Olivier Mahafaly. Hosamborin’ny fanjakana Atoa Marc Ravalomanana ?

 

.

Olivier Mahafaly menace le président Marc Ravalomanana d’une éventuelle…!

Après l’interdiction de célébrer ses 15 années d’existence par le pouvoir actuel à Mahamasina et le « DIABE » du TIM samedi dernier, le Premier ministre Olivier Mahafaly a déclaré que « l’Etat prendra des mesures » sans pour autant dévoiler quoique ce soit ! Le régime est aux abois et essaie d’intimider le président Marc Ravalomanana…Des bruits ont même circulé à une éventuelle arrestation de « DADA », mais il n’a rien à se reprocher, au contraire !

Fidinana an-dalambe Hosamborin’ny fanjakana Ravalo ?

11/07/2017

Totoafo omaly ny fanakianan’ireo olon’ny fitondrana ny hetsiky ny TIM ny sabotsy lasa teo ary tena nahazo ny anajarany araka ny fomba fiteny mihitsy i Marc Ravalomanana.

Izay nosokajian’ny filoha nasionalin’ny HVM Rivo Rakotovao ho mpanao bodingerina.Nampitenenina koa ny senatera HVM, izay toa tsy mahalala tsara akory ny zavatra ambarany fa efa nianarana natao tsianjery angamba ka na ny anaran’ny TIM sy HVM aza nampifamadihany.Nampiakarina fahitalavitra ny ambara fa mpamakafaka politika, rehefa nodinihana anefa ny nataony dia tsy famakafakana fa fanosoram-potaka sy fanaratsiana rano iray..tsapa ihany koa fa voafetra ihany ny zavatra fantany fa dia nampitenenina fotsiny aloha dia niteny e.

Mialohan’izany, ny faran’ny herinandro teo dia efa nandeha ny resaka ny amin’ny fisiana fikasana hisambotra an’i Marc Ravalomanana mba hifehezana azy sy ny fitetezam-paritra hataony ato ho ato.Paikady mety resahana ao an-dapa fa kosa tsy ho mora ny ho fanatanterahana azy satria fantatra fa misy ihany koa ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ireo samy mpomba ny fitondrana.Fantatra ihany koa ankehitriny fa niniana natao mihitsy ny tsy fanomezana ny kianjaben’i Mahamasina mba hisian’ny mety ho fihoaram-pefy, toy ny resaka fandrobana, ra mandriaka,…saingy tsy izay no niseho.

Ny nanara-dia an’i Marc Ravalomanana tamim-pilaminana no nataon’ny vahoaka an’aliny, ka na fanambarana politika aza tsy nisy. Fifamaliana madinidinika teo amin’ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana no nisy, saingy samy nahatsapa ny roa tonta fa tsy misy ny tombontsoa azo avy amin’ny fifandonana. Raha ny tatitra nataon’ny mpitandro filaminana tamin’ny alalan’ny lehiben’ny Fari-piadidian’ny zandarimaria Antananarivo na ny CIRGN Analamanga Jeneraly Andrianjanaka Njatoharisoa rahateo dia tsy nisy ny fahapotehan-javatra na fisamborana.

Na maro aza ny fihantsiana sy ny fandranitana ataon’ny mpitondra azy hihoa-pefy, dia tsy tafajabaka ny filoha teo aloha. Kabary am-panajana naneho fifankatiavana sy fifamelana no nataon’i Marc Ravalomanana tetsy amin’ny Hotely Carlton.Re anefa  fa mbola mandeha ny kajy rehetra amin’ny hisamborana azy noho izy lazaina ho manohintohinana ny fanjakana sy ny filaminana anatiny. Ny fitondram-panjakana sy ny mpiara-dia aminy rahateo efa hita fa tena mikoropaka mafy nahita ny tanjaky ny TIM sy ny mbola fitiavan’ny olona an’i Marc Ravalomanana ka tsy atao mahagaga raha miainga ny fingapingana.

Toky R. TiaTanindrazana.

2018-Mahamasina. Le calcul machiavelique du pouvoir.

L’homme à abattre par tous les moyens.

 

Le général Ravelonarivo Angelo Christian.

Un « officier à poigne » pour casser les manifestations : Arrestations et emprisonnements.

Tana-Ville: Nouveau préfet de Police

12.01.2017 |

Le conseil des ministres d’hier a nommé un nouveau préfet de police pour Tana-Ville. Il s’agit du général Ravelonarivo Angelo Christian, officier de gendarmerie élevé au rang de général de brigade dans la récente fournée de décembre. Comme le précédent, Randriamanjarisoa Robert était plutôt hésitant dans la répression des manifs de rue, il a été remplacé par un officier à poigne. Il n’est pas à exclure que ce changement a été soufflé par le chef de l’Emmo-Reg, le général Rakotomahanina Florens, lequel voulait à ses côtés un complice aussi intransigeant que lui dans l’interdiction des manifs. Et cela en vue de l’élection de 2018…

LGDGI

« Pour rester au pouvoir, ils sont prêts à commettre la pire des exactions, le permis de tuer… Et cela en vue de l’élection de 2018. Tout simplement machiavelique ». MCM.

Tanà J-1 a1

Mahamasina Sobika1

Mahamasina Sobika3

Mahamasina Sobika4

Mahamasina Sobika5

Mahamasina Sobika12

Ravalo 15 taona11

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s