Marc Ravalomanana « Tsy hihemotra mihitsy aho », « Sahy Mijoro ho an’i Gasikara ». TiaTanindrazana.

Marc Ravalomanana « Tsy hihemotra mihitsy aho »

10/07/2017

Natomboka tao amin’ny hotely Carlton Anosy ny fanamarihana ny faha-15 taonan’ny antoko Tiako i Madagasikara ny sabotsy 8 jolay lasa teo.

Ravalo Carlton 3

Tao no niarahan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ireo vahiny nasaina manokana, izay nahitana ireo mpanao politika isan-tsokajiny teto amin’ny firenena sy ireo vahiny samihafa. Naneho ny hafaliany tamin’ny fifanatrehany tamin’ny rehetra izy. 15 taona miampy 2 taona no nidirany teo amin’ny sehatra politika ary 44 taona teo amin’ny sehatry ny fandraharahana. Nahita ny fahasahiranana tamin’ny 17 taona lasa aho, hoy i Marc Ravalomanana.

Niala tamin’ny tsy misy aho ary tsy nahalala politika saingy efa manan-kolazaina kosa amin’izao. Raha nisy fanafintohinana sy tsy fitovian-kevitra na zavatra nahatezitra dia hialana tsiny, hoy izy. Aoka ny lasa homba ny lasa. Minoa ianareo ahy. Nivoy ny fanajana ny fihavanana sy ny fahalalana izay antoky ny fiaraha-miasa hahafahana mampandroso an’i Madagasikara aho. Tsy misy tonga lafatra, mila mifamela ny rehetra. Raha 15 taona no jerena, nahafahana tsara nampandrosoana ny firenena, azo tanterahina tsara izany, hoy izy. Noraisiny ohatra i Chine sy Singapour, izay niroborobo tao anatin’ny taona vitsy, ary azontsika tanterahina tsara, hoy izy.

Matotra, manaja lalàna

Mikasika ny ho firotsahany, dia nilaza izy fa tsy hihemotra. Tsy i Marc Ravalomanana no hihemotra. “Never give up”, hoy izy. Tsy maintsy manaja ny tany tan-dalàna  kosa isika, ary tsy maintsy mampiseho amin’izao fotoana izao fa antoko “mahalala, mahay ary mahavita”, antoko miara-miaina amin’ny tantsaha sy ny eny ambanivohitra. Antoko mahay mifandray amin’ny mpamatsy vola sy ny firenena matanjaka. Mila tany tan-dalàna manaja ny demokrasia sy ny maha olombelona.

Nilaza i Marc Ravalomanana fa hanaja ny lalàmpanorenana sy ny fitsarana mahaleotena.  Notsiahiviny ihany koa fa tsy misy firenena afaka ny hiolonolona na tsy manana masoivoho, ka afaka mandroso. Tsy maintsy ezahintsika ny mifanerasera sy misokatra hahafahana mifampizara traikefa. Anisan’ny zava-dehibe indrindra ny tontolon’ny teknolojia. Tokony hanana ny paikady vaovao na ny fahaizana miainga amin’ny teknolojia hifanaraka amin’ny zava-misy eto Madagasikara. Ary farany ny fahaizana miara-miasa mba hahafahana manatontosa ny asa. Efa vonona tanteraka amin’ny paikady hoenti-mampandroso ny firenena ny tenany, fa fotoana sisa andrasana.

Toky R sy Ramano F. TiaTanindrazana.

Marc Ravalomanana Sahy Mijoro ho an’i Gasikara

08/07/2017

8 taona izao no nanonganana ny fitondrana Ravalomanana teo amin’ny fitantanana ny firenena.

Mitohy hatrany anefa ny antsojay sy ny fingampingana isan-karazany atao amin’ity filoha teo aloha ity. Nogadraina an-kolaka, ohatra, ny tenany rehefa tafaverina teto an-tanindrazana ny taona 2013. Natao ihany koa ireo fomba rehetra tsy hisokafan’ireo orinasany norobaina sy nopotehana nandritra ny alatsinainy mainty ny 26 janoary 2009. Mankalaza ny faha-15 taona nisiany indray ankehitriny ny antoko Tiako I Madagasikara naoriny tamin’ny taona 2002 dia tratran’ny sakantsakana tsotra izao.  Fa inona loatra re no antony e ?

Tiako Iarivo

Raha tsiahivina ny tantara, tamin’ny alalan’ny fikambanana Tiako Iarivo no nirotsahan’ny kandida Marc Ravalomanana ny taona 1999. Lany ben’ny tanàna ary nitantana ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny tenany nandritra ny 2 taona, 5 volana sy 22 andro. Fampanantenany tamin’izany ny hanova endrika ny renivohitr’i Madagasikara. Niompana tamin’ny fanorenana fotodrafitrasa samihafa ireo asa marobe vitan’ny Ben’ny tanànan’i Tiako Iarivo Marc Ravalomanana. Nisongadina indrindra tamin’ireny ny fanamboaran-dalana toy ny lalana Mohamed V manoloana ny kolejy Masina Misely Anosy na koa ny fanitarana ny lalana eny Andohatapenaka notohanan’ny AFD (Agence Française de Développement) sy ny Vondrona eoropeanina. Niova  ny fomba fiasa teo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra nanomboka teo ary niha hentitra kokoa ny fanaraha-maso. Hatreto aloha dia tamin’io vanim-potoana (1999-2001) nitantanan’i Marc Ravalomanana ny CUA no tena nisy nahatsapa hoe niasa mafy ary tena nahavita zavatra araka ny tanjona napetraka ny tao amin’ny kaominina.

