« Loha Bontolo », Mamitiana Randrianarison (Mcm-Tanà).

Mahamasina @ 18h

.

LOHA BONTOLO

 

miharihary izao ny tena fomba fiasany
mitsipaka aoka izany, manao izay fara-afany
io indray f’efa laviny ny didim-pitsarana
ny azy no naveriny: mbola fandraràna

vaky masoandro ity ny ditra, loha bontolony
hita sy sinoritra amin’ireto tsangan’olony
minia tsy te hahalala izay lalàna ifamehezana
na aza mamohehatra…anaovany letrezana

mihanjahanja ho’aho ny tena maha lomorina
ny toe-tsain’ireo zinatra ny mangorona
mihevitra ny hitoetra sy hiorim-paka lalina
tapoham-pahefana ka tsy mba malimalina

ianao no zary hendratra amin’izato fihetsiny
ny hamaly bontana ihany no mahafinaritra azy
ny itehenan-tongony efa hita ny filetsiny
dia io manangam-bovona sy mbola mamosavy

akory ange rey olona e…mainka nandihizany
niharitra ilay gasy amin’ity fandrizarizany
tsy hita ho antenaina ity izay fivoaram-piainana
tohofany amy basy ianao mitaba fitarainana

gaga ianao mitazana fa izy angaha ho menatra?
ny hamaizinan-tsainy no ahariny an-tapenaka
ianao no mety saikatra fa ny azy io idedahany
ny tsy hainy d’efa mihotsaka ny toerana ipetrahany

 

NARY. Mamitiana Randrianarison
08/07/2017

_

Ravalo Carlton Mahamasina

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s