniana etsy sy eroa izany satria anjaran’ny mpitondra ny mikaroka ny vahaolanamifanaraka amin’ny olana, isaky ny departemanta voakasika, raha manana ilay fahaiza-mitantana na “ilay politika” izy. Tsy mbola ahitan’ny mpitondra fanafody hatramin’izao ny resaka tsy fandriampahalemana na an-drenivohitra na any ambanivohitra.

Ny mahagaga sy mahalasa saina anefa dia hain’ny mpitandro ny filaminana tsara ny mampiasa singa (elements) amina arivony sy fitaovana raitra rehefa miaro ny mpitondra amin’ny vanim-potoana mandalo iray (événement ponctuel). Hain’ny olomboafidim-bahoaka tsara ny mitaky ny tombotsoan’ny tenany ary tonga mameno trano izy ireo, amin’ny alàlan’ny fandaniana lalàna mifandraika amin’izany. Saingy tsy mihoatry ny ratsan-tànana sy tongotra izy ireo rehefa mandany lalàna ho amin’ny tombotsoan’ny besisnimaro. Tsy “politika” araka ny famaritana azy izany no ataon’ny olomboafidy sy politisiana gasy fa “fikafika” entina mampandry andrisa sy mandemy ny sain’ny mpiray firenena eo ambany fahefany fotsiny.

Andry Tsiavalona

Sabotsy Namehana-Manandriana Avaradrano

Tsy raharahian’ny filoha Hery R . ny faharatsian’ny lalana

 

Mampiteny ny moana ny haratsin’ny lalana miainga eo Sabotsy Namehana mandalo an’i Tsarafara sy Ambatofotsy Avaratra hatrany Manandriana Avaradrano . Kaominina 2 no andalovan’izany lalana izany saingy tsy zakan’ny vola eo am-pelatananan’izy ireo ny fanaovana azy. Tsorina fa tsy vitan’ny Kaominina eo an-toerana ilay izy saingy tokony mba ho raisin’ny fanjakana izany lalana izany  sady ny Filoham-pirenena rahateo mahafantratra tsara an’i Sabotsy Namehana . Tsy misy ny fanarenana hatreto izay heverin’ny maro fa tsy firaharahiana tsotra izao. Ratsy rahateo ny vokatra azon’ny Hvm  tamin’ny fifidianana Ben’ ny tanàna sy Filohampirenena farany teo. Mimenomenona ny olona ; ary tsara ho marihana fa nandritra ny taona  nitondran’ny Filoha Marc Ravalomanana no nahavitan’izany lalana izany ho tsara tarehy . Tsy nisy ny fikarakarakana ka izao iaraha-mahita izao ny vokany. Araka ny feo etsy sy eroa dia  mandritra ny Propagandy amin’ny taona ho avy no itokanana ny zava-bitany   saingy   azo antoka fa  tsy hambabo ny fon’ny olona intsony izay fihetsika ho ataon’ny fitondrana amin’izany,   sa ahoana hoy ianao ?

Rina Rabemananjara

 

NY HERIM-BOANTAY

 

Tsy maintsy alàna ihany i Solo

Raha `zao zava-misy izao ,

Fa efa matroka daholo

Irony lokon-tabilao.

 

Nanao izay ho afany Rajao,

Kanefa antomotra ny antambo.

Miharihary tsotr`izao:

Tsy maintsy ho rendrika ny sambo.

 

Ireo akama manodidina,

Be dia be no miala bala.

Efa manahy ny hitsingidina

Ka indreo mihoalahoala.

 

Miombon-kery faramparany

Miaraka amin`ny filohany.

Mody mampiseho ny tsarany

Mialoha ny hidabohany.

 

… Mbola hihodina ny tany.

(be ny zava-misiteriny)

Saingy misy fiafaràny

Ny voantay maneho ny heriny.

 

  DADAN`i ZINA (03-07-17)

 

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s