Fifidianana 2018. Pnud (Violet Kakyomya), Ceni (Hery Rakotoarimanana), Tim (Marc Ravalomanana). TiaTanindrazana.

Firenena mikambana Tsy manaiky fanilihana kandida amin’ny 2018

14/07/2017

Hentitra ny fanambaran’ny Firenena mikambana tamin’ny alalan’ny solontena maharitry ny PNUD Violet Kakyomya° omaly mikasika ny hanatanterahana fifidianana eto Madagasikara amin’ny taona 2018.

Nanamafy ny efa nambaran’ny vaomiera Mahaleotena momba ny fifidianana (CENI) izy ireo fa tsy ny fifidianana malalaka misy sakantsakana, ka tsy tokony hisy mihitsy ny fandrarana ny kandida fa mila hajaina ny tena fahalalahana sy ny demokrasia. Tsy misy ao anatin’ny lalàmpanorenana mihitsy izany “ni…ni…”, hoy ny firenena mikambana. Antony nahatonga izany ny taona 2013 kosa ny famahana ny krizy sy ny fifanarahana politika isan-karazany. Manamafy anefa ny firenena mikambana fa tsy mitsabaka amin’ny raharaham-pirenena, saingy mitaky kosa ny fanajana ny tany tan-dalàna sy ny fampiharana ny tena demokrasia.

Marihina fa mahatratra ny vola 83 tapitrisa dolara no nampiasain’ny firenena mikambana tamin’ny sehatra samihafa toy ny fahasalamana, fanarenana ny voka-dratsin’ny rivodoza Enawo. Anisan’ny goavana ny fanampiana ara-teknika sy sara-bola amin’ny fanatanterahana ny fifidianana. Misy ihany koa ny fampiofanana isan-karazany.

Efa mazava ny tokony hampanjakana ny fifidianana malalaka ahafahan’ny rehetra mandray anjara. Matoa miteny ny tahaka ireny ny solontenan’ny firenena mikambana eto amintsika dia efa izay izany no hevitry ny fianakaviambe iraisam-pirenena, koa tena miendrika famonoan-tena ho an’ny mpitondra fanjakana ny fanaovana “ni … ni” amin’io 2018 io satria tena mbola mila fanampiana iraisam-pirenena aloha i Madagasikara amin’izao fotoana.

Toky R. TiaTanindrazana.

° Violet Kakyomya Coordonnateur résident du Système des Nations Unies et Représentant résident du PNUD à Madagascar.

Marc Ravalomanana.

14/07/2017 – 10:00 : Antoko TIM _Fankalazana ny faha-15 taona: Mbola hankalaza izany isika eto Antananarivo fa aza mataotra ianareo, hoy i Marc Ravalomanana.

Mikasika ny fifidianana kosa dia mankasitraka tanteraka ny tolo-kevitra nataon’ny CENI ny amin’ny hamerana ny vola enti-manana amin’ny fampielezan-kevitra izy, araka ny fanehoan-keviny. Aleo ho hita mazava eo izay tena tian’ireo vahoaka mifidy, hoy i Marc Ravalomanana. TiaTanindrazana.

CENI. Tsiahy.

 

Fifidianana filoham-pirenena Tsy manaiky tsindry bokotra intsony ny CENI

12/07/2017

Nampahatsiahy tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny biraony etsy Nanisana ny avy eo anivon’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) omaly fa nampita ny tatitry ny asa vitany tany amin’ny praiminisitra ny vaomiera fakan-kevitra sy fandinihana ny fanatsarana ireo didy aman-dalàna mifehy ny fifidianana eto Madagasikara ny 29 jona teo.

Io omaly io ihany koa no nampahafantaran’ity vaomiera ity ny tolo-keviny ho any amin’ny fitsarana hahafahana manatontosa ao anatin’ny fangaraharana ny fifidianana ho avy. Anisan’ny notakiana ny fametrahana farany aloha ny mpikambana tsy maharitr’ireo kandidà hanara-maso ny fifidianana,  ny fanomezana fahalalahana sy fahafahana ny CENI hanao ny asany, ny fahaleovantena ara-bola ary ny tsy fiandanian’ny fitondrana amina kandida miampy ny famerana sy fampitoviana ireo vola lanian’ny rehetra amin’ny fampielezankevitra.

Nilaza ihany koa ny filohan’ny CENI Hery Rakotoarimanana fa tsy tokony hisy ny fanilikilihana na fanavahana fa avela hirotsaka avokoa ny kandida rehetra. Ao anatin’ny fanajana ny lalàna velona eto amin’ny firenena sy ny lalàna mifehy ny fifidianana izany. Ankoatr’izay dia tsara kokoa raha manana solotena ao amin’ny CENI ny kandida tsirairay avy, raisina ho mpikambana tsy maharitra izy ireo.Mbola bileta tokana moa no hampiasaina amin’ireo fifidianana ho avy ary hamafisina ny fanentanana amin’ny fampiasana azy mba tsy hanahirana ny mpifidy.

Takian’ny CENI ihany koa ny hanitarana ny fahefany hatrany amin’ny famoahana ny datim-pifidianana sy ny fiantsoana ny mpifidy.

Mirija. TiaTanindrazana.

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s