« Anio 8 Jolay »,Toky Baritafika Ramanankohajaina .

Anio 8 Jolay1

.

Anio 8 Jolay 2017

 

Fa inona ny olana?
Iza no atahorana?
No mampiasa miaramila
Sa misy ny tsy tiana?
Hamoretana ny olona
Izay hifety fa tsy hitolona
Handihy sy hikorana
Sa tsy fantatrao izany?
Fa hizara mofo mamy!

Matahotra « zumba »
Io ve no atahoranao rangahy?
Dihy kely mihestsiketsika
Sanatria hisetrasetra
No dia basy no hasetry
An ireo hijery fety
Sa ho safotra mahita
Ity vahoaka maro an’isa?

Tany tan-dalàna
Hoy ny fanjakana
Nefa aiza izao izany
Rehefa nivoaka ny didim-pitsarana
Toa mbola noraràna
Ireo tampon ny tanàna

Tsy ho fanohanana azy
Na fanomezako « courage »
Fa tsy misy ambonin ny lalàna
Izay efa fantatrao tsara
Nefa odiana tsy hita sy hitsahina
Fa hoe baiko no narahina
Sa ny saina tsy ao tsara
Efa novidin ny « au pouvoir »?

Izao no tadidio
Fa io toerana io
Tsy hateza fa handalo
Ka sao ho tonga ny andro
Hahatsiarova-tena
Fa ity Firenenana
Anie tsy fanananao irery
Satria anananao ny hery
Fa Tanindrazanay Malala
Raha mbola i Madagasikara

« Zanahary o! Tahio ny Tanindrazanay »

Baritafika
July 8th 2017
Dubai UAE

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s