Marc Ravalomanana. « Fanakorontanana firenena », GValosoa, TiaTanindrazana.

.

Fanakorontanana firenena : Ny Emmo-Reg, i Préfet , Praiminisitra no mila handraisana fepetra

Tsy tantin’ny mpitondra fanjakàna HVM  mihintsy ny zavatra niseho    nahatonga tsy  sazoka ireo vahoaka  mpanohana ny filoha Marc Ravalomanana hidina  eny  andalambe   rehefa tsy navelan’ny  prefektoran’Antananarivo  tsy hiditra ao Mahamasina  izy ireo hankalaza ny fety faha-  15 taona  ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) . Rehefa nivory ny  Filankevitry ny  minisitra  dia  nanambara  ny Praiminisitra Mahafaly Olivier fa handray fepetra hentitra ho an’ireo  mpitarika sy mpanome baiko  ireo  mpanakorontana. Notononiny manokana tamin’izany ny minisitera 3  mikasika ny fiarovampirenena  mba handray   ny andraikiny  amin’izany .

Raha ny lojika  tamin’iny  sabotsy  fankalazàna   ny faha- 15 taona  ny antoko Tiako i Madagasikara  iny  no asiana resaka  eto dia tokony ho ny mpitandro filaminana  EMMO-REG sy ny Préfet de Police  ary ny Praiminisitra  mihintsy no tokony   handraisana fepetra eto  satria izy ireo no  hitan’ny  maro   fa nahatonga ny  lazainareo mpitondra fa  fanakorontanana firenena  niseho tamin’iny hetsika am-pilaminana  nataon’ny  TIM  iny . Fa iza moa no nanome  fahazoan-dalana malalaka tsy nisy fepetra  ny antoko TIAKO i MADAGASIKARA  tamin’ny datin’ny 30 jona  hanaovany fety  ao Mahamasina ny  sabotsy 8 jolay teo  ? tsy  ny prefektoran’Antananarivo izay eo ambany fahefan’ny Praiminisitra Solonandrasana Olivier ve ? ary   iza indray no  nanafoana  ny fahazoandalana andro vitsy taty  aoriana ? tsy   ny préfe–n’Antananarivo ihany  ve ?

Rehefa izay  aza ny zavatra niseho  dia  tsy nanaiky mora  ny TIM  satria efa maro loatra  ny  fanomanana natao  toy ny  dokambarotra , ny artista hanafàna  ny lanonana  sns… izay efa nandaniana  vola  be , ka lasa nitory tany amin’ny tribonaly miady amin’ny fanjakàna izy ireo . Nivoaka mpandresy  tamin’ny ady natao ny TIM  ka nitondra izany tany amin’ireo tompon’andraikitra  rehetra  tokony hampahafatarina ny didy . Kanjo inona no niseho ?  tsy te-hahalala ny didin’ny tribonaly ny préfet , fa vao mainka aza namoaka  fanambaràna  ity  farany  fa  tsy azo anaovana fety eto Antananarivo renivohitra manomboka ny 7 , 8  ary 9 jolay. Ny EMOREG ihany koa tsy te hahalala ny  didin’ny tribonaly fa rehefa  ny prefektora  hono   no nanome baiko azy ireo dia  izay   izy ireo  vao hiala ao Mahamasina .

Fanampin’izany, nilaza ny  mpitandro filaminana fa hanentana isampokotany  izy ireo mba tsy ho tonga eny Mahamasina  ny vahoaka   fa tsy misy antony tokony hahatongavana any hono  satria tsy nahazo alalana ny antoko TIM. Nampitombo ny fahatezeran’ny vahoaka izany rehetra izany , ka vao mainka  nirodorodo   ohatra ireny tantely vaky ireny   izy  ireo   nidina   teny amin’ny araben’Antananarivo .  Ka eto dia mipetraka ny fanontaniana , tsy ianareo mpitondra ve no  tena mampikorontana ny firenena eto e? raha  tsy nanome tsifoifoy nareo  dia  nilamina tsara ny zavatra rehetra fa  tsy  nisy nidina  an-dalambe  naneho  ny hatezerany  ny vahoaka .