Tiako I Madagasikara matanjaka

Lany ho filohan’ny Repoblika tamin’ny alalan’ny fikambanana Tiako I Madagasikara i Marc Ravalomanana ny taona 2002 taorian’ny fifanolanana naharitra enim-bolana tamin’ny kandidam-panjakana Didier Ratsiraka. Niofo ny fikambanana ka laharam-pahamehan’ny antoko politika Tiako I Madagasikara (TIM)  ny fampandrosoana haingana ny firenena miaraka amin’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka. Politika novoizin’ny TIM ny fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny ady amin’ny fahantrana, ny fanamboaran-dalana. Nofoanana ireo Faritany 6 ka nasolo azy ireo Faritra 22. Najoro ihany koa ireo rafitra isan-karazany toy ny Bianco natao iadiana amin’ny kolikoly, ny SAMIFIN hifehezana ny famotsiam-bola na koa ny EDBM ho fanampiana ny sehatry ny fampiasam-bola eto Madagasikara. Niroborobo ireo programa sy tetikasa fampandrosoana fiaraha-miombon’antoka tamin’ireo firenena vahiny samihafa tahaka ny PGDI, ny MCA na koa ny AGOA. Nampiavaka ny fitondrana Ravalomanana moa ny politika fandaharanasa fampandrosoana dia ny MAP (Madagasikara Am-Perinasa) izany.

Diplaomasia sy famatsiam-bola

Samy miaiky ny rehetra fa kapoakan’i Dadavalo tokoa ny fifampiresahana sy fifampiraharahana. Mahafantatra tsara ny fomba fiasan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena izy ary mahay miresaka tsara amin’izy ireo. Tena sahy nijoro niaro ny tombontsoan’i Madagasikara sy ny Malagasy koa anefa i Marc Ravalomanana ary tsy nanaiky mihitsy izany hoe ny vahiny no hanjakazaka sy hanao izay tiany eto. Fiaraha-miasa no atao fa tsy fanambakana, hoy Ravalomanana ary fantatry ny vahiny tsara izay filôzôfiany izay ary nohajain’izy ireo. Natanjaka ny diplaomasia Malagasy tamin’ny nitondran-dRavalomanana ary efa natomboka tamin’izany ilay hoe : “diplaomasia ekonomika” ka nampiasaina hitady mpiara-miasa sy mpamatsy vola ireo masoivohon’i Madagasikara tany ivelany fa tsy hoe mpanasonia taratasy sy fangatahana fotsiny. Hatreto aloha dia tamin’ny fitondrana Ravalomanana no nanana tahiry vola vahiny betsaka indrindra ny banky foiben’i Madagasikara (2miliara dolara) ; ary ho an’ny governemanta dia ny asa atao indray no tsy ampy fa ny famatsiam-bola dia nitobaka, io no nahatonga ilay resaka hoe : “ny vola misy fa ny handaniana azy no manahirana”. Tena nisy ny minisitera tsy nahalany ny ampaham-bola efa natokana ho azy. Efa nananika ny 3 miliara dolara ny tetibolan’ny fanjakana ny taona 2007 sy 2008.

Mahalala, mahay, mahavita

Fa ny tena nampiavaka an’i Marc Ravalomanana sy ny antoko TIM notarihany dia ny fampiharana ny haitarika (leadership) amin’izay zavatra rehetra atao; misy ny teknika ampiasaina hampazoto miasa ny olona sy haha tompon’andraikitra azy kokoa ary haha matihanina azy. Io ihany no hahazoana vokatra tsara araka ny drafitra efa napetraka. Fanofanana goavana momba ny “leadership” no natao teto Madagasikara tamin’ny alalan’ny NLIM (National Leadership Institute of Madagascar) ary nisy ny mpiara-miasa matanjaka avy any amin’ny oniversiten’i Harvard Etazonia sy ny Franklin Covey izay lohalarana eran-tany amin’ny fanofanana sy fampianarana momba ny “leadership”. Tsy ampy ny mahalala fotsiny ny olana fa mila mahay mamaha izany amina paikady mazava no sady mahavita manatanteraka ny asa hamahana azy ianao, hoy i Marc Ravalomanana. Ary dia izay foto-kevitra izay no nampitainy hatrany tamin’ireo rehetra niara-niasa sy mbola miara-miasa aminy ka nanomezana azy ny solon’anarana hoe : “Ramose”.

Tsy tongatonga ho azy noho izany ny mbola maha matanjaka ny antoko Tiako I Madagasikara 15 taona aty aoriana, na dia efa maro aza ny sedra sy olana niainany. Mazava ny foto-kevitra ijoroana dia ny fampandrosoana ny firenena, fanasoavana ny Malagasy, fametrahana an’i Madagasikara amin’ny toerana sahaza azy. Sahy ary mbola sahy hijoro ho an’i Gasikara hatrany i Dadavalo miaraka amin’ny fianakaviamben’ny Tiako I Madagasikara. Mitohy hatrany ny lalana.

Ramano F. TiaTanindrazana.

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s