Faravohitra, 10 Jolay 2017. Fanambarana, Marc Ravalomanana.

 

Marc Ravalomanana Hitory an’ny Prefe ny TIM

10/07/2017

Tsy niandry ela fa omaly hariva ihany dia nanambara i Marc Ravalomanana fa tsy maintsy hitory an’ny Prefen’Antananarivo ny Tiako I Madagasikara (TIM) noho ny fandavany hanatanteraka ny didim-pitsarana.

Hotoriana koa ny mpitandro ny filaminana. Nahazo rariny teny amin’ny fitsarana ny zoma teo ny TIM ka afaka mampiasa tsara ny kianjan’i Mahamasina. Naterin’ny vaditany teny amin’ny mpitandro ny filaminana teny Ankadilalana ny taratasy mirakitra io didim-pitsarana io saingy tsy nety nandray ry zareo. Ny fandavana hanatanteraka ny didim-pitsarana no mahatezitra ny olona ka mahatonga ny fitsaram-bahoaka etsy sy eroa hoy i Marc Ravalomanana.

Mampalahelo fa dia nampiseho ohatra ratsy ho an’ny vahoaka ny mpitandro filaminana,hoy izy.Fantatra fa hitory ihany koa ny kaominin’Antananarivo renivohitra noho ny fanagejana ny fananany sy ny fidirana an-kery tao ny alarobia alina teo.Na ahoana na ahoana tsindry nihatra tamin’ingahy Préfet dia tsy tokony ho nanaotao foana tahaka ireny izy, hoy i Marc Ravalomanana. Tsara raha mba mivoaka any ivelany mijery ny fomba fanaon’ny olona ny prefen’Antananarivo, hoy izy satria misy fepetra sy lalàna ny zavatra rehetra fa tsy hoe rehefa manampahefana dia afaka manao izay tiany. Mila miala ny prefe fa tsy nety ny nataony, hoy ny filoha nasionalin’ny TIM izay hentitra tokoa teny Faravohitra omaly raha niresaka tamin’ny mpanao gazety.Tsy mbola vita ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny TIM fa hitohy ary hitety faritra raha ny nambaran’i Marc Ravalomanana omaly hatrany.

RTT. TiaTanindrazana.

Naloan’ny vahoaka

10/07/2017

Mai-molotra tsy mahita ambara ny fanjakana nanoloana ny fanotronan’ny vahoaka an’aliny ny hetsiky ny Antoko Tiako I Madagasikara ny faran’ny herinandro teo.

Raha nihevitra fa ho kivy ny vahoaka noho ny sakana natao sy fanentanana ary fanatsatsoana, dia tsy izay no niseho, ka ny fanjakana jadona efa naman’ny naloan’ny vahoaka indray no afa-baraka. Taiza teto ambonin’ny tany no mbola nisy an’izany hoe ny mpitandro ny filaminana no nirahina hanentana vahoaka tsy hamaly ny antson’ny antoko politika hanamarika ny tsingerin-taona niorenany ? Fanjakana efa lany henatra saingy miantehitra amin’ny herim-pamoretana sisa.

Raha azo natao angamba no nizara vola isam-pokontany tamin’ny olona hoe aza manotrona ny TIM efa nataony. Mbola hinia hanao herim-bomanga sy hanao loham-boto sy hampihatra ny kajy maloto fanao ihany ve ka hanangam-pahavalo ny vahoaka Malagasy hitia sy hanohana ny olona efa naloany ? Efa mizara vola tsy toko tsy forohana hameno kianja aza efa lahoana, ka nahoana moa no tsy hialona ny hafa izay tsy mila manao izany akory fa ny vahoaka aza no mitady azy ? Misy fetra ny zava-drehetra satria raha mitohy ny hazo lanin’ny voalavo ny lanitra, hoy ny fitenenana. Fotoana sisa andrasana dia hidaboka ny fanjakana jadona.

Toky R. TiaTanindrazana.

 

prefet hvm

Pov, L’Express de M/car.

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Un commentaire pour Faravohitra, 10 Jolay 2017. Fanambarana, Marc Ravalomanana.

  1. RANAIVOSOA Lala Hanitra dit :

    Samia mivavaka ary mailo hatrany. Isika Malagasy miaraka amin’ny herin’ Andriamanitra velona ihany no afaka hanafaka ny tanintsika sy ireo Malagasy havana mahantra.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s