Tsingerintaona ny Tim. Ny 8 Jolay 2017. Fanambarana sy tranga izay niafara teny Faravohitra. Horon’antsary…

 

.

#MALAGASY

Androany Asabotsy faha 8 Jolay 2017 no fotoana nofidin’ny antoko TIM na Tiako I Madagasikara hanatanterahina ny fankalazana ny faha 15 Taona niforonany. Efa herinandro maromaro izay no nanao fampilazana tamin’ny haino aman-jery ny antoko ary Atoa Ravalomanana Marc izay filoham-pirenena teo aloha sady filoha mpanorina ity antoko ity no nilaza tamin’ny vahoaka fa hisy izay fankalazana izay ka ao amin’ny kianjaben’ny Mahamasina no hanatanterahina izay fankalazana ny faha 15 Taonan’ny TIM izay.

Tamin’ny voalohany dia nanomealalana ny kaominina ary nanome alalana ihany koa ny “Prefet de Police” eto Analamanga ary nanome alalana malalaka ho an’ny antoko TIM noho izany. Andro vitsy taty aoriana anefa niova hevitra tampoka ny prefet de police ka nisintona io fanomezan-dàlana io ary nanambara fa tsy azo hatao izany fankalazana ny faha 15 Taonan’ny TIM ao Mahamasina izay, ka ireo mihevitra ny hiditra ao Mahamasina dia hisy ny fisamborana ary hisy ny fanapariahana amin’ny baomba mandatsa dranomaso.

Nangataka fandravana ny antoko-teny amin’ny fitsarana ny TIM mahakasika zay fandavàna tampoka ilay fanomezan-dàlana teo izay ka nahazo rariny ary nitondra izany teny anivon’ny manam-pahefana kanefa dia nolavin’izy ireo izay fandravana didy izay ary nanamafy hatrany ireo mpitandron’ny filaminana fa handray fanapahan-kevitra raha misy fitariana olona io andron’ny asabotsy faha 8 Jolay io.

Vao maraina dia efa niatrana teny Anosy sy Mahamasina ny mpitandron’ny filaminana ary nivonona ho amin’izay zavatra mety hiseho. Ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy Ramatoa Vadiny Lalao Ravalomanana izay ben’ny tanànan’Antananarivo, ireo mambra ao amin’ny antoko TIM na teo aloha sy amin’izao ary ireo mpanao politika maro dia nanao ny fanokafana izany faha 15 Taonan’ny TIM izany tao amin’ny Carlton nanomboka ny maraina.

Taorian’ny kabary sy ny fialana hetaheta dia nanapa-kevitra Atoa Ravalomanana Marc fa hidina hiarahaba ny olona ka nivoaka ny hotely Carlton izy teo amin’ny tamin’ny 11 ora mahery teo. Nirohotra nanaraka azy ireo vahoaka maro be ary nikiakiaka sy nihorakoraka nilaza fa ho eny Mahamasina no haleha. Nitohy ny dia ka teo Ansoy no raikitra ny fifanosehana tamin’ny mpitandron’ny filaminana hisesika hiditra ao Mahamasina. Niova hevitra anefa ny Filoha mpanorina ny TIM ka nanapakevitra ny ho eny Analakely.

Vao afaka kely ny tonelina teo Ambohidahy anefa dia nanapoaka baomba lakrimozena ny mpitandron’ny filaminana ka nisavoritaka ny olona. Nanapakevitra fa tsy ho eny Analakely ny filoha teo aloha ry nandeha namonjy fodiana. Ireo mpanara-dia azy sisa no nanohy nandragitra ny mpitandron’ny filaminana hatramin’ny hariva.

Andoniaina Valy

LE COEUR ET LA VOIX DE MADAGASCAR

15e anniversaire du TIM | Revivez la confrontation entre forces de l’ordre HVM et le TIM

 Kanto Malagasy

Fivorian’ny solotenan’ny antoko Tiako-I-Madagasikara avy any amin’ny faritra

Nivory tao Faravohitra ny solotenan’ny antoko Tiako-I-Madagasikara avy any amin’ny faritra ny hariva teo. Nangataka izy ireo fa tsy mbola vita ny fanamarihana ny faha 15 taona ny antoko TIM ny 8 jolay teo, koa mangataka ny mpikamba TIM foibe ireto farany handray fanampahankevitra mikasika izany.

 

Marc Ravalomanana Hitory an’ny Prefe ny TIM

10/07/2017

Tsy niandry ela fa omaly hariva ihany dia nanambara i Marc Ravalomanana fa tsy maintsy hitory an’ny Prefen’Antananarivo ny Tiako I Madagasikara (TIM) noho ny fandavany hanatanteraka ny didim-pitsarana.

Hotoriana koa ny mpitandro ny filaminana. Nahazo rariny teny amin’ny fitsarana ny zoma teo ny TIM ka afaka mampiasa tsara ny kianjan’i Mahamasina. Naterin’ny vaditany teny amin’ny mpitandro ny filaminana teny Ankadilalana ny taratasy mirakitra io didim-pitsarana io saingy tsy nety nandray ry zareo. Ny fandavana hanatanteraka ny didim-pitsarana no mahatezitra ny olona ka mahatonga ny fitsaram-bahoaka etsy sy eroa hoy i Marc Ravalomanana.

Mampalahelo fa dia nampiseho ohatra ratsy ho an’ny vahoaka ny mpitandro filaminana,hoy izy.Fantatra fa hitory ihany koa ny kaominin’Antananarivo renivohitra noho ny fanagejana ny fananany sy ny fidirana an-kery tao ny alarobia alina teo.Na ahoana na ahoana tsindry nihatra tamin’ingahy Préfet dia tsy tokony ho nanaotao foana tahaka ireny izy, hoy i Marc Ravalomanana. Tsara raha mba mivoaka any ivelany mijery ny fomba fanaon’ny olona ny prefen’Antananarivo, hoy izy satria misy fepetra sy lalàna ny zavatra rehetra fa tsy hoe rehefa manampahefana dia afaka manao izay tiany. Mila miala ny prefe fa tsy nety ny nataony, hoy ny filoha nasionalin’ny TIM izay hentitra tokoa teny Faravohitra omaly raha niresaka tamin’ny mpanao gazety.Tsy mbola vita ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny TIM fa hitohy ary hitety faritra raha ny nambaran’i Marc Ravalomanana omaly hatrany.

RTT. TiaTanindrazana.

Amnesty International lundi 10 juillet 2017

Menteurs4

Il faut stopper l’engrenage des violations des droits humains à Madagascar

Il faut que les autorités malgaches prennent sans tarder des mesures en vue de stopper l’engrenage des violations des droits humains, notamment en diligentant de toute urgence des enquêtes sur les allégations selon lesquelles les forces de sécurité auraient incendié des villages et procédé à des exécutions extrajudiciaires, a déclaré Amnesty International lundi 10 juillet 2017, alors que le Comité des droits de l’homme des Nations unies s’apprête à examiner la situation du pays.

« À Madagascar, la situation en matière de droits humains est en train de se dégrader fortement car, de toute évidence, l’état de droit n’est pas respecté, a déclaré Deprose Muchena, directeur du programme Afrique australe à Amnesty International.

 « L’absence de poursuites est la porte ouverte aux violations commises par la police, notamment les exécutions extrajudiciaires, et à l’emprisonnement de défenseurs des droits humains. »

Ireo tranga isan-karazany.

 

 

 

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s