Ka iza eto no handraisana fepetra henjana ?  valiny:  ny Emmo-Reg , Préfet ary ny Praiminisitra  satria izy ireo no niavian’ny fanafintohinana ,  ka aza mba manilika any amin’ny hafa ny tsy fahaizanareo miaina  e !

Helisoa

Faha-15 taonan’ny TIM : Ny fanjakana no mpanakorontana eto hoy Ralipo

Nandritry ny fanehoan-kevitr’i Rakotomamonjy Philippe, na Ralipo, mpahay toekarena sady mpanao pôlitika ihany koa, fa ny fanjakana mihitsy no mpanakorontana eto. Nahoana no omeko tsy omeko hoy izy, ka omena alàlana, dia avy eo indray tsoahina? Tsy vitan’izany hoy izy, fa mampiady vahoaka mihitsy  satria voakorontana hatramin’ny sain’ny olona mihitsy. Efa namoaka didy ny fitsarana miady amin’ny fanjakana, fa é!e!, ny azy ihany no marina satria matahotra an-dRavalo.  Milaza fa afaka mifanakalo hevitra ny fanjakana hoy izy, nefa izy no tena mpanakorontana sy mila ady fotsiny izao. Tsy vitan’izany hoy izy fa mbola amporisihana koa ny mpamadika palitao toa an’i Olivier Rakotovazaha hiady amin’ny olon’ny Tim.

Tsy izy ihany fa ireo olona mpamadika palitao toa an-dry Faberger ihany koa dia mody ampitenenina daholo sitrany ahay handoto rano ny Tim. Lazaina ihany koa fa nanentana olona Ravalo hoy Rakotomamonjy Philippe, nefa ny vahoaka mihitsy no efa leon’ny kobaka am-bava sy ny lainga tsara lahatry ny mpitondra HVM mpampiesona. Angaha moa afaka hanidina miainga eny amin’ny Carlton Ravalo hoy ity mpandraharaha ity ka tsy handalo ho hitan’ny olona eny an-dàlana dia lazaina fa mitarika vahoaka hikomy. Na izany na tsy izany anefa hoy ity mpanao pôlitika ity, dia tsy maintsy mandresy Ravalo amin’ny fifidianana filoham-pirenena, ary vonona ny vahoaka hifidy azy satria latsaka lalina loatra ny fahantran’ny vahoaka malagasy ankehitriny.

Rajo

L’incroyable « mpisoloky » Jean-Eugène Voninahintsy ne changera jamais !

Dès lors que le nom Ravalomanana fait la Une dans les médias, certains politiciens « véreux » comme Jean-Eugène Voninahintsy sortent leurs griffes pour lui mettre des bâtons dans les roues. Sauf que ce dernier est loin de donner des leçons à qui que ce soit surtout qu’il est accusé d’extorsion de fonds, de détournement de biens publics, de trafic d’influence et bien entendu d’émission de chèques sans provision ! Sa tête a malheureusement été sauvée en 2009 par le régime illégal d’Andry Rajoelina issu du coup d’Etat !

Fidinana an-dalambe Hosamborin’ny fanjakana Ravalo ?

11/07/2017

Totoafo omaly ny fanakianan’ireo olon’ny fitondrana ny hetsiky ny TIM ny sabotsy lasa teo ary tena nahazo ny anajarany araka ny fomba fiteny mihitsy i Marc Ravalomanana.

Izay nosokajian’ny filoha nasionalin’ny HVM Rivo Rakotovao ho mpanao bodingerina.Nampitenenina koa ny senatera HVM, izay toa tsy mahalala tsara akory ny zavatra ambarany fa efa nianarana natao tsianjery angamba ka na ny anaran’ny TIM sy HVM aza nampifamadihany… Tohiny TiaTanindrazana.

13/07/2017 – 08:30 : Marc Ravalomanana _Fisamborana: Milaza ny mpitandro filaminana fa tsy mbola nisy ny didy fampisamborana azy, saingy azo atao tsara izany raha manohintohina ny filaminam-bahoaka ny tenany. TiaTanindrazana.

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